Ny FEC raha ny tantara tsotsotra, dia niainga avy amin’ny IPPTE (Initiative pour les Pays Pauvres très Endettés) tany amin’ny taona 1996, izany hoe: tohana ara-bola ho an’ireo firenena mahantra fadiranovana sy tena bokan-trosa ka ny FMI sy ny Banky Iraisam-pirenena no tompon-kevitra tamin’io. Io no nivadika ho FEC mba hanalefahana kokoa ilay voambolana. Tohana ara-bola hanentsenana ny toe-bolan’ny firenena io mba hoenti-mitazon’aina eo anatrehan’ny fahantrana sy faharefoana ara-toekarena, ny tsy fahampiana ara-bola, sandam-bola, ny krizy,… Tsy azo hireharehana ny fahazoana azy, fa ny fahaiza-mitantana ialana ao anatin’ny firenena fadiranovana no tokony himasoana, raha mpitondra tena tonga saina sy hampandroso. Toa ireo famatsiam-bola fitserana sy pitipitiny sisa antenaina hitazonana aina eto amin’ny firenena, toy io FEC manodidina ny 30 hatramin’ny 60 tapitrisa dolara eo ho eo io, ilay tohana ara-bola na “aide budgétaire” 100 tapitrisa dolara avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena,… Mifanipaka tanteraka amin’ny nambara tamin’ny propagandy 2018 hoe: tsy mila ireo mpamatsy vola mahazatra satria tampina ny daomy vao tsy misy an’ireo. Tsy ny fitrosana no ratsy, fa ny fahaiza-mampiasa azy hitera-bokatsoa sy hamorona harena, saingy ny antsika toa matetika tari-drano an-kilahila raha tsy hilaza afatsy ny vola azo tamin’ny covid-19 manodidina ny 1 miliara dolara. Tsy tena mahay mandresy lahatra ireo mpiara-miombon’antoka ary tsy dia atokisana ihany koa anefa ity fitondrana ity. Nahoana ny olona no mahazo amina miliara dolara fa ny antsika an-tapitrisany? Ny sary ankehitriny ihany koa dia maneho fa toa poakaty ny IEM nandresen-dahatra ny mpifidy, tsy misy tena tetikasa goavana mandeha, tsy hita taratra ny « programme-pays » na tena vina sy programan’asa ho an’ny firenena efa narahina drafitra matipaika toy ny ara-bola sy ara-panatanterahana, fa miainga amin’ny kitaitaitra na aingam-panahy mandalo sy santionan-javatra. Efa asa fanao mahazatra ny hopitaly, sekoly, làlana,… fa ny fivoaran’ny fiainam-bahoaka no hitarafana ny fandrosoana. Ny resaka angovo, raha 400MWH no nampanantenaina dia ny olana no vao mainka nihombo ary toa politikan’ny vonjy tavanandro sisa no hitondrana azy,… Ny sosialy sy toekarena efa tsy voafehy intsony, mandalo krizy ara-bola, mandeha an-jambany sy arakaraka ny zava-miseho eny an-dàlana no hitondrana firenena. Porofo mivaingan’ny fihemoran’ny firenena ny tahan’ny fahantrana nitombo manodidina ny 10% latsaka kely tao anatin’ny 5 taona satria efa 81% izy izy izao, raha 72% teo aloha,…
Toky R
Miantso ny mpomba an’i Tojo Ravalomanana mba hanao fety fa aminay dia efa mandresy
Nisy fisondrotany 30 ka hatramin’ny 100% ny vidin’entana eny an-tsena tato anatin’ny 5 taona. Tena voakasika mivantana amin’io ny sakafo toa ny vary , hena,
Kaominina miisa 427 izany hoe 25,2 %n’ny kaominina eto Madagasikara no nahitana mpifidy nampiasa
Lehiben’ny fokontany mihoatran’ny 20 isa no tratran’ny mpifidy, ny mpanara-maso na «superviseur»
Mandray fitarainana samihafa toy ny tsindrihazolena, fanararaotam-pahefana,…