airtel

Politique

26-nov-2024

Tahina Razafinjoelina

Mpandraharaha manana vina sy fahasahiana nanomboka ny taona 2003

Sample post image

Mpandraharaha manana vina sy fahasahiana nanomboka ny taona 2003 i Tahina Razafinjoelina. Filoha mpanorina ny vondron’orinasa ONET GROUP International,

26-nov-2024

izay manana orinasa amina sehatra maro maro toa ny asa fanaofan-gazety sy trano printy, fanabeazana sy fampianarana, fambolena, tekinolojia, trano fisakafoahanana, famboarana ranomanitra, fandraharahana ara-pambolena,... Eto an-toerana sy ny ivelany no misy ny orinasa tantaniny sy tetikasa sahaniny miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka. Nanokanan’ny gazety ara-toekarena iray mivoaka any Maurice pejy manokana ny herinandron’ny 22 novambra 2024 izy amin’ny maha mpandraharaha manana vina sy fahasahiana ary finiavana. Ny gazety Vidy Varotra no nisantaran’i Tahina ny fidirany teo amin’ny sehatry ny fandraharahana ny taona 2003. Nisy avy eo ny gazety JOB, Jejoo, Tia Tanindrazana. Nijoro ny oniversite nomerika IT University, eo ihany koa ny onjampeo Top Radio. Niitatra tany amin’ny PHO Resto avy eo. Niresaka momba ny vina misy eo amin'ny fanabeazana, famoronana asa, ary ny firoboroboan'ny asany, miaraka amin'ny tetikasa manan-danja amin'ny sehatry ny teknolojia, fanabeazana, ary ny zava-baovao. 25 taona taona izy no nanangana ny orinasa, ary azo lazaina ho isan’ny tanora mpandraharaha manana ny maha izy azy eto Madagasikara, misandraharaha amin’ny iraisam-pirenena ary tena ekena sy atokisan’ny vahiny, ka betsaka ireo efa niara-niasa na mbola miara-miasa amin’ny orinasa matanjaka eran-tany toy ny Audi, Mercedes, Wols wagen, Microsoft, Milka, Under Armor, RAPP, Proximity BBDO,… Tsetsatsetsa tsy aritra fotsiny no ilazana fa mpianatr’i Mr Tahina ny Malagasy tokana miasa any amin’ny Apple orinasa fanta-daza amin’ny famoronana finday avo lenta, anisan’ny « Développeur d’application » ikoizana,… Ampahany io, fa betsaka ireo tanora misandrahaka eto an-toerana sy maneran-tany izay tena manaporofo an’ilay hoe : « Mahatafita ny fianarana » resahan’i Tahina Razafinjoelina hatrany.

Inona no làlana nodiaviny nialohan’ny nananganany ny Onet Group International tamin'ny 2003 ary inona no nitarika azy hanomboka amin'ny sehatra fandraharahana teto Madagasikara?

Rehefa nahavita ny Master 2 tao amin'ny MBDS, dia nisy dia iray tany Afrika Atsimo izay nahatonga kihon-dalana lehibe teo amin'ny asako. Tamin'izany no nahitako ny hevitra vaovao momba ny gazety manokana mikasika ny dokam-barotra kely (petites announces), izay tena nahaliana ahy avy hatrany. Io traikefa io no nitarika ahy hanangana ny orinasako teto Madagasikara. Noho izany, dia nanapa-kevitra ny hanangana an'i Vidy Varotra tamin'ny 2003 aho, mba hamaliana ny filàna mitovy amin'izany eo amin'ny tsena malagasy.
Mikasika ny sehatra hafa, miasa ihany koa amin'ny sehatry ny teknolojia sy fanabeazana aho eto Madagasikara. Amin'ny maha-mpanorina sy filohan'ny IT University, oniversite manam-pahaizana manokana amin'ny informatika ary mifandray amin'ny Microsoft IT Academy, dia manofana ny tanora izay antoky ny ho avy amin'ny sehatry ny nomerika aho. Nanao asa mpampianatra tany amin'ny Oniversiten'Antananarivo ihany koa, indrindra amin'ny taranja MISA (Mathématiques Appliquées, Informatique et Statistiques). Mpitantana ny BICI (Bureau International de Consultance en Informatique) ihany koa ary amin'ny Groupe ONET International, vondrona orinasa miasa amin'ny sehatra maro mazava ho azy.

Onet Group International ankehitriny dia iray amin'ny mpiantsehatra lehibe amin'ny sehatra maro. Azonao hazavaina ve ny vinanao sy ny fomba nahafahanao nanitatra ny asanao nandritra ny taona maro?
Ny vinako dia miorina amin'ny fototra roa manan-danja: voalohany, mino tanteraka amin'ny herin'ny fanabeazana aho, araka ny tenin'i Nelson Mandela hoe: "Ny fanabeazana no fitaovam-piadiana matanjaka indrindra azontsika ampiasaina hanova izao tontolo izao." Faharoa, ny famoronana asa ho an'ny Malagasy dia ao anatin'ny tanjoko. Ny fanomezana fahafahana amin'ny asa dia tsy manampy fotsiny amin'ny fivoaran'ny toekarena eo an-toerana, fa manatsara ihany koa ny fiainan'ny fianakaviana maro, manampy amin'ny fananganana fiaraha-miasa mirindra sy mamiratra kokoa.

Inona avy ireo asa lehibe ataon'ny Onet Group International ary ahoana ahoana ny fomba hifanohanany amin’ny paikady hivoaran’ny vondron’orinasa?
Ny sehatra lehibe izay nitarika ny firoboroboan’ny asanay dia ny gazety sy ny haino aman-jery. Noho ny fitaovana fampitam-baovao mahomby, afaka nanitatra ny fahitana anay sy nanampy tamin'ny fampiroboroboana ny asanay izahay, ka lasa herin'ny fanitarana lehibe ny haino aman-jery. Ankoatra izany, ny fitantanana informatika manontolo amin'ny alalan'ny rindran’asa natao manokana dia ahafahantsika manatsara ny fizotran'ny asa, mahazo fahombiazana bebe kokoa, ary mamaly tsara kokoa ny filan'ny mpanjifa. Ireo sehatra roa mifameno no mandrafitra ny fototra mafy orina amin’ny paikadinay hoentina mampiroborobo ny vondron’orinasa.

Ny zava-baovao sy ny teknolojia dia mitana anjara toerana lehibe amin'ny orinasanao, indrindra amin'ny alalan'ny IT University sy IT College. Ahoana no anampian'ireny oniversite ireny amin'ny fandrosoan'ny Madagasikara sy amin'ny fanofanana ny talenta tanora?
Hatramin'ny taona 2011, efa nanofana mpianatra 1 500 izahay, nanome fanofanana tsara kalitao sy mari-pahaizana iraisam-pirenena tamin'ny alalan'ny fiaraha-miasa amin'ny oniversite avy any ivelany. Manodidina ny 80% amin'izy ireo no manomboka miasa rehefa avy nahavita fianarana, raha 20% kosa no manohy fianarana eto Madagasikara na any ivelany. Ireo tanora ireo, manana fahaiza-manao tsara, dia mitondra hery vaovao sy sarobidy amin'ny orinasa iasany.

Inona ireo taranja atolotry ny oniversite amin'ny sehatry ny teknolojia sy informatika, ary ahoana no fandrosoana amin'ny filàna ankehitriny?
Ny oniversitenay dia manolotra fandaharam-pampianarana mifantoka amin'ny « programmation » sy ny « mathématiques », izay manome fototra matanjaka amin'ny lojika, ilaina amin'ny fanarahana ny fandrosoana haingana amin'ny teknolojia. Ankoatra izany, manolotra mari-pahaizana manokana izahay amin'ny “développement d'applications », « bases de données et mise en réseau », « intégration et conception de sites web », « conception et communication numériques », « gestion de contenu et marketing numérique ». Ho an'ireo mpianatra izay maniry handeha lavitra kokoa, manolotra ihany koa ny Master BIHAR (Big Data Intelligence for Human Augmented Reality) izahay, izay nankatoavin'ny Conférence des Grandes Écoles ary natomboka tamin'ny Novambra 2019, natao hanofanana ny mpitarika amin’ny ho avy ao anatin’ny vanim-potoana nomerika.

Azonao lazaina ve ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena natsangan'ny Onet Group?
Ny fiaraha-miasa voalohany tamin'ny Oniversiten'ny Côte d'Azur sy ESTIA any Frantsa dia manome fahafahana ho an'ny mpianatray hianatra mifanaraka amin’ny fenitra iraisam-pirenena. Ankoatra izany, ny fiaraha-miasa amin'ny ESN (Entreprises de Services Numériques) miorina any Maurice sy Frantsa dia manamafy ny toeranay amin'ny sehatry ny teknolojia. Ireo fiaraha-miasa ireo dia manampy anay tsy ho latsa-danja amin'ny zava-baovao, fa mamorona asa maro ao amin'ny sehatry ny nomerika.

Inona no vinanao ho an'ny Onet Group International amin'ny ho avy, ary ahoana ny drafitrao hanohy ny zava-baovao sy ny fivoaran'ny asanao mba hamaly ireo fanamby amin'ny ho avy?
Ny vinanay amin'ny ho avy dia ny hanohy ny fanitarana ny asanay any Afrika, indrindra any amin'ny Repoblikan'i Kôngô, izay manana tetikasa amin'izao fotoana izao hametrahana sekoly sy trano fisakafoanana. Vao haingana, nisy fihaonana tamin'ny mpiara-miasa ho avy izay mikasa ny hanombohana indostria vaovao tanteraka: hopitaly manokana amin'ny fitsaboana tsy misy fandidiana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-déc-2024

Natsikafon’ny KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena nanoloana ny mpanao gazety avokoa

Card image cap
19-déc-2024

Miantso ny mpomba an’i Tojo Ravalomanana mba hanao fety fa aminay dia efa mandresy

Card image cap
19-déc-2024

Nisy fisondrotany 30 ka hatramin’ny 100% ny vidin’entana eny an-tsena tato anatin’ny 5 taona. Tena voakasika mivantana amin’io ny sakafo toa ny vary , hena,

Card image cap
19-déc-2024

Kaominina miisa 427 izany hoe 25,2 %n’ny kaominina eto Madagasikara no nahitana mpifidy nampiasa

Card image cap
19-déc-2024

Lehiben’ny fokontany mihoatran’ny 20 isa no tratran’ny mpifidy, ny mpanara-maso na «superviseur»

Card image cap
18-déc-2024

Mandray fitarainana samihafa toy ny tsindrihazolena, fanararaotam-pahefana,…

Card image cap