fa tsy misy ny nanatanteraka, ary efa manomboka tonga saina ny vahoaka, indrindra fa ny eny amin’ny faritra iva, hoy i Tahina Razafinjoelina omaly teny Antohomadinika, rehefa nanontanian’ny mpanao gazety vahiny. Manao zavatra azo tanterahana, azo atao amin’ny alalan’ny tetibola eo am-pelantanana, fa tsy mampanantena poakaty ho an’ny vahoaka satria mila ovaina ny fanaovana politika. Ny mahaolona aloha, ny rano, ny fahadiovana aloha, ny fahasalamana, ny fandriampahalemana no nifotorana tamin’ireo asa natao, ka nisy ny fitsidihana izany teny Antohomadinika omaly. Hatao izay hahafahan’ny olona misitraka ny toeram-panaovana maloto an’ny daholobe maimaimpoana hisorohana ny aretina maro ateraky ny loto izay mahavoa ny ankizy. Izany no fiantraikan’ny fitakiana 200 na 100Ar isaky ny manao maloto, ka azo atao tsara ny manao an’io ho maimaimpoana, ka ny kaominina no hanarama ny mpiasa amin’ireny toerana ireny. Aorian’izay, hifototra bebe kokoa amin’ny fampianarana, mba hanohanana ny Ray aman-dReny satria ny fahantrana no isan’ny tsy hahafahan’izy ireo mandefa ny zanany mandeha mianatra na ekena aza fa mbola tsy afaka mandeha mifidy ny ankizy, dia ampiana. Ankoatra ny fahasalamana, ny fahadiovana, ny rano,… dia efa mipetraka ny ivon-toerana ho an’ny tanora, izay Boriborintany miisa 2 no efa misy, hanofanana ny tanora, ka izay nataonay dia nataonay ho an’ny kaominina, hoy i Tahina Razafinjoelina.
MANANA HERIJIKA VE ?
Hitantsika tsara ny antontan’isa, 700 000 amin’ny 220 000 no mandray anjara amin’ny fifidianana, ka tsy tokony handeha hifidy maro ny vahoaka, izay tsy voatery ho izaho no hofidiana, fa izany no ahafahana misoroka ny hala-bato, any Lafrantsa ohatra manodidina ny 60% fa ny eto Madagasikara 30 na 31% eo, ka afaka mino isika satria efa manomboka tonga saina ny vahoaka, tsy haka ny vaton’ireo lazaina fa manana mpifidy tsy azo hozongozonina ny tanjona saingy betsaka no efa tonga saina amin’ireny, fa mbola betsaka ireo matory, leo ny adilahin’ireo antoko roa. Ekena fa manana ny mpanaraka azy tokoa ireo, fa ny fifohazan’ny rehetra no hitondra fanovana, ary ao anatin’ny fitondrana fijery politika vaovao izahay, hoy izy. Tsy mampanantena poakaty izahay, tsy mampanantena zavatra maniditsidina, fa ny tena mahasoa ny olona, ny fijerena ny maha olona izay tena maika, izay no ataonay amin’izao « précampagne » izao, ary hevitra sy fijerin’antoko, fa tsy fijery entina hankalazana olona na tsangan’olona, izay fomba fanao tokony hialana eto amintsika sy aty Afrika, hoy i Tahina Razafinjoelina naneho fa efa manomboka tonga saina ny olona satria betsaka ny nampanantena poakaty. Ny zavatra nataonay, dia zavatra tsotra, raha manana vinam-piarahamonina ny antokonareo, dia asehoy ny vinanareo, ataovy izay azonareo atao, fa aza lany andro manenjika anay, izay miezaka mitondra fanovana amin’ny fanaovana politika, mitondra vina sy hevitra ary fomba fiasa vaovao, hoy hatrany i Tahina Razafinjoelina.
Toky R
Efa ela no nitolomantsika, vao tamin’ny herintaona no nisy naratra, nisy nogadraina tamin’ny hetsika,
Tsy hoe zava-baovao no atao ankehitriny fa fanohizana ny tolona natomboka ny taona 2023,
tafa, niavaka, tsy fahita firy, vina sy faharesen-dahatra, hita hoe mila fanovanatokoa ny olona. Maro be no tonga kanefa tsy nisy nosandaina
Eto Antananarivo no fiantombohan’ny fanovana, ary isika tsy hanaiky hataon’ny olona lafika intsony.
Tsy vaky ny Kolekitifa an’ny Malagasy ary manohana an’i Tahina Razafinjoelina avokoa !
Naneho ny heviny sy fijeriny mikasika ny fifidianana ben’ny tanàna eto Antananarivo Renivohitra i Andry Herinjaka