fa indrindra ny fitantanana ny lafin-tany ankehitriny ny mikasika ny ben’ny tanàna sy mpanolontsaina monisipaly izay tapitra tanteraka omaly 10 janoary 2024 ny fe-potoana hiasany. Araka ny andininy faha-52 amin’ny lalàna fehizoro 2018-008 tamin’ny 10 may 2018 mikasika ny fifidianana sy ny fitsapankevi-bahoaka, dia amin’ny vanim-potoana main’andro (31may-30 novambra) no tokony hanaovana ny fifidianana raha tsy misy toe-javatra tsy azo hanoharana (Cas de force majeure) araka ny fahitan'ny CENI azy. Tapitra anefa ny taom-piasana ka tokony « Cas de force majeure » izany, ary ka tsy tokony hiandry, hoy ny mpandinika. Araka izany dia tokony hanome daty haingana any any amin’ny governemanta ny CENI mba hahafahan'ity farany mandray didim-panjakana fanaikana ny mpifidy izay 90jours raha ela indrindra mialoha ny datim-pifidianana araka ny andiny faha-51 amin’ilay lalàna voalaza etsy ambony ihany, izany hoe tokony aprily na may izany farafahatarany ny fifidianana, raha io fanehoan-kevitra io. Efa nolanian’ny loholona ny 13 desambra teo ny volavolan-dalàna manalava ny taom-piasan’ny ben’ny tanàna sy mpanolontsaina ho 5 taona fa tsy 4 taona intsony. Efa nandalo tao amin’ny asam-baomiera tao amin’ny parlemanta izy io. Tsy tokony ho «rétroactive» velively anefa io lalàna io ka hampiharina hampiharina amin’ireo ben’ny tanona sy mpanolontsaina am-perin'asa izao fa ho an’ireo izay ho voafid amin’ny fifidianana manaraka eo. Fomba fiasan'ity Fanjakana tsy tan-dalàna ity anefa ny maka fanapahana botolo ka sanatria mety handray didy hitsivolana na « Ordonnance » amin’ny alalan'ny Minisitra i Andry Rajoelina hampiasa ny andininy faha-55 amin’ny lalàmpanonorenana ka hanao amboletra hanalava ny fotoam-piasan’ireo ben’ny tanàna sy mpanolontsaina ka hampihemotra ny fifidianana amin’ny faran'ny taona 2025 na koa handroso mialoha ny fifidianana depiote ? hoy ny fanamarihana. Efa nisy mantsy fotoana naka didy hitsibolana (2019-006 tamin’ny 28 may 2018) izy tamin’ny vao lany filoha mikasika ny antenimierandoholona ary nankatoavin’ny parlemanta izany taty aoriana tamin’ny lalàna 2020-012 rehefa lany izy ka nahazo maro an’isa tamin’ny fifidianana depiote, hoy ny fampahatsiahivana. Telo ihany mantsy ny lalàna na didy hitsivolana « retroactives » dia ny Lois interprétatives(Lalàna manazava ireo lalàna efa misy raha tsy dia mazava), ny Lois de validation(Lalàna manamafy ny lalàna efa misy) ary ny Loi pénale plus douce ny filaza azy (Lalàna manamaivana ny sazy voalaean'ny Lalàna efa misy), hoy ny fanazavan’ny mpahay lalàna.
Toky R
Nitohy ny 24 desambra iray andro nialohan’ny krismasy ny hetsiky ny vahoaka manohitra ny fitsimbadihan’ny
Sarintsarim-pitoniana politika no misy ankehitriny ao anatin’izao vanim-potoanan’ny fety izao fa tsy tena misy ilay « trêve politique».
Tsy ny mpisehatra politika ihany no manao fanambaràna izao, hoy ny Randrana sendikaly,
Fomba fiady politika nampiasaina tato ho ato indray ny fampiasana horonam-peo sy horonan-tsary atambatambatra
Tsy mankato sy tsy hanaiky ny voka-pifidianana azo tamin’ny halatra sy hosoka izahay ary tsy maintsy hijoro",