ny lalàmpanorenana na ny HCC Atoa Florent Rakotoarisoa omaly, nandritra ny fihaonan’ny HCC sy ny OIF na ny Rafitra iraisam-pirenena momba ny Frankofonia. Nilaza hikapoka mafy ireo minia tsy manara-dalàna mialoha ny HCC, hanao ny tsara kokoa mihoatra tamin’ny fifidianana filoham-pirenena,… Nampitandrina ireo mikasa hangala-bato, mampiasa fananam-panjakana sy fitaovam-panjakana,… izay mety hiafara amin’ny fanatsoahana ny firotsahana hofidiana, fanafoanana vato, ary mety ho tonga amin’ny fanenjehana ady heloka. « Mampitandrina aho izany amin’ny fifidianana ho avy izao e ! Araka ny fitenintsika Malagasy, ka izay manao vinany eo ka manao resaka tsy fahamarinana, fangalaram-bato, mampiasa fitaovam-panjakana sy fahefam-panjakana,… dia hikapoka mafy dia mafy izahay mba hijanonan’izany fomba ratsy izany mba hisian’ny fifidianana tena madio », hoy Atoa Florent Rakotoarisoa. « Eto aho dia manao antso avo, basy atifi-kavana ka arangaranga, fa amin’izao fotoana izao aho izao dia manao fitoriana amin’ny lafiny ady heloka ireo izay nanao ny tsy nety tamin’ny fifidianana filoham-pirenena farany teo satria misy ady heloka izy ireny ka tsy maintsy henjehina, ka efa manao io fitoriana io aho», hoy hatrany ity farany. Miantso ihany koa ny hitondrana porofo raha misy ny tsy mety ataon’ny HCC, ka ho an’ireo mpanaratsy, miangavy, raha misy tsy mety ataonay dia mitondra porofo, hoy ity farany izay nilaza fa tena manao ezaka hampadio ny fifidianana raha ny asa ataon’izy ireo.
TENA HIADY SA MAMPANDRY ADRISA ?
Somary mampametra-panontaniana ihany na izany aza ny fihetsiky ny HCC hoe : taiza ny fampiharan-dalàna hatramin’izay ? Iza izany ilay toriana any amin’ny Fitsarana ady heloka ? Moa mba efa nisy sazy nampiharin’ny HCC teo anatrehan’ny endrika fandikan-dalàna sy fanitsakitsahana ny lalàmpanorenana ve nataon’ny mpitondra ankehitriny indrindra ny filoham-pirenena? Ireny niaraha-nahita ireny ny adihevitra momba ny maha vazaha an-taratasy ny Filoha ankehitriny, saingy noboriboriana tamin’ny hoe : ny dosie tonga eo am-pelantanany no jereny. Ireny niaraha-nahita ireny anefa ny zava-nitranga tany Sénégal, izay tsy nitsitsy teo anatrehan’ireo kandida izay tsy nanaja fepetra, izay nisy nogadraina mihitsy rehefa nilaza fa efa tsy mizaka ny zom-pirenena vahiny hafa intsony, kanefa fanambarana diso. Tahaka izany ihany koa ny kandida efa nanaisotra ny fizakany zom-pirenena vahiny, saingy tsy noraisina satria diso paikandro,… Betsaka ny endrika fandikan-dalàna taorian’izay toy ny tsy fanajana ny tsy fitanilan’ny fitantanan-draharaham-panjakana tamin’ny politika izay voararan’ny andininy faha-39 amin’ny lalàmpanorenana, saingy tsy dia tena hitan’ny radaran’ny HCC ? Betsaka ny endrika nisehoan’ireny raha tsy hilaza afatsy ny sefom-pokontany nosalorana t-shirt orange tany Atsimo, ny fanerena ankolaka ny mpiasam-panjakana hiditra anaty antokon’ny volomboasary izay nisiana fitarainana maro, ny fizarana zavatra novidiana tamin’ny volam-panjakana hoentina amin’ny anaran’ny antokon’ny mpitondra, ny ahiahy tamin’ny voalazan’ny kandida sasany fa nisy fampiasana angidimbin’ny tafika tamin’ny propagandy,… Firifiry ireo fitoriana mikasika ny fifidianana filoham-pirenena farany teo sy ny teo alohany, saingy ny mpitory indray no nanesorana ny vato azony. Dia tena tsy mahay lalàna ve ireo ekipana mpahay lalàna nampiasain’ireo kandida nandrafitra ny fitoriana samihafa ? Raha mbola handray ohatra hafa, dia ny fitoriana nataon’ireo depiote teo anatrehan’ny fitsipahana ny fitsipaham-pitokisana ny Praiminisitra, izay nisy tamin’ny alalan’ny Filankevitra ambony momba ny fampananjana ny demokrasia sy ny Fanjakana tan-dalàna na ny HCDDED fa moa noraisin’ny HCC ? Moa tsy nambara fa tsy nahafeno fepetra ny fitoriana ? Endrika toa nanamafy ireny, fa tsy dia misy zavatra firy azo antenaina amin’ny HCC. Sa izay lasa homba ny lasa fa izao vao ho avy masiaka rehefa vitan’ny mpitondra ankehitriny ny nanao ny sitrapony tamin’ny fifidianana filoham-pirenena ? Sao mba fampandriana adrisa tahaka ny efa fahita sy fandre ?
Toky R
Miantso ny mpomba an’i Tojo Ravalomanana mba hanao fety fa aminay dia efa mandresy
Nisy fisondrotany 30 ka hatramin’ny 100% ny vidin’entana eny an-tsena tato anatin’ny 5 taona. Tena voakasika mivantana amin’io ny sakafo toa ny vary , hena,
Kaominina miisa 427 izany hoe 25,2 %n’ny kaominina eto Madagasikara no nahitana mpifidy nampiasa
Lehiben’ny fokontany mihoatran’ny 20 isa no tratran’ny mpifidy, ny mpanara-maso na «superviseur»
Mandray fitarainana samihafa toy ny tsindrihazolena, fanararaotam-pahefana,…