Namaly izany tamim-pahatsorana nampiseho mangarahara ny loharanom-bolany amin’izao fifidianana izao ny kandidan’ny Tia Tanindrazana, izay efa naneho tany aloha fa anatin’ny fangaraharana ihany koa no hitantanany an’Antananarivo, raha tahian’Andriamanitra ka tonga eo amin’ny toerana. Efa ela, hoy izy, ny tena no nanampy an’ireo antoko politika izay heveriko fa mety hanavotra an’ity Firenena ity, ary tsy vola kely fa vola betsaka lavitra noho izao laniako amin’ny firotsahako hofidiana ho ben’ny tanàna amin’ny alalan’ny antoko izay misy ahy izao. Vitsy no mahalala ny tena asako, ny gazety izay nontantaniko dia efa hatrany amin’ny taona 2023 niainga tamin’ny Gazety Vidy Varotra, Tia Tanindrazana, Jejoo,… ary misy gazety maro iarahana miasa. Misehatra ihany koa amin’ny tontolon’ny fampianarana, mpisehatra iraisam-pirenena amin’ny fanabeazana ka manana sekoly any ampita sy eto an-toerana. Ankoatra izany manana an’itony asa antsointsika hoe : « offshore » itony izay asa avy any ivelany no tanterahana eto na indraindray tanterahana any ivelany. Efa hitantsika angamba tamin’ireny sehatra ireny fa anisan’ny mpisehatra amin’ny informatika momba ireo « marque » lehibe momba ny fiarakadia tahaka ny Mercedes, Audi,… ka ao anatin’ireny ny tena, ary miasa any ampita momba azy ireny, hoy hatrany i Tahina Razafinjoelina. Nomarihiny fa ny mahavoa antsika rehefa mahita olona manana na manana fahefana kely dia hoe vola avy any amin’i ranona sy ranona io. « Tsia, tsy voatery vola ratsy fa izahay izao raha nitady vola, dia efa ela izahay no niditra ho minisitra, fa matoa izahay mbola tsy hitanareo na minisitra na depiote na senatera na inona dia am-panetren-tena fa mahavelona anay tompoko ny asanay ka isaorana an’Andriamanitra», hoy i Tahina Razafinjoelina. Eo anatrehan’ny fananejehana sy fanasoketana samihafa hoe : karamain-dranona sy ranona, dia nahitsy izy naneho hoe : mitsangana izay sahy milaza fa nanome vola an’i Tahina Razafinjoelina na iray ary, na ny ariary ary, fa ny nifanohitra no nisy satria nanampy ireo antoko izay notohanako hatramin’izay aho, ary miantso ireo olona nampiako aho raha sahy mandà an’izany izy ireo, fa maro no efa nampiana, fa tsy misy fanontaniana moa izy tamin’izany fa noraisina fotsiny, hoy hatrany i Tahina Razafinjoelina. Efa nanomboka tany amin’ny 2010 any aho no nanampy ary nanome izay vita rehetra ho an’izany antoko izany, fa dia mijoro moa ny tena ankehitriny, ka isaorana an’Andriamanitra fa manana an’izay enti-manana kely dia kely satria isika tsy manao fety na rendrarendra fa asa no entintsika hampandaniana sy haseho ny olona ny manao asa amin’ny azo atao ny amanao ny asa amin’ny vidiny tena azo tanterahana, hoy i Tahina Razafinjoelina namarana ny teniny.
Toky R
ny tontolo politika teto Madagasikara tao anatin’ny 15 taona mahery.
Malemy ny fanoherana, hoy ny mpanao politika, Hary Razafindrazaka.
Tena hisy fa tsy hoe honohono ilay fandaharana manokana iarahana amin’i tahina Razafinjoelina
Nanamafy ny Filoham-pirenena ankehitriny Andry Rajoelina fa ezahana hovitaina
Aza miheritreritra ianareo hoe mahafaly ny mpitondra ny mahita mpanohitra miady izany,
Efa ela ny FLN na Front de libération national no nampahafantatra ny vahoaka hoe miha rendrika,