Sections de Recensements de Matériels de Vote) sy Filohan’ny CED (Commission Electorale de District), ary « chef d'antenne » izay hikirakira fifidianana no nosoloina. Manembatsembana ny Fanjakana amin’ny fampandaniana ny kandida avy amin’ny antokon’ny fitondrana na « kandidam-mpanjakana » araka ny fitenin-dRtoa Harilala Ramanantsoa ho Ben'ny tanàna ? Isan'izany ny tao Tamatave I, Tamatave II, Moramanga ary Miandrivazo. Ny tao Moramanga izay tsiahivina fa toa misy toe-javatra hafahafa hatrany satria raha tsiahiavina ny fifidianana ben’ny tanàna farany, dia lany ny kandidan’ny Antoko TIM, saingy nofoanana ny fifidianana na tsy nisy fitoriana aza. Tsy nanana ben’ny tanàna tao anatin’ny 5 taona. Nandeha indray ny fifidianana depiote, dia nisy ny endrika fitsimbadihana vokatra ka lasa poa-droa ny IRMAR izay toa nisy fifanarahana ka nanaiky mora fotsiny ilay kandida laharana faharoa ? Ny tranga hafa, voalaza fa nosoloina tampoka ihany koa ny Filohan’ny SRMV tao Miandrivazo izay misy ny fanamarihana fa olona efa tena za-draharaha amin’io asa io, saingy nosoloina olona izay tsy mbola nanao io asa io akory na dia efa nisy fanapahan-kevitra nivoaka aza ny fanendrena azy. Tahaka izany koa ny « chef d'antenne » ao Miandrivazo, hoy hatrany ny fanamarihana. Ahiana ho misy ifandraisany amin’ny fahalania'ny kandidan’ny Vondrona Firaisankina ho solombavambahoaka farany teo. Mbola ao anatin’ny Faritra Menabe ihany, dia nisy ihany koa ny fanoloana sefom-pokontany 12 be izao amin’ny 18 ao amin’ny Kaominina Morondava Renivohitra. Voalaza fa fokontany tsy dia nahazoan’ny kandidam-panjakana vokatra tamin’ny fifidianana solombavambahoaka farany teo ireo, ka mampanahy hatrany ny mpanara-baovao sy mametraka ny ahiahy hoe : tetika hoentina mampandresy kandidam-panjakana amin’ny fifidianana ben’ny tanàna hatao ny 11 desambra izao ?
HATAO FITAOVANA NY FOKONTANY ?
Anaty rafitra eo ambany fiahian’ny Prefektiora sy ny distrika ny fokontany, tafiditra amin’ny rafitry ny fitantanan-draharaham-panjakana tsy tokony hiadany ara-politika araka ny voalazan’ny andininy faha-39 amin’ny lalàmpanorenana, saingy tsy izay aloha no mitranga. Ny fokontany izay mahalala ny pitsopitsony samihafa sy ny toetoetry ny mpifidy ka sao hatao fitaovana hangalaram-bato ? Eto Antananarivo aza dia misy sefom-pokontany toy ny iray ao amin’ny Boriborintany faha-4 milaza fa hotapahana ny fanampiana sitrahan’ny vahoaka amin’ny alalan’ilay vola zarain’ny FID raha tsy manohana kandidan’ny TGV. Efa nisy mpisitraka fanampiana nitaraina ho rahonana atao an’izany ihany koa tao amin’ny Boriborintany faha-5 tamin’ny fifidianana depiote. Terena sy ambakaina amin’ny tsy fahalalany ny olona ! Vola izay tsy volan’antoko na volan’ny filoham-pirenena, fa tohana ara-bola avy amin’ny mpiara-miombon’antoka dia ny Banky Iraisam-pirenena, fanampiana amin’ny anaran’ny Firenena Malagasy, saingy mivadika ho fananan’antoko sy entina atao fitaovana politika hampandaniana ny « kandidam-panjakana ». Hatao lalao maloto hatrany ny fifidianana ? Manao ahoana ny fandraisan’andraikitra avy amin’ireo rafitra samihafa ? Manao ahoana ihany koa ny setriny amin’ny fitakiana mangarahara toy ny fahafahan’ny kandida misitraka ny lisi-pifidianana ara-dalàna izay tafiditra anaty zo sy fenitra ny fifidianana maneran-tany ?
Toky R
Efa ela no nitolomantsika, vao tamin’ny herintaona no nisy naratra, nisy nogadraina tamin’ny hetsika,
Tsy hoe zava-baovao no atao ankehitriny fa fanohizana ny tolona natomboka ny taona 2023,
tafa, niavaka, tsy fahita firy, vina sy faharesen-dahatra, hita hoe mila fanovanatokoa ny olona. Maro be no tonga kanefa tsy nisy nosandaina
Eto Antananarivo no fiantombohan’ny fanovana, ary isika tsy hanaiky hataon’ny olona lafika intsony.
Tsy vaky ny Kolekitifa an’ny Malagasy ary manohana an’i Tahina Razafinjoelina avokoa !
Naneho ny heviny sy fijeriny mikasika ny fifidianana ben’ny tanàna eto Antananarivo Renivohitra i Andry Herinjaka