airtel

Politique

08-août-2024

Tahotra fitsaram-bahoaka

Malaina hanao fifidianana ben’ny tanàna ny mpitondra…

Sample post image

Mbola manalasala hatreto ny hisian’ny fifidianana ben’ny tanàna amin’ity taona ity,

08-août-2024

na dia efa nankatoavin’ny Filankevi-panjakana aza ny fahafaha-manatanteraka izany amin’ny 11 desambra. Efa ny 06 novambra ny soso-kevitry ny CENI, saingy tsy voatazona satria nandefa taratasy ny Praiminisitra fa tsy tratra ka isan’ny antony ny mbola tsy nitsanganan’ny governemanta. Noraisin’ny Filankevi-panjakana ho toe-javatra tsy azo hanoharana ny tsy fisian’ny governemanta ara-dalàna. Maneho sy mampiharihary fa misy fahabangana na tsy fahampiana eo amin’ny andrim-panjakana na ilay antsoina hoe : « vide institutionnelle » ka lasa sakana amin’ny lafin-javatra maro. Vao afak’omaly ihany koa no nanao fanamarihana ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana, fa ny fanoloran’ny fandaharan’asa hanatanterahana ny Programa ankampoben’ny Fanjakana dia tokony tapahana eo anivon’ny governemanta, ka tsy ara-dalàna ny fanapahana sy fanolorana izany raha tsy misy governemanta voatendry ara-dalàna. Miankina amin’ny governemanta ihany koa ny fanapahana farany mikasika ny didim-panjakana hanaovana ny fifidianana, izay ekena fa mbola tsy tara ny 90 andro mialohan’ny fotoana hanaovana ny latsa-bato. Mbola manana hatramin’ny 11 septambra hamoahana didim-panjakana fanaikana mpifidy ny governemanta. Na izany aza, tsikaritra amin’ny fihetsika sy firesaky ny olon’ny fitondrana sasany ny tsy finiavana hanao fifidianana. Efa tamin’ny 10 janoary 2024 anefa no tapitra ny fe-potoan’ireo ben’ny tanàna sy mpanolontsaina kaominaly. Isan’ny mbola olana ihany koa ny hoenti-manana ara-bola hanaovana ny fifidianana. Voizina any amin’ny hoe : tsy mahamaika izany, aleo mifantoka amin’ny famahana olam-bahoaka, aleo manamboatra ny làlana simba,… Hatramin’izay tsy hita izay vahaolana, fa amin’izao tokony hanaovana ny fifidianana eny ifotony izao vao hoe : hanao an’izatsy sy izaroa. Tahaka an’ilay hoe : hanamboatra ny RN 2 ihany izay firy taona nisesy fampanantenana ihany. Sarotra ny toeran’ny antokon’ny fitondrana raha mizotra amin’izao vanim-potoana izao ny fifidianana ben’ny tanàna eo anatrehan’ny krizy ara-tsosialy samihafa, ary heverina fa tena matahotra fitsaram-bahoaka any anaty latsa-bato ny mpitondra, ary handeha ny andrimaso. Manerana ny Nosy ny fahapotehan-dàlana satria ankoatra ny làlam-pirenena tapitra potika dia zava-doza ny làlam-paritany sy làlana kaominaly. Ny vidim-piainana miha midangana, mizaka ny tsy eran’ny ainy ny vahoaka,… Manerana ny Nosy ihany koa ny olan’ny jiro sy rano izay miha zava-doza. Efa ireny misy mamoaka ireny ny olom-boafidy lany tamin’ny fitondrana fa tamin’ny maha izy azy no nahalany azy, fa tsy tamin’ny anaran’ny antokon’ny mpitondra satria nosazian’ny vahoaka vokatry ny olana ara-tsosialy toy ny delestazy tsy mety resy.
Toky R


 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Anisan’ireo fikambanana resy lahatra ny amin'ny vinan'ny Tahiana Razafinjoelina (TR) ny Tanora Miharisoa 67 ha

Card image cap
17-oct-2024

Mihamafy ny tsindry ho an’ny Fitondrana Rajoelina na efa mafy aza ny vesatra eo anatrehan’ny krizy ara-tsosialy

Card image cap
17-oct-2024

Mafampana hatrany ao Tsimbazaza ao anatin’izao fivoriana ara-potoana eo anivon’ny Antenimierampirenena izao.

Card image cap
16-oct-2024

Aok’izay, tsy atao sosety, tsy atao lafika izany intsony , tsy atao tohatra fiakaana izahay ambany tanana fa mila olona tena hitondra ny fanovana,

Card image cap
16-oct-2024

Ny fanotronan’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI

Card image cap
16-oct-2024

Niditra amin'ny fivoriana ara-potoana nanomboka omaly 15 oktobra ny antenimierampirenena.

Card image cap