fambazotra sosialy i Tahina Razafinjoelina, nisehoany tamin'ny fomba ofisialy ny maha kandida ho ben'ny tanànan'Antananarivo renivohitra.
TSOTRA, MAHOMBY
Hafa ny fomba fisainany, firesany sy fahitany ny raharaham-pirenena amin'ny ankapobeny sy ny fanaovana politika manokana. Tonga dia tsapa avy hatrany hoe teknisiana, olona nianatra, tia fihavanana, mametraka ho ambony ny soa iombonana i Tahina. Tsy toetrany ny mizahozaho na manambony tena, olona tsy tia voninahitra izy ary tsy mila zavatra asarotina be fa izay tsotra sy marina kanefa ahitana fahombiazana ny azy. Iray volana sy tapany aty aoriana, taorian'ny fitetezana fokontany maro tamin'ireo boriboritany enina eto an-drenivohitra, fihainoana ny mponina sy fiezahana nanampy azy ireo dia samy nahita ny rehetra fa tena olon'ny asa marina, olona tia miasa ary mila asa vita araka ny tokony ho izy ilay Tahina. Eny antsefatsefany eny mijoro amin'ny maha mpampianatra, amin'ny maha mpanabe azy foana izy ka mampahafantatra ireo olom-piryny adidy aman'andraikiny sy ny tokony ahatonga saina azy manoloana ny mety famitahana sy fanambakana ataon'ny mpanao poltika sasany. Ireo ilay be resaka sy fampanantenana, maika ahazo vato amin'ny fifidianana fotsiny, fa rehefa avy eo tsy hita popoka. Tsy mba izany isika hoy i Tahina Razafinjoelina fa izay fantatra fa ho vita no teneniny, tsy mila mampanonofy izany. Tsy voatery handainga sy hanao ratsy hoy izy fa ny manao ny marina sy ampy ahatafita.
FANOVANA HAMPIVOATRA
Miditra amin'ny fampielezan-kevitra amin'ity herinandro ity , dia mbola ho porofoin'ny Tia Tanindrazana sy Tahina Razafinjoelina indray ilay hoe : "asa fa tsy rendrarendra" . Efa hita ny vokatr'ilay mihirahira sy mandihy, migalabona amin'ny fampisehoana maimaimpoana, zarazadaina zavatra kely mandalo....miha sahirana, miha mahantra avy eo. Satria nahoana ? Ny valiny : variana tamin'ilay fonony ivelany, poakaty anefa ny tao anatiny. Azo atao tsara ny miala voly sy mba miara mifaly saingy mila tadidiana tsara hoe : tsy ny miala voly no ahavitana asa, fa izay nahavita asa no miala voly. Tsy rehefa hoe tafavoaka ny tonelina taorian'ny ady mafy ilay olona vao hoe namako ianao, izahay koa teo foana..miaraka mitolona, miaraka miasa, miaradia aloha vao mamdresy fa tsy rehefa mamdresy vao lasa mpiaradia. Ekena mety hoe zava-baovao be amin'ny olona izany fomba fisainana izany saingy izay anefa no lalan-tokana ahafahana mandresy ny fahantrana amin'izao fotoana, ary miroso any amin'ny dingana manaraka dia ny fampandrosoana. Atao ahoana moa ny hiresaka fampiroboroboana ny toekarena sy ady amin'ny kolikoly, na fitsinjaram-pahefana amina olona noana sy tsy an'asa ary tsy afaka mitaabo tena ? Izay ilay hoe ny olombelona aloha, foto-kevitra anisan'ny ijoroan'i Tahina Razafinjoelina ihany koa io. Mila ikaroham-bahaolana faran'izay haingana ny mponina sahirana sy tsy an'asa. Izay no antony nanombohana ny tetikasa Asa Maharitra ho an'Antananarivo na AMA. Ny tanàna voadio sy mahazo fotodrafitrasa, ny olombelona mahazo asa sy vola. Mbola eo ihany koa ny fametrahana jiro solaire efa ho 1000 tamin'ireo toerana maizina, elakelatrano maro teto an-drenivohitra. Ny fandavahana lava-drano hanampiana ny mponina amin'ny krizin-drano. Santionan'ilay vinam-piarahamonina fotsiny ireny aloha .Tena mbola lavitra ny lalana fa azo atao tsara ny mifanampy, tsy mahazo kivy fa tsy maintsy manam-pinoana satria hain'ny mino ny zava-drehetra.
RTT
Efa ela no nitolomantsika, vao tamin’ny herintaona no nisy naratra, nisy nogadraina tamin’ny hetsika,
Tsy hoe zava-baovao no atao ankehitriny fa fanohizana ny tolona natomboka ny taona 2023,
tafa, niavaka, tsy fahita firy, vina sy faharesen-dahatra, hita hoe mila fanovanatokoa ny olona. Maro be no tonga kanefa tsy nisy nosandaina
Eto Antananarivo no fiantombohan’ny fanovana, ary isika tsy hanaiky hataon’ny olona lafika intsony.
Tsy vaky ny Kolekitifa an’ny Malagasy ary manohana an’i Tahina Razafinjoelina avokoa !
Naneho ny heviny sy fijeriny mikasika ny fifidianana ben’ny tanàna eto Antananarivo Renivohitra i Andry Herinjaka