airtel

Politique

18-déc-2024

Tahina Razafinjoelina

«Manao politika ho an’ny Firenenay izahay fa tsy ho an’ny hafa»

Sample post image

Mitohy hatrany ny fanenjehana sy fanasorom-potaka ny Filohan’ny Antoko Tia Tanindrazana Tahina Razafinjoelina

18-déc-2024

taorian’ny fahavitan’ny latsa-bato ny 11 desambra teo sy ny fivoahan’ny voka-pifidianana vonjimaika hifandroritana ankehitriny. Mandeha ny famendrefondroana avy amin’ny fitondrana entina hampisavoritahana ny fanoherana, toy ny nilazan’ny governoran’Analamanga Hery Rasoamaromaka izay nilaza fa nanome vahana ho an’ny TGV ny filatsahan’i Tahina Razafinjoelina ka nampizara ny vaton’ny mpanohitra. « Ho antsika mbola manome tsiny hatrany ny filatsahako. Averiko foana. Nilatsaka ve aho sa nanampy tamin’ny Filoham pirenena 2018? Ben’ny tanàna 2019? Dia samia mahatsiaro ny vokatra sy ny tohiny. Tsy ny filatsahako na 2023 na 2024 no nampiova ny vokatra. Ary izahay dia manao politika ho an’ny firenenay fa tsy ho an’ny tenanay na ho an'ny hafa. Tsy mbola nandray vola tamin’ny politika izahay Tompoko. », hoy i Tahina Razafinjoelina omaly. Ity farany izay efa nilaza sy naneho ofisialy na nialohan’ny fifidianana aza, fa tsy nandray vola hanaovana teti-dratsy politika tamin’i Mamy Ravatomanga na olon-kafa na vahiny io na Malagasy ary ny resaka voizina ary naneho ampahibemaso fa sahy mihaniana ny amin’izany. Raha nanao politika dia nandany sy nanampy aza fa tsy nanao ho fivelomana an’izany. Nandeha ny fanasoketana samihafa, fa tsy nisy na iray aza tena sahy sy nitondra porofo mivantana mikasika an’ireny, fa dia ny halako bika tsy tiko tarehy no niradradraraka. Tsy nijanona taorian’ny fahavitan’ny latsa-bato fa mitohy ny filazana ho mpamadika, nanao « mission » tsy hampandaniana ny mpanohitra,… Toa ny fanenjehana an’i Tahina Razafinjoelina no handaniana fotoana kokoa ankehitriny fa tsy ny ady amin’ny hosoka sy hala-bato ary ny fijoroana hiaro ny safidim-bahoaka sy ny fandresena ambara fa azo. Mino ve ohatra ny eo anivon’ny Antoko TIM fa raha tsy nirotsaka i Tahina Razafinjoelina dia tena azon’izy ireo tokoa ny fandresena eo anatrehan’ny rafitra ara-pifidianana feno tsy fanjariana, ny teti-dratsy samihafa efa noketrehana nialoha,… ? Raha nanao fampielezan-kevitra ny Tia Tanindrazana, nitodika kokoa tamin’ireo maro an’isa mangina na « majorité silencieuse » manodidina ny 70% satria ireo antoko roa hafa lazaina fa antoko lehibe dia novoizina mafy sy naneho fa efa manana mpifidy tsy azo hozongozinina na « base politique » ary nolazaina mihitsy aza fa ireo kandida ivelan’ny TIM sy TGV dia hibata « zéro virgule » ka tokony ho any amin’ny Tahina Razafinjoelina ve no hamaharana sy hamatrarana ny rihitra amin’ny fandresena na faharesen’ireo antoko hafa ? Sao dia mba diso adversera ka variana amin’ny adin’akoho dia adino ny adin’ombalahy teo anatrehan’ireo hosoka samihafa ? Ny zava-misy ankehitriny ihany koa dia maneho sy manaporofo fa i Tahina Razafinjoelina no toa manahirana na « bête noire » ho an’ny andaniny sy ny ankilany noho izy manomboka mahasarika vahoaka eo amin’ny haitarika sy ny fametrahana politika miabo hisarika ny olona hivoatra, mizara fahalalana, mijery ny tena mahasoa fa tsy kirendrarendra,… ka tsapa sy hita ny fiaraha-mientana nandritra ny fifidianana teo na ekena aza fa tsy tratra ny tanjona ho lany ben’ny tanàna, kanefa tsy mijanona hatreo ny politika.
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-déc-2024

Natsikafon’ny KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena nanoloana ny mpanao gazety avokoa

Card image cap
19-déc-2024

Miantso ny mpomba an’i Tojo Ravalomanana mba hanao fety fa aminay dia efa mandresy

Card image cap
19-déc-2024

Nisy fisondrotany 30 ka hatramin’ny 100% ny vidin’entana eny an-tsena tato anatin’ny 5 taona. Tena voakasika mivantana amin’io ny sakafo toa ny vary , hena,

Card image cap
19-déc-2024

Kaominina miisa 427 izany hoe 25,2 %n’ny kaominina eto Madagasikara no nahitana mpifidy nampiasa

Card image cap
19-déc-2024

Lehiben’ny fokontany mihoatran’ny 20 isa no tratran’ny mpifidy, ny mpanara-maso na «superviseur»

Card image cap
18-déc-2024

Mandray fitarainana samihafa toy ny tsindrihazolena, fanararaotam-pahefana,…

Card image cap