airtel

Politique

04-nov-2024

Tany midadasika kasaina homena ny arabo

Ny nanonganana an-dRavalomanana no haverina…

Sample post image

Efa mandrimandry saina amin’ny bizina lehibe kasaina hatao eto Madagasikara ilay mpandraharaha mpanefoefo

04-nov-2024

Emirati Mohamed Alabbar, mpamorina ny vondrona Emmar, raha ny lahatsoratra navoakan’ny Arabian Gulf Business Insight, nosoaratan’i Megha Merani ny 30 oktobra teo. Mikendry fandraharahana lehibe any Madagasikara i Mohamed Alabbar, ka mamaritra an’i Madagasikara ho kianja fanaovana bizina lehibe manaraka ho azy. “Madagasikara no zavatra vaovao manaraka ao amin'ny fiainako,” hoy i Alabbar nandritra ny Fivoriana ho an'ny Fandraharahana hoavy tao Riyadh ny talata lasa teo, raha ny tatitr’io lahatsoratra io. “Fandraharahana tena lehibe io,” hoy izy, saingy tsy niresaka ny antsipirihany. Andaniny anefa, miharatsy ny resaka momba ny mety ho fifanarahana hatramin'ny nanambarany lahatsoratra tao amin'ny tambajotra sosialy tamin'ity volana ity taorian'ny fihaonany tamin'ny filohan'i Madagasikara Andry Rajoelina sy ny fiarahan’izy ireo tany amin’ny Nosy Mitsio any Nosy Be Hell Ville. Mbola baraingo sy manjavozavo amin’ny Malagasy ny fifanarahan’ny Fanjakana Rajoelina amin’ity mpanefoefo Arabo ity, ka betsaka ny ahiahy toy ny fivarotana na fanomezana tany midadasika ho an’io mpandraharaha arabo io. Efa niteraka resabe sy ahiahy, ohatra, ny resaka mandeha fa homena ampiasain’io ny 2000ha be izao amin’ny 3600ha amin’ny Nosy mitsio hananganana hotely kintana 5, seranam-piaramanidina,… Inona no tambiny sa kopaka isasahana eo aminy sy ny mpitondra ankehitriny rahatrizay tsy eo amin’ny fitondrana ? Nandritra ny roa taona lasa, voalaza fa nanambara ny fananany tetikasa lehibe tao Iraka, Hongria, Latvia, ary Kroasia ity mpanefoefo ity. Tamin'ny volana Jolay, nanao fifanarahana mitentina 3 miliara dolara mikasika ny fampiroboroboana ny sy fisintonana mpizahantany any Indonezia i Mohamed Allabar. Manjavozavo kosa io fifanarahana amin’i Madagasikara io, fa dia ambangovangony hoe : fandraisam-bahiny, fizahantany, fanamboarana fotodrafitrasa, angovo, indostria, fanodinana sakafo,…
NY NANONGANANA AN-DRAVALOMANANA NO HAVERINA ?
Tsy ny fiantsoana vahiny no olana, fa ny resaka manjavozavo sy sanatrian’ny vava ny bizina maloto sy fivarotan-tanindrazana na famatoran’ny mpitondra mandalo ny tany sy ny harenantsika amin’ny vahiny. Mbola fanontaniana mipetraka ohatra ny hoe : ankoatra ny mety hanomezana tany be an’i Mohamed Alabbar dia hohamafisina amin’izay ihany koa ve izany ny hanomezana 60 000ha ny arabo any Bas Mangoky hambolena vary, katsaka, sorgo,… izay efa nisy fifanarahana vonjimaika tany amin’ny jona 2021 ? Raha mampahatsiahy ny tantara, ny fampanofana tany tamin’ny orinasa Koreanina Daewo no isan’ny nanenjehana mafy sy nanonganana an’Atoa Marc Ravalomanana tamin’ny taona 2009. Nosokajiana ho mpamadika sy mpivarotra tanindrazana, ka tsy namelana raha tsy niongana, ary nopotehina hatramin’ny fananany. 15 taona aty aoriana, mety sy azo atao ary malalaka ve ny fanomezana tany ny vahiny ao anatin’ny tsy fangaraharahana ka toa ny arabo indray no efa mibitaka any an-tanindrazany fa Madagasikara no zava-baovao manaraka eo amin’ny fiainany ? Na dia manana loharanon-karena voajanahary sy harena an-kibon'ny tany tsy manam-paharoa aza i Madagasikara, dia miady amin'ny haavon'ny fahantrana ambony, miaraka amin'ny 81% amin'ny mponina 30 tapitrisa no miaina ambanin'ny fatran'ny fahantrana tamin'ny taona 2023, araka ny tatitry ny Banky Iraisam-pirenena notsiahivin’ny fampahalalam-baovao arabo ka moa tena tsara tantana sy mivadika ho hery ara-toekaren’i Mdagasikara ve ny harena eto sa tavanin’olombitsy ?
Toky R

Sary fanehoana
 

Dans la même rubrique

26-déc-2024

Nitohy ny 24 desambra iray andro nialohan’ny krismasy ny hetsiky ny vahoaka manohitra ny fitsimbadihan’ny

Card image cap
26-déc-2024

Sarintsarim-pitoniana politika no misy ankehitriny ao anatin’izao vanim-potoanan’ny fety izao fa tsy tena misy ilay « trêve politique».

Card image cap
26-déc-2024

Tsy ny mpisehatra politika ihany no manao fanambaràna izao, hoy ny Randrana sendikaly,

Card image cap
26-déc-2024

Fomba fiady politika nampiasaina tato ho ato indray ny fampiasana horonam-peo sy horonan-tsary atambatambatra

Card image cap
24-déc-2024

Tsy mankato sy tsy hanaiky ny voka-pifidianana azo tamin’ny halatra sy hosoka izahay ary tsy maintsy hijoro",

Card image cap
24-déc-2024

toeran’ny mpanohitra sy ny mpitondra!»

Card image cap