airtel

Politique

23-août-2023

TAHINA RAZAFINJOELINA

“Ampy izay ny adilahy politika, ny fahantrana no andao horesena”

Sample post image

Nanatanteraka ny fanaovan-tsonia ny “Charte de bonne conduite” ho an’ireo antoko politika izay handray anjara amin’ny fifidianana ho Filoham-pirenena eto Madagasikara amin’ity taona 2023 ity tetsy amin’ny foiben-toeran’ny

23-août-2023

FES (Friedrich Ebert Stiftung Madagascar) Ankadifotsy ny Vovonana FTT (Firaisankinan’ny Tia Tanindrazana), notarihin’ny Filohany Tahina Razafinjoelina, izay kandida ho Filoham-pirenena, omaly talata 22 aogositra. Nohamafisina ny vina ijoroana manolona ireo izay fanenjehana sy fanakianana etsy sy eroa, izay anisan’ny sakana amin’ny fampandrosoana eto amin’ny firenena, ka nanipihany fa zava-dehibe mandritra ny fifidianana ny adihevitra. Ny hevitra no miady fa tsy ny olona satria raha vao ny olona no miady dia lasa misy ny fifankahalàna sy fifanaratsiana ary izany dia miteraka fifandrafesana. Ny fahantrana no fahavalo iraisana tokony hiadiana, raha ny nambaran’ity kandidan’ny FTT ity. “Zava-dehibe loatra ny firaisankina, aleo hajanona ny adilahy satria tsy misy zavatra mandeha ao anaty korontana, ary tahaka izay ihany koa ny firenena. Aoka izay ny fifanaratsiana samy olombelona fa andao vina no horesahana. Ny hevitra no miady amin’izay, ary afaka mifameno, fa raha vao olona dia misy hambo-po sy voninahitra, ka lasa sahirana be isika amin’ny fanompoana olona. Firaisankina noho izany no tanjona”, hoy I Tahina Razafinjoelina. Nisaotra ny FES naka izao fanapahan-kevitra izao izy, saingy nanipika fa ny fanatanterahana azy ihany koa no zava-dehibe satria raha mbola hiaina ao anaty fifankahalana ity firenena ity, dia tsy hisy fampandrosoana. Isan’ny noraisiny ho ohatra I Rwanda izay ataontsika maodely matetika. Ohatra iray mampiray io firenena io tsy fahafahana miteny intsony resaka fihaviana toy ny hoe: “hutu” sy “tutsi” fa mampigadra satria ny firenena no jerena. “Tsy misy fampandrosoana ao anaty korontana, ary vonona hanatanteraka, porofo mivaingana tsy zavatra tenenina fotsiny fa tena hiainana satria betsaka, ohatra, no nanontany hoe: nahoana no kandida hafa no lohateny lehiben’ny gazetinareo? Ny gazety tsy anay, ny fahalalahan’ny fanaovan-gazety dia tokony hajaina ka tsy tokony hatao intsony ny fanaovan-gazety manompo olon-tokana, fa aleo halalaka ny asa fanaovan-gazety”, hoy I Tahina Razafinjoelina. Marika ihany koa io raha ny nambarany, fa tsy manana elanelana amin’ny kandida rehetra ny FTT, fa raha misy aza ny fifanampiana tokony hatao dia misokatra sy tsy mametraka olana ny amin’izany. Tsy maintsy miova ny fomba fijery satria raha mbola hifanenjika sy hifaninana dia very, fa ho an’i Madagasikara dia fahavalo tokana no tokony hiadiana dia ny fahantrana, hoy hatrany I Tahina Razafinjoelina.

TSY MANAO FITAOVANA POLITIKA NY FIANGONANA
Anisan’ny voaresaka ao anatin’io sata io ny tsy tokony hampiasana tenin’ny soratra masina, ary nomarihin’ny mpanao gazety ny fananany andraikitra eo anivon’ny Fiangonana, saingy nomarihin’I Tahina Razafinjoelina fa tsy niteny ary tsy nampiasa an’izany mihitsy ny tenany, tsy manao fitaovana izany amin’ny politika. “Ny Fiangonana dia tsy ao atao fitaovana politika, ary haveriko foana fa raha vao manao fitaovana politika ny fiangonana dia sady mandrava ilay fiangonana no manozona ny firenena”, hoy hatrany izy.

TSY MANAKANA TSY HANDROSO…
Tsy maintsy manana paikady 2 na 3 ny antoko rehetra amin’ny fiatrehana ny fifidianana. Mazava ho azy, fa miezaka amin’ny lafiny iray hanadio ny fifidianana. Noraisiny ho ohatra ny fihaonana sy resaka nifanaovany tamin’ny Filohan’ny fikambanan’ny Lehiben’ny Fokontany tany Fianarantsoa mikasika ny lisi-pifidianana, izay nilaza fa tsy nandalo tany amin’ny fokontany ny lisitra, maro be ny efa maty mbola naverina tao. Namoaka an’izany I Tahina Razafinjoelina izay naneho fa tsy rariny izany, ary tokony ho avy any amin’ny fokontany ny lisitra, tokony hampahafantarina. Raha tena mitady mangarahara dia ataovy peta-drindrina fa tsy hoe : mpitsirika avy any an-dafy, mpitsirika avy àry,… satria tsy misy afatsy ny vahoaka no mahalala ny marina sy ny diso ? hoy Tahina Razafinjoelina. Noho ny filazana an’izany anefa dia noroahina ilay lehibem-pokontany ka izany ve hoy izy no heverintsika fa hitondra fitoniana? Nambarany fa tsy maintsy miady amin’izany ihany, kanefa fantatsika ihany fa tsy maintsy manao ny hampandeha ity raharaha ity na misy izany zavatra angatahintsika izany na tsia satria tsy maintsy miomana. Somary nitondra fampiasaintsainana I Tahina Razafinjoelina nilaza fa marobe ireo filoha nieritreritra fa tsy ho afaka eo mihitsy fa ho eo mandrakizay kanefa tsy manakana antsika handroso, hoy izy. “Andao ilay firenena no jerena fa tsy hatao “défi” intsony, ny sasany mbola tonga amin’ny hoe: resinay I anona, ianareo resy lava! Tsy ny maharesy sy resy no olana fa ny fandresena ny fahantrana amin’ny alalan’ny firaisankinan’ny Malagasy”, hoy ity kandidan’ny FTT ity.
Toky R


 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

fa kosa tsy azo atao ny mangina sy mikipy eo anatrehan’izao fahapotehana maro lafy izao.

Card image cap
22-oct-2024

Tao anatin’ny herinandro latsaka kely nanombohan’ny Asa Maharitra ho an’Antananarivo na AMA

Card image cap
22-oct-2024

Tsy zava-baovao ny fihetsiketsehan’ny mpanao politika mialohan’ny fampielezan-kevitra tahaka izao,

Card image cap
22-oct-2024

Taorian’ny Kaominina Alasora Avaradrano dia fantatra fa efa ahitana ilay lalao maloto momba ny fifidianana

Card image cap
21-oct-2024

Feno herintaona ny nisian’ny vondron-kery manokana vonjy taitra GFSI (Groupement des Forces Spéciales d’Intervention)

Card image cap
21-oct-2024

Tsy fampanantenana sy toky fitaka hatrany no ilaina, asa no ilain’ny vahoaka fa tsy fampanantenana poakaty, hoy ny kandida Tahina Razafinjoelina ny sabotsy teo,

Card image cap