airtel

Politique

26-déc-2024

Taorian’i Tahina R sy Tojo R

Depiote 2 lasibatry ny horonam-peo sy sary namboamboarina

Sample post image

Fomba fiady politika nampiasaina tato ho ato indray ny fampiasana horonam-peo sy horonan-tsary atambatambatra

26-déc-2024

mba hamelezana izay tiana hasiana. Niparitaka indray omaly ny horonam-peo nentina nilazana fa mikononkonona korontana ny depioten’Arivonimamo Rajerison Antoine sy ny depioten’i Toliara I Randrianasoloniaiko Siteny. « Tratra ny fikasana hanakorotana ataon'ny depiote Siteny sy depiote antoine FIVOI avy ao arivonimamo. Toy izao ny tetika fikasana hanakorotana,... Mody tapahana hoy ny depiote Antoine ny Radio dia tezitra ny olona dia raikitra ny korontana. Siteny no hanome ny vola », hoy io ny ampahan’ny serasera naparitaka eraky ny tambajotran-tserasera. Nanambara avy hatrany kosa ny depiote Rajerison Antoine fa feo natambatra miresaka ady amin’ny asan-dahalo no ninina naparitaka tamin’ny tambazotran-tserasera… « Tsara ny mampahafantatra antsika fa misy feo niniana naparitaka any manambatra ny feontsika miresaka ady amin'ny asan-dahalo izay nilazako fa tokony omena fitaovam-piadina ny isam-pokotany hiadiana hanoherana dahalo fa tsy tanam-polo fa tsy vitan'ny mpitandro filaminana ny miaro ny omby sy ny olona amin'ny kidnapping isambaravarana ka tokony hatsangana ny "autodéfense vilageois".Niresahako ihany koa mahakasika ny fanapahana ny Radio Fivoarana nataon'ny fanjakana izay tsy ekena tamin'ny fotoanan'ny deputation. Nisy niezaka manambatra izany ka nanaovany zavatra tsy marina avy any ambadika any. Manomboka matahotra antsika ny sasany dia mamorona ny tsy misy. Averiko mahitsy fa tsy miaraka amin'iza na amin'iza ny FIVOI fa manana ny azondamosiny ary manana ny foton-kevitra hijoroany ihany koa. Tsy fotom-bola na foto-tseza no manosika anay fa foton-kevitra. », hoy ny depiote Rajerison Antoine. Manomboka misongadina sy manana tanjaka politika ny FIVOI dia mandeha ny kapa ranjo ? Tsy vao sambany ny filalaovana horonan-tsary sy horonam-peo namboamboarina na «montage video » nezahina namotehana sy nandotoana olona ara-politika tahaka an’io, fa mety mbola tsaroan’ny rehetra ny nanaovana izany nentina nanaratsiana ny kandida Tahina Razafinjoelina nandritra ny fampielezan-kevitry ny fifidianana ben’ny tanàna teto Antananarivo. Nolazaina fa nanaratsy ny kandida iray tamin’ny resaka rôrô kanefa horonam-peo namboamboarina, kanefa dia novoizina mafy ary totoafo ny fanenjehana an-jambany natao an’io kandida io. Nisy ihany koa ny voalaza fa fanamboamboarana horonam-peo sy sy horon-tsary notapatapahana mikadika ny kandida Tojo Ravalomanana,… Ny rehetra no mety afaka hamoaka tsoa-kivitra hoe : avy aiza izany no mety ho loharanon’ireny ? Mila mailo sy mandinika ny rehetra eo anatrehan’ny mety ho fisiana kajikajy politika entina hanenjehana na hasoketana olona amin’ny politika tahaka itony.
Toky R

 

Dans la même rubrique

26-déc-2024

Nitohy ny 24 desambra iray andro nialohan’ny krismasy ny hetsiky ny vahoaka manohitra ny fitsimbadihan’ny

Card image cap
26-déc-2024

Sarintsarim-pitoniana politika no misy ankehitriny ao anatin’izao vanim-potoanan’ny fety izao fa tsy tena misy ilay « trêve politique».

Card image cap
26-déc-2024

Tsy ny mpisehatra politika ihany no manao fanambaràna izao, hoy ny Randrana sendikaly,

Card image cap
24-déc-2024

Tsy mankato sy tsy hanaiky ny voka-pifidianana azo tamin’ny halatra sy hosoka izahay ary tsy maintsy hijoro",

Card image cap
24-déc-2024

toeran’ny mpanohitra sy ny mpitondra!»

Card image cap
24-déc-2024

Mafampana ny toe-draharaha ao Toliara amin’izao fotoana izao noho ny raharaha voka-pifidianana.

Card image cap