airtel

Politique

12-sept-2024

Tafapetraka ny firotsahan-kofidian-dRavalo

« Tsy avy aminay raha misy korontana eo »

Sample post image

Ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy ireo lisitra mpanolontsaina miisa 58 tarihiny

12-sept-2024

no namaky lay ny fametrahana ny antontan-taratasy firotsahan-kofidiana eto amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra omaly teny amin’ny OVEC Isotry. Betsaka ireo naneho fahavonona, saingy voafetra ny isany, raha ny nambaran’io Filohan’ny TIM io. Nomarihin’i Marc Ravalomanana fa tena sarotra ny filatsahan-kofidiana ka nametrahany fanontaniana hoe : tena fanahy iniana hasarotina ve ? Tena nohasarotina ankoatra ny anto-bola izay tena lafo dia lafo, raha ny nambarany. Navoitrany ny tsy fisian’ny demokrasia sy ny fametrahana ny fitoniana, fa izay milaza ny heviny dia tonga ny fanenjehana hatramin’ny fampidirana am-ponja. Nampahatsiahy ny nambarany ny 16 aogositra i Marc Ravalomanana fa nahazo tsodrano tamin’ireo mpiara-dia rehetra anatin’ny Firaisankina toy ny HVM, Pro-Siteny, Tsaratafina, RMDM,… na amin’ny anaran’ny TIM aza ny firotsahana. Ianareo no tompon’andraikitra voalohany, hamoray io, jereo ny sakantsakana mety hihatra amin’ny sasany, fa tena mijaly olona, hoy io Filoha teo aloha io. Mahatratra 14 moa ny antontan-taratasy ilaina. Ho azy manokana, nahitsy i Marc Ravalomanana nilaza fa tsy tokony ho sakana ny antontan-taratasy toy ny resaka hetra na 211Bis satria efa tamin’ny septambra tamin’ny 2023 izy no nahazo, ary ny tsy vita teo anelanelan’izay sy amin’izao sisa no nefaina, ka tsy tokony ho olana, ary efa filam-baniny, raha tonga amin’izany. Nomarihin’i Marc Ravalomanana fa raha misy ny korontana eo anatrehan’ny sakantsakana samihafa dia tsy avy amin’izy ireo. « Tsy avy aminay raha misy ny korontana, fa ny fanakantsakanana tsy amin’ny rariny,…», hoy i Marc Ravalomanana. Misy foana ny zavatra azo hanakianana, fa ny zavatra vita no ifampitsarana, ary mikaonty be ny « success story » na ny tantaran’ny fahombiazana, hoy i Marc Ravalomanana naneho ny fahatokisan-tenany ary namerina ny firesany matetika dia ilay hoe : tsy hamela irery ny vahoaka Malagasy, ary tsy hamela irery an’Antananarivo, ka nilazany fa hanarina ny Renivohitra. Ben’ny tanàna teto Antananarivo no nanombohan’i Marc Ravalomanana ny fanaovany politika rehefa voafidy tamin’ny anaran’ny Fikambanana Tiako Iarivo izy ny 14 novambra 1999, ary niakatra ho Filoham-pirenena 2 taona taorian’izay rehefa nirotsaka ho kandida Filoham-pirenena ny taona 2001. Voaongana teo amin’ny Fitondrana ny 2009 ka asa ho tafaverina amina fahefana sy toerana politika ve i Marc Ravalomanana 15 taona aty aoriana ? Izy no namaky lay fa andrasana ny hafa ! Hanao ahoana ny ho endri-pifidianana eto Antananarivo amin’ity ? Iza no kandidam-panjakana ? Hipoitra ve ny kandida tsy hampoizina afaka hamadika pejy hanarona ny lonilon’ny TIM sy ny TGV izay ady tsy vita tao anatin’ny 20 taona latsaka?
Toky R

 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Anisan’ireo fikambanana resy lahatra ny amin'ny vinan'ny Tahiana Razafinjoelina (TR) ny Tanora Miharisoa 67 ha

Card image cap
17-oct-2024

Mihamafy ny tsindry ho an’ny Fitondrana Rajoelina na efa mafy aza ny vesatra eo anatrehan’ny krizy ara-tsosialy

Card image cap
17-oct-2024

Mafampana hatrany ao Tsimbazaza ao anatin’izao fivoriana ara-potoana eo anivon’ny Antenimierampirenena izao.

Card image cap
16-oct-2024

Aok’izay, tsy atao sosety, tsy atao lafika izany intsony , tsy atao tohatra fiakaana izahay ambany tanana fa mila olona tena hitondra ny fanovana,

Card image cap
16-oct-2024

Ny fanotronan’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI

Card image cap
16-oct-2024

Niditra amin'ny fivoriana ara-potoana nanomboka omaly 15 oktobra ny antenimierampirenena.

Card image cap