airtel

Politique

29-juil-2024

Tahina Razafinjoelina

«Aza ariana ny fanantenana ho antsika malagasy!»

Sample post image

160 tapitrisa Euro no saran’ny teleferika, hoy ny filohan’ny vovonana politika Firaisankinan’ny tia tanindrazana

29-juil-2024

na FTT, Tahina Razafinjoelina. Misy tetikasa izay any, hoy izy, ao amin’ny minisiteran’ny rano ao, 180 tapitrisa Euro, izany hoe tsy ampy 20 tapitrisa fotsiny izany amin’ny fanajariana ny rano eto amin’ny faritanin’Antananarivo. Izany hoe mahazo hatrany Ankazobe ka hatrany Antsirabe. Raha tena mipetraka ve ny politikan’ny fampandrosoana. Rano izany mitondra aina. Mahafaty rehefa tsy misy. Maloto io mankarary. Ny teleferika tsy manasitrana. Inona no entiny? Mifona aho fa izay ilay teneniko foana hoe fanambakàna ve? Izay no zava-misy. Be dia be no efa azo atao amin’ireo vola eto ireo raha tena mahalala ny fototry ny atao hoe firenena. Ny olombelona no fototry ny firenena. Ny olombelona mila misotro rano. Mila herinaratra ahafahany miasa, miaro tena amin’ny tsy fandriampahalemana. Ny mpikarakara endrika amam-bika izay maty daholo amin’ny tsy fisian’ny herinaratra. Ny mpandraharaha ara-tsakafo masiso daholo ny sakafo. Izany no vokany fa tsy hoe maizina fotsiny izahay amin’ny alina. Tena ngezabe ny vokatr’ilay izy amin’ny toekarena fa tsy araka ny heritreretintsika. Rehefa tsy miasa ireny olona ireny dia lasa mpangalatra. Izy miteraka nefa tsy manana asa dia inona ary no ho ataony? Tsy hoe izy no te hangalatra fa maty ny «coiffure», maty ny «cybercafé» keliny, maty daholo. Izay no hitenenako hoe tsy maintsy mijery ilay fototra fa tsy ilay hita maso. Tena hiangaviako dia hoe aoka izay ny hita maso fa aoka ataontsika lesona ireny hoe nisy kandida tsy miankina vitsivitsy dia rehefa tonga tao amin’ny antenimieram-pirenena tonga dia niaraka amin’ny fitondrana. Tsy ny olombelona no safidiana tompoko! Natao hanara-maso ny fitondram-panjakana ny antenimieram-pirenena fa diso tanteraka ny filazana hoe tsy afaka hampandroso ny distrikan’izy raha tsy miaraka amin’ny fitondrana.
AOKA IZAY NY DIDY JADON’NY FILOHAN’NY REPOBLIKA!
Nametraka lalàmpanorenana isika niteny hoe aoka izay ny didy jadon’ny filohan’ny repoblika fa ny antenimieram-pirenena no misafidy ny praiminisitra! Raha ohatra ianao miteny hoe izahay dia hanaraka ny antokon’ny filohan’ny repoblika dia avereno amin’ny filohan’ny repoblika ihany izany ny misafidy praiminisitra. Inona fotsiny no nanaovana ny tolona niarahana tamin’ny filoha Zafy Albert tamin’izany hoe ny antenimieram-pirenena no mifidy ny praiminisitra ahafahana mandanjalanja ny fahefan’ny filohan’ny repoblika mba tsy hanao fotsiny an’izay tiana? Miteny indray izany ianao izao hoe raha vao tsy miaraka amin’ny antokon’ny filohan’ny repoblika ny antenimieram-pirenena dia tsy mandeha ny firenena. Tsy izay no toetsaina nanaovana an’io lalàmpanorenantsika io ary tsy izay daholo maneran-tany. Vao hitanareo teo ny valim-pifidianana na any Etazonia na Frantsa fa tsy maintsy mifanohitra ny antenimieram-pirenena ahafahana miala amin’ny jadon’ny filoham-pirenena. Raha mivoana amin’izay dia tsy namaky lalàmpanorenana izy izany nefa manao politika. Tsy hisy mihitsy io fifanoherana anaty antenimieram-pirenena io raha eto. Inona no fanaraha-maso antenaina amin’ny te hitovy loko amin’ny fitondram-panjakana? Farany teo izao ny tany Etazonia te hanampy an’i Okrainina ny filoha amerikanina. Nosakanan’ny antenimieram-pirenena. 60 miliara Dolara ve hanampiana ny okrainianina nefa eto aza sahirana? Izany no antsoina hoe antenimieram-pirenena tena izy fa tsy hoe «merci président». Tsy natao hitehaka fitondram-panjakana ny antenimieram-pirenena fa natao hanara-maso mba hahatonga ny fitondram-panjakana ho marina.
SAKANTSAKANA VE?
Sakatsakana ve ny fitenenana mandritry ny fifidianana lalàna momba ny tetibolam-panjakana hoe ajanony io vola be dia be ao amin’ny fiadidiana ny repoblika io fa aleo andeha any amin’ny tantsaha ahafahany mamokatra ialàna amin’ny tsy fandriampahalemana!? Izany hoe ilay vola ao amin’ny prezidansa izany andao omena ny rafitra itsinjaram-pahefan’ny zandarimaria sy ny polisy ahafahan’ny tantsaha mamokatra mba hisian’ny fandriampahalemana any amin’ny toerana misy azy! Vao mahita an’io nefa izy izao dia tsy sahy hanohitra satria lasa ilay fitondrana ihany no mpampiasa na «patron»-an’ny antenimieram-pirenena. Lasa tetikasan’ny filoham-pirenena daholo izao ity zava-drehetra ity. Saintsaino hoe lalam-pirenena faha 2 na RN 2 mankany Toamasina, fikolokoloana fa tsy hoe fanajariana vaovao, no atao tetikasan’ny filoham-pirenena. Miala amin’ny volan’ny prezidansa izany. Atao inona intsony izany minisitra? Rehefa miala ny minisitra dia atao inona intsony ireo solontenam-panjakana manerana ny faritra? Izany no lanian’ny depiote antsika, lanian’ny maro an’isantsika dia aza manantena fampandrosoana! Ny RN 2 mbola fantampatatry ny olona fa ny ary amin’ny RN 34 mankary Miandrivazo ary, aiza no ahalalan’ny filoham-pirenena tokana ny zava-misy any? Lazaina hoe hanao fikolokoloana lalana any koa nefa any aza tsy hitany. Izay no maha zava-dehibe ny hoe potserina avy ao amin’ny antenimieram-pirenena ny fitsinjaram-pahefana. Ny depiote no manery ny fitondrana hanaparitaka ny vola. Izay no tena asan’ny depiote. Aparitaho any amin’ny distrika misy anay ny volanareo na fanabeazana na fandriampahalemana na famokarana fa aza tazominareo anaty birao! Aza manantena fitsinjaram-pahefana rehefa mpisolelaka amin’ny fitondrana ny solombavambahoaka!
ZARAO NY MARINA!
Ny azo atao izao dia ny manaparitaka ny marina satria efa mora kely izany amin’ny alalan’ny tambazotran-tserasera isan-karazany. Miantso ny rehetra hoe zarao ny marina! Rehefa mahalala ny marina isika dia tokony mba sahy hijoro hoe tsy izy izany fa izao no izy. Aza mitodika irery aty amin’ny mpanao politika! Miandry ny rehetra izahay hifanome tanana aminay hanery aloha ny hitsanganan’ny fahamarinana eto amin’ny firenentsika. Hanery hoe mba aparitaho io volam-panjakana io fa ny depiotenareo efa hanaradia anareo fotsiny! Tsy miala amin’ny marina isika! Tsy ny hifaninana no tanjona fa ny hitondra ny marina. Aleo mijanona amin’ny marina! Harena tsy maintsy miaradia ireo mponina marobe eto amintsika ireo. Izay no mahatonga ahy miteny foana hoe miaradia aloha vao mandresy fa tsy mandresy vao miaradia. Misy fanabeazana ara-politika tsy maintsy arahana raha tiana ho tanteraka izany. Mila mahatsapa ny mpanao politika rehetra hoe andao tsy hambakaina intsony ilay vahoaka fa andao atao mamokatra hanampy ilay firenena. Mijoro foana isika. Tsy miova mihitsy ny hevitra. Aza ariana ny fanantenana ho antsika malagasy! Avy amin’Andriamanitra ny zavatra rehetra ary mino isika, manantena isika fa tsy maintsy misy fiovana eto Madagasikara, hoy hatrany ny tenany.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

19-déc-2024

Natsikafon’ny KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena nanoloana ny mpanao gazety avokoa

Card image cap
19-déc-2024

Miantso ny mpomba an’i Tojo Ravalomanana mba hanao fety fa aminay dia efa mandresy

Card image cap
19-déc-2024

Nisy fisondrotany 30 ka hatramin’ny 100% ny vidin’entana eny an-tsena tato anatin’ny 5 taona. Tena voakasika mivantana amin’io ny sakafo toa ny vary , hena,

Card image cap
19-déc-2024

Kaominina miisa 427 izany hoe 25,2 %n’ny kaominina eto Madagasikara no nahitana mpifidy nampiasa

Card image cap
19-déc-2024

Lehiben’ny fokontany mihoatran’ny 20 isa no tratran’ny mpifidy, ny mpanara-maso na «superviseur»

Card image cap
18-déc-2024

Mandray fitarainana samihafa toy ny tsindrihazolena, fanararaotam-pahefana,…

Card image cap