airtel

Politique

03-nov-2021

Politique

Solontena ao amin’ny CENI Haverina ny fifidianana ho an’ny Fitsarana Tampony

Sample post image

Tsy isan’ireo olona nankatoavina tamin’ny alalan’ny didim-panjakana ny 30 oktobra teo ho mpikamban’ny Vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana (CENI) Atoa Randrianarivonantoanina Fanomezantsoa Tiana,

03-nov-2021

 izay voafidiny Fitsarana Tampony ho solontenan’izy ireo ao anatin’io rafitra mpikarakara sy mpikirakira fifidianana io. Ny 07 oktobra teo moa no voavidy Randrianarivonantoanina Fanomezantsoa Tiana izay marihina fa “Commusaire de la loi” eo anivon’ny Fitsarana Tampony, ary efa minisitry ny jono sy ny harena anaty rano teo aloha. “Raha ny andrim-panjakana hafa, toy ny eo anivon’ny Mpitsara, dia manana zo hifidy olona iray. Resabe izany tamin’ny herinandro, tsy mety amin’izy ireo, dia tsy maintsy haverina”, hoy ny fanehoan-kevitr’Atoa Marc Ravalomanana tany Toamasina ny faran’ny herinandro teo, izay efa nanipy teny fa tsy mety io CENI io fa olon’ny fitondrana 100% kanefa ny filoha am-perinasa azo antoka fa mbola hirotsaka, mila fikankevi-pirenena, hoy izy. Nilaza kosa ny Minisitry ny Fitsarana Atoa Imbiki Herilaza, fa fampanarahan-dalàna no natao. Ilay izy tsy hoe tsy voaray, hoy izy. Nisy didim-panjakana nivoaka manoloana ny fikarakarana ny fifidianana. Mba ho fampanajana ny lalàna, kanefa mety tsy fantatra no antony, ary nambara fa efa nisy ny famoahana azy tamin’ny filan-kevitry ny minisitra. Ny solontenan’ny Filoham-pirenena sy ny avy amin’ny Fitsarana tampony sisa tsy voatendry. Hitondra filaminana sy fitoniana ara-pifidianana ve ny CENI amin’ny endriny ankehitriny ?

Toky R
 

Dans la même rubrique

05-août-2024

Amin’izao ankatoky ny fifidianana ho avy izao, nofohazin’ny Antoko TIM tamin’ny alalan’ny

Card image cap
05-août-2024

Miomana ary maneho ny fahavonanany hiatrika ny fifidianana ben’ny tanàna kasaina hatao amin’ny 11 desambra

Card image cap
31-juil-2024

Mitombo sy mihamafy ireo olana sosialy eto amin’ny tany sy ny Firenena. Ny olan’ny rano sy jiro mamotika ny seha-pihariana maro.

Card image cap
31-juil-2024

Ara-bakiteny ankehitriny ny hoe : toy ny tany tsy misy Fanjakana ny eto Madagasikara ! Tsy voalamina, tsy voatantana, tsy voarindra,…

Card image cap