nahafahan’ny olona niditra mivantana eo anatrehan’ny filazan’ireo olona sasany misora-tena ho mpanao famakafakana sy milaza ho manana loharanom-baovao azo antoka mikasika ny fifidianana, fa fandraisana anjara amin’ny fampahantrana vahoaka no ataon’ny sasany. Milaza zavatra tsy misy porofo sy manakivy vahoaka tsy misy vahaolana, miresaka hala-bato fa tsy manana vahaolana. Milaza fa efa ho resy isika, ka aza manao politika raha mieritreritra ho resy fa hadondrenana politika izany, hoy i Tahina Razafinjoelina. Tsy ny faminavinana ny faharesena no antsoina hoe fahaizana, fa ny fialana amin’ny faharesena. Ataovy aloha ny anjara sy andraikitrao, ho avy izahay hitondra vahaolan’ny hala-bato, fa aza miroaroa saina, misy anjara andraikitry ny rehetra dia vitaina. Misy miteny fa na mifidy na tsy mifidy ka tsy mety izany, hoy i Tahina Razafinjoelina. Ny olona mino dia manantena ka isika mivavaka, ka fahefakadiny ao anatin’ny 4 taona ve dia tsy fointsika sy hananantsika fanantenana ho an’ny Firenena, mandeha mifidy fa mihena ny tahan’ny halatra, aza kivy sy manaiky hokiviana, hoy izy nanentana. Tsy azonareo kiviana izahay, tsy eken’ny sainay izany, olona avy any ambanivohitra aza lasa manana ny toerany lehibe any Luxembourg rehefa nomenay « bourses » ka azo atao foana no manova, hoy hatrany i Tahina Razafinjoelina nandray ohatra. Eo anatrehan’ny mbola fitohizan’ny fanaratsiana indrindra fa avy amin’ny olon’ny Antoko iray, dia fisaorana aza no tokony ho natao ahy, hoy izy nanamafy. Misy antony matoa misintaka ireo olona niaraka hatramin’ny 2021. Tena paikady ilay hoe : fanirahana olona hanaratsy ofisialy, ka anisany ny fampitenenana depiote na mpanolontsaina,… ka tsy maintsy manazava ny tenako, ary tsy midika fa fanaratsiana azy, tsy maintsy tenenina ny marina, hoy i Tahina Razafinjoelina. Misy dikany ny depiote natao hanaratsy ahy satria hitany fa miha mandroso isika, misy olona any am-pita milaza mahalala ahy kanefa tsy mahalala ny 1/10 momba ahy mantsy ilay milaza fa mpamakafaka monina any an-dafy. Nampahatsiahy, fa nifamarafara sy nifampitsodrano ireo kandida tao anatin’ny C11 nialohan’ny nisaraharana fa izay mirotsaka amin’izy ireo dia tsy asian’ny hafa mpifaninana, saingy tsy izay no niseho, ary na i Roland Ratsiraka aza tao Toamasina mbola notaingenana mpifaninana, i Hajo Andrianainarivelo teny Avaradrano,… Ilaina ny fanovana, misy antoko izay mpilalao olona, ny filohany manohana ilay ramatoa kandidam-panjakana, ny filoha lefitra manohana kandida ny ankilany. Mbola nasiany video fa izy no mampihaona ireo mpanao politika lehibe roa. Tena misy ny filalaovana politika ka hanaiky an’izany foana isika sa mila hapetraka ny fanovana, dia tsy hieritreritra ve isika fa mila mitady làlan-kafa 15 taona tsy nisy fahombiazana ? hoy i Tahina Razafinjoelina.
Toky R
Miantso ny mpomba an’i Tojo Ravalomanana mba hanao fety fa aminay dia efa mandresy
Nisy fisondrotany 30 ka hatramin’ny 100% ny vidin’entana eny an-tsena tato anatin’ny 5 taona. Tena voakasika mivantana amin’io ny sakafo toa ny vary , hena,
Kaominina miisa 427 izany hoe 25,2 %n’ny kaominina eto Madagasikara no nahitana mpifidy nampiasa
Lehiben’ny fokontany mihoatran’ny 20 isa no tratran’ny mpifidy, ny mpanara-maso na «superviseur»
Mandray fitarainana samihafa toy ny tsindrihazolena, fanararaotam-pahefana,…