airtel

Politique

10-juil-2024

Tahina Razafinjoelina

«Rehefa misafidy ny hanjifa dia aza miheritreritra ny ho tafita!»

Sample post image

Tsy maintsy mahalala ny zava-misy maneran-tany isika, hoy ny filohan’ny vovonana politika

10-juil-2024

Firaisankinan’ny tia tanindrazana sady filohan’ny antoko politika Tia tanindrazana, Tahina Razafinjoelina. Amintsika miteny izao, hoy izy, dia manana ahiahy izao tontolo izao fa tsy ho ampy ny olona. Miha vitsy miha vitsy ny mponina. Atsy ho atsy tsy ho ampy intsony ny mponina ahafahana mamelona ireo tsy an’asa dia ny ankizy amin’ny alalan’ny fampianarana sy ny lehibe, amin’ny alalan’ny fisotroan-dronono. Ny isan’ny olona miasa ahafahana mamelona an’ireo izany tsy ho ampy intsony atsy ho atsy. 2,1 isan-tokantrano no isan’ireo ilaina amin’ny ankapobeny tsinona. Raha tokantrano miisa 10 izany tokony hiteraka olona miisa 21. Midina 1,9 nefa izao no teraka isan-tokantrano. Mpiteny aho hoe harena ny olona fa marobe isika malagasy no miteny hoe vesatra ny olona. Fijery diso tanteraka izany. Mihevitra isika fa natao ho vesatry ny fiarahamonina ny olombelona, natao omena dia hangataka. Fijery tena diso izany. Mifandray amin’ny politika ilay izy na tia na tsia. Ny indianina sy ny sinoa firenena isan’ny be olona indrindra. Ny indianina moa izao no voalohany. Resiny indray ny sinoa. Ny azy ny olombelona tena miasa. Ny dikan’izay dia misintona ilay firenena any amin’ny fampandrosoana. Miteny isika hoe 30 tapitrisa izao no isan’ny mponina eto Madagasikara. Firy isan-jaton’ny tany eto nefa no misy miasa? 80%n’ny tany azo ambolena no tsy misy miasa eto. Vesatra ireo, mazava ho azy, rehefa zarina omena vary tsy mahavita taona sy koveta fa raha ireo no avadika ho mpamokatra, hafa mihitsy ny vokany. Averiko foana hoe any Inde sy Chine, ny olombelona izany no mitondra ny ekonomia. Madagasikara dia isan’ny manan-tsaina, manana hakingana na amin’ny lafiny tanana aza, ny asa tanana. Hitantsika tsara ireny asa tanana malagasy ireny, tsy misy masinina, tsy misy na inona na inona fa tanana no miasa. Manao ahoana ny vokatra? Politikan’ny fanjakana ve ny hamadika ireo vahoaka ireo ho lasa hery fampandrosoana sa ho atao vesatra mandrakariva dia ambakaina amin’ny zavatra akaiky sy hita maso dia izao no vokany?
MAMPAHANTRA ILAY HOE LEO POLITIKA
Mampahantra antsika ilay hoe leo politika izahay, tsy hanao politika intsony izahay. Mampahantra antsika ilay isika malagasy leo politika. Aleo hitsiana ny resaka! Rehefa leo politika, hono, dia na tsy mifidy na mifidy fa tsy mijery akory ny politikan’ilay olona fa ilay olona no jerena. Olona no fidiantsika fa tsy hevitra. Isan’ny mamotika antsika izay zavatra izay. Ny olana dia politika? Ny politikan’ny fitondrana ankehitriny ve mitodika mankany amin’ny famokarana harena sa ny fanjifana? Ny olombelona iray na mamokatra na manjifa.
HANJIFA SA HAMOKATRA?
Ahoana ny politika eto Madagasikara? Hanjifa isika sa hamokatra? Io izao farany teo ny Air Madagascar nopotehina fa miditra indray izao ny kaompania any Dobay dia be dia be ery no faly miteny hoe tena mba hiadana amin’izay izany. Aza adino! Hanjifa ny vitan’ny olona ve isika sa hamokatra ny vitan’ny Air Mad eto Madagasikara. Safidy roa ihany. Rehefa misafidy ny hanjifa dia aza miheritreritra ny ho tafita! Rehefa hisafidy ny hamokatra dia mba hamboary araka izay ny fanabeazana! Izay no mahatonga hijoro amin’ilay teny hoe fanabeazana. Raha miteny hoe fanabeazana akory tsy miteny mihitsy an’ilay olona 12 taona sy 15 taona ity hoe afaka BACC dia mankeny Ankatso. Tsy izany fa misy ny antsoina hoe «cycle cours» na dingana anaty fotoana fohy. 1 taona na ohatran’izany hanabeazana ny olona hahalala ny firenentsika aloha. Andao aloha hampahafantarina ny malagasy ny firenentsika, ny harena hananantsika, ny harenantsika izay mety ilain’ny manodidina antsika! Tsy iza ireo fa ireo nosy manodidina. Mozambika izany akaiky kely antsika. Aza adino fa ny nampianarina antsika tamin’ny mbola kely dia hoe lavitra ezaka! Midika izany fa mila ezaka ny fampandrosoana. Raha misy miteny hoe rahampitso no ho tafita i Madagasikara dia mpisoloky no anaran’izany olona izany. Tsy maintsy miainga amin’izay hoe andao aloha ilay sain’ny malagasy, ilay zavatra ananan’ny malagasy dia ny olombelona no andao ho sintonina! Raha te hanintona olombelona, inona moa no fitaovana fanovana olombelona raha tsy ny fanabeazana? Aza miteny mihitsy hoe ny mpanao politika no diso fa isika rehetra tomponandraikitra daholo! Isika malagasy no resahako. Ao anatin’izany ny vahoaka, ny mpitondra fivavahana, ny mpanao politika. Isika rehetra ireo tomponandraikitra daholo. Efa hitantsika rehetra fa fanambakana ity fanomezana tsy misy fotony izay manimba ny toetsain’ny tanora ity hoe omeo izahay!
HANAO MPANGATAKA MATIHANINA VE ISIKA?
Hanao mpangataka matihanina ve isika ireto? Izay ve no tanjon’ity firenentsika ity? Izay no zavatra apetraka ankehitriny. Misy zavatra kely dia tolory an’izao na omeo an’izao! Aiza moa ilay olona no hiezaka intsony?
MILA MANAO POLITIKA DAHOLO!
Mila manao politika daholo ny olona rehetra! Ny vahoaka, ny mpitondra fivavahana, mila manana an’izay, mahalala an’izay hoe aoka izay ity fanimbana ny vahoaka ity amin’ny alalan’ny fanomezana maimaipoana! Na anaty finoana Kristianina aza raha mamaky ny baiboly dia misy tantarana talenta 5 izay. Omena talenta ilay olona dia jerena hoe iza no nahavita nampitombo ny azy? Kolontsaina Kristianina izany ny hoe mila miasa ny olombelona, mila mamokatra. Tsy misy izany Kristianina omena fotsiny izany. Na ao anaty sehatry ny fivavahana aza izany dia tafiditra ao anatin’izay hoe andao hifandinika hijerena ny politika mahomby eto Madagasikara izay fa tsy hijery fotsiny ohatran’izao isika hoe dia resy indray izany koa! Miandry an’izao indray izany koa! Tsy ho tafita intsony izany koa! Inona no vokany avy eo? Mitady hitsoaka eto Madagasikara daholo ny tanora malagasy. Lasa miheritreritra ny tanora hoe ny fivoahana eto Madagasikara no fahatafitàna. Ho firenena dezaka na «désert» ve izany no tanjon’i Madagasikara? Tsy hisy olona intsony dia izay sahirana sisa tavela eto ve? Diso tanteraka izany. Ilay fiarahamonintsika izany miaina amina zavatra diso dia isika rehetra mifampijerijery dia manantena ilay mpanao politika. Isika rehetra no tomponandraikitra.
SAMIHAFA NY MIOVA SY NY TAFITA
Samihafa ny miova sy ny tafita. Ny fanovana voalohany indrindra izany dia ny hoe andao aloha ahompana tanteraka amin’ny fanabeazana ny politikam-panjakana. Azo atao avy hatrany izany. Tsy ho rahampitso ny vokatr’izay fanabeazana izay. Mety ho afaka 1 taona no vokatr’izay. Tsy misy delestazy afaka 3 volana izany. Mpitondra firy no nampanantena izany antsika? Hatramin’izao mankaiza ny delestazy? Io izao vinan’ny FTT ny hoe andao hanao angovo azo avy amin’ny masoandro! Tsy 3 volana no mametraka an’izany fa tsy maintsy aman-taonany. 1 taona sy tapany na 2 taona. Miha mankany ve nefa ny fanjakana? Aza manantena ny ho tafita rehefa tsy miezaka! Ireo ataontsika hoe tetikasa lehibe eto amintsika toy ny QMM, DYNATEK, Sheritt, Tsimiroro eo ihany, misy zavatra manahirana. Mampiasa vahiny marobe ireo amin’ilay fitrandrahana amin’ireny toerana ireny nefa asa tanana. Ny malagasy nefa eto tsy an’asa. Misy manafatra 1000 na 1500 isa in-dray mandeha avy any Chipre. Any ilay tiana tenenina hoe maninona raha mandany fotoana kely isika hampiofana ilay malagasy dia isika ihany, fara faha ratsiny, no miasa amin’ilay toerana misy an’ireo tetikasa lehibe ireo? Izay izao dia efa zava-dehibe fa ilay izy moa izany ny fitondram-panjakana mahita izany dia hoe afaro aza! Ny katsaka koa izao farany teo nafarana. Izay no mampametra-panontaniana ahy hoe ho lasa mpanjifa matihanina ve izany no tanjontsika amin’ity firenena ity hoe io Madagasikara dia ataovy mividy foana fa isika tsy hanao na inona na inona mihitsy? Isika nefa miteny hoe fanatontoloana, mpikamban’ny OIF, mpikamban’ny SADC. Mpanjifa an’ireo ve izany no tanjontsika? Tsy hamorona mihitsy ve izany isika? Averiko foana hoe tsy misy afa-tsy olombelona. Manana olombelona tsara isika fa aza adino! Ny 80%n’ny malagasy mbola mpino. Mpino izany olona tsara. Azo itokisana! Raha mpakany Dobay dia mahalala tsara fa tsy fanidy ny fiara any. Hihomehezan’ny olona ianao raha manidy fiara any. Ny trano tsy fanidy satria miaina ny finoana maha miozolomanina azy izy. Mila iainana ny finoana, hoy hatrany i Tahina Razafinjoelina.
Nanangona sy nandrindra : J. Mirija
 

Dans la même rubrique

19-déc-2024

Natsikafon’ny KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena nanoloana ny mpanao gazety avokoa

Card image cap
19-déc-2024

Miantso ny mpomba an’i Tojo Ravalomanana mba hanao fety fa aminay dia efa mandresy

Card image cap
19-déc-2024

Nisy fisondrotany 30 ka hatramin’ny 100% ny vidin’entana eny an-tsena tato anatin’ny 5 taona. Tena voakasika mivantana amin’io ny sakafo toa ny vary , hena,

Card image cap
19-déc-2024

Kaominina miisa 427 izany hoe 25,2 %n’ny kaominina eto Madagasikara no nahitana mpifidy nampiasa

Card image cap
19-déc-2024

Lehiben’ny fokontany mihoatran’ny 20 isa no tratran’ny mpifidy, ny mpanara-maso na «superviseur»

Card image cap
18-déc-2024

Mandray fitarainana samihafa toy ny tsindrihazolena, fanararaotam-pahefana,…

Card image cap