airtel

Politique

13-janv-2023

Politique

Sosotra ny iraisam-pirenena Tena tratry ny fahirano ny Fitondrana Rajoelina

Sample post image

Ahanjahanjan’ny sehatra iraisam-pirenena ny tsy fahombiazam-pitantanana eto, ary toa efa tratry ny ankivy ara-bola mivantana sy ankolaka ny Fitondrana Rajoelina.

13-janv-2023

Hatramin’ny sampam-pitsikolovana vahiny manara-maso akaiky eto. Marefo tanteraka ara-diplaomatika, indrindra fa taorian’ny fanapahan-kevitra niverina tamin’ny fanamelohana an’i Rosia nanalana. Nesorina tamin’ny toerany ny 17 oktobra 2022 ny Minisitry ny raharaham-bahiny teo aloha Atoa Richard Randriamandranto, kanefa tsy nisy akory ny « lettre de rétractation » nalefa teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena momba ny fanesorana io Minisitra io sy ny fihemorana tamin’ny fanapahan-kevitra nanamelohana an’i Rosia, izay nambara fa fanapahan-kevitry ny minisitra manokana. Tena nisy ve ilay resaka fampanantenana vola hatrany amin’ny 900 tapitrisa dolara avy amin’ny Rosianina, ka antony nanaovana io diplaomasia misabaka io? Ny hita dia toa votso-droa. Karazana vely kanonta ho an’ny fitondrana ny fihetsiky ny firenen-dehibe toa an’i Etazonia nankasitraka ilay fanamelohana an’i Rosia nataon’ny Minisitra teo aloha Richard Randriamandranto ny ampitson’ny nanalana ity farany. Henjana ilay fanambarana tambabe nataon’ny sehatra iraisam-pirenena teo anatrehan’ilay raharaha fitoriana ireo mpitarika ny Transparency International, hany ka toa nipirina iny dosie iny. Sesilany tato ho ato ny fitakiana famerenam-bola toy ny nataon’ny UNICEF, araka ny fanadihadihadiana nataony tamin’ny 2019. Io fa notapahin’ny Banky Iraisam-pirenena (BM) ihany koa ny famatsiam-bola nanampiany ny ministeran’ny fahasalamana hiadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo amin’ny faritra telo dia Analamanga, Alaotra-Mangoro ary Bongolava. Dokotera sy paramed miisa 1000 eo ho eo no noraisina hanatanterahana ity fandaharan’asa ity ankoatra ny resaka fanampiana ara-tsakafo, saingy voalaza fa notapahin’ny banky iraisam-pirenena io fifanarahana io nanomboka ny 10 janoary 2023 ka najanony. Vokatr’izany dia mpiasan’ny fahasalamana maro no mijanona tsy miasa intsony. Ny tetikasa maron’ny Fanjakana migebona avokoa fa tsy misy mamatsy vola fa mety fampanantenana no betsaka, fa raha misy zavatra mandeha toy ny fahavitana làlam-pirenena toy ny RN6 sy RN44 dia mamofompofona ezaky ny Fanjakana teo aloha no mitohy. Nahoana, ohatra, I Ghana no omen’ny FMI 3 miliara dolara, I Egypte mahazo 13 miliara dolara kanefa ny antsika FEC 31,9 tapitrisa dolara? Lazaina fa misongadina, tsy mintsanga-menatra, tsara toerana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena isika satria maro ireo fihaonana tamin’ny Filoham-pirenena, vondrona iraisam-pirenena fa mitondra inona eo amin’ny toekarena sy ny fiainam-bahoaka? Ara-pifidianana, tsy mbola misy tokontaniny ny famatsiam-bola ka isany antony ny fihetsiky ny Fanjakana. Toa efa karazana momba ny ho avy politikan’izao Fitondrana izao amin’ny fifidianana izay mifandrohy hatrany amin’ny tontolo jeopolitika sy fifandraisana iraisam-pirenena ny zava-misy.
RAKOTRA KOLIKOLY
Ara-pitantanana, miharihary ny ahiahina kolikoly maro, toy ny tatitry ny Fitsarana momba ny vola tamin’ny nampiasana ny 444 tapitrisa dolara tamin’ny covid-19, ny tatitry ny IGE (Inspection Générale de l’Etat) nilaza fa 52 miliara Ar ny volam-panjakana voahodinkodina nandritra ny 8 volana voalohan’ny 2022 fotsiny, ny trafikana volamena izay nahatratara 4,5 taonina nahavery 780 miliara Ar nanomboka ny 2018-2021,… Tsy tongatonga ho azy ny nisafidianan’ny Amerikanina ny Filohan’ny Fitsarana momba ny kaonty ho iray aminn’ireo olona 8 eto ambonin’ny tany voahosotra ho Tompondaka eran-tanin’ny ady amin’ny kolikoly. Efa tena sary ratsy ara-diplaomatika ny fanesoran’I Norvège izay lohalaharana maneran-tany amin’ny tsy fanaovana kolikoly ny masoivohony eto na dia efa 157 taona aza no efa nisian’ny fifandraisana teo amin’ny tany roa tonta.
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Anisan’ireo fikambanana resy lahatra ny amin'ny vinan'ny Tahiana Razafinjoelina (TR) ny Tanora Miharisoa 67 ha

Card image cap
17-oct-2024

Mihamafy ny tsindry ho an’ny Fitondrana Rajoelina na efa mafy aza ny vesatra eo anatrehan’ny krizy ara-tsosialy

Card image cap
17-oct-2024

Mafampana hatrany ao Tsimbazaza ao anatin’izao fivoriana ara-potoana eo anivon’ny Antenimierampirenena izao.

Card image cap
16-oct-2024

Aok’izay, tsy atao sosety, tsy atao lafika izany intsony , tsy atao tohatra fiakaana izahay ambany tanana fa mila olona tena hitondra ny fanovana,

Card image cap
16-oct-2024

Ny fanotronan’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI

Card image cap
16-oct-2024

Niditra amin'ny fivoriana ara-potoana nanomboka omaly 15 oktobra ny antenimierampirenena.

Card image cap