airtel

Politique

12-sept-2024

Teti-dratsy ara-politika sy ara-pifidianana

Tsy ho raikitra na ho kandida tokana ny ankamaroany…

Sample post image

Miditra amin’ny herinandro faharoa androany ny fotoana hahafahan’ireo kandida ben’ny tanàna sy mpanolotsaina

12-sept-2024

mandrotsaka ny antontan-taratasy firotsahan-kofidiana, saingy miharihary ny tsy faharisian’ireo kandida. Herinandro sisa ananana satria hifarana amin’ny 19 septambra ny fandraisana ny dosien’ireo kandida handray anjara amin’ny fifidianana hatao ny 11 desambra. Miandry ora farany sa misedra olana ? Zara raha misy kandida satria mbola latsaky ny 10 ny kandida manerana ny Nosy voarain’ny CENI teny anivon’ireo OVEC, raha ny notaterin’ny fampahalalam-baovao iray omaly. Mahatratra 1695 anefa ny kaominina manerana ny Nosy. Anisan’ny antony ny fahasarotana samihafa satria mahatratra 14 ny dosie ilaina izay tena betsaka no maneho fa manahirana toy ny taratasin-ketra, ny « bulletin N3 », ny fanamarinana ny zom-pirenena,… ary manampy trotraka izany ny anto-bola izay nampitomboin’ny governemanta. Ny fahefana mpanatanteraka izay sady manana mpifaninana no manao ny fitsipi-dalao ka manao ny kajikajy rehetra hahakivy ny mpifaninana, izay « candidat farfelus » no nanasokajian’Atoa Andry Rajoelina izany tamin’ny fifidianana Filoham-pirenena. Na ny eo anivon’ny CENI aza vaky vava amin’io fahasarotana amin’ny fandrafetana ny antontan-taratasy io, nandefa fangatahana na « requête » any amin’ny Fanjakana mba hanamorana ireo dingana hahazoana ireo antontan-taratasy toy ny eny amin’ny sampan-draharahan’ny hetra sy ny trinonaly noho izany ny CENI, hoy hatrany io fampahalalam-baovao io. Iniana gafiana sy kiviana ve ireo mety ho kandida maro atahorana satria fifidianana tena manakaiky vahoaka ity kanefa tena miantraika any am-bilanin’ny vahoaka ny tsy fahombiazan’ny fitondrana? Na ny antokom-panjakana aza toa tsy rototra firy toy ny eto an-dRenivohitra izay tsy fantatra izay kandidany hatreto. Sa kiviana sy hasarotina ny an’ny mpifanandrina fa hamoraina ny an’ny kandidam-panjakana ka betsaka ny kaominina mety ho lisitra tokana ihany ? Ny fanasarotana dia efa kajy maloto, fa mora ihany koa ny fanintsanana lisitra mba hanomezana vahana izay tiana ho lany. Ny ho avy no hamaritra izay mety hitranga, fa raha ny feo hatrany anaty Fanjakana aza rehefa misy ny adihevitra momba ny fifidianana, dia misy mamoaka hoe : « raha hisy fifidianana», izay toa maneho fa tsy manam-piniavana hanao fifidianana ny Fanjakana ? Mampanahy ny zava-misy hoe : tena hisy ve ny fifidianana amin’ny 11 desambra 2024 sa mety hihemotra na halefa ihany fa lisitra tokana no betsaka na koa mety hisy sarintsarina kandida hatao mody mifaninana amin’izay tiana ho lany ?
MIHA MITOTONGANA NY FAHAFAHA-MIROTSAKA
Marina fa aleo vitsivitsy misy horaisina toy izay be tsy andraofana, saingy miharihary fa mitotongana ny fahafahana mirotsaka ho kandida amin’ny fifidianana eto Madagasikara, hasarotina hatrany mba hanomezana tombony ny kandidam-panjakana. Efa sary nitranga tamin’ny fifidianana depiote farany teo io satria raha hiverenana dia kandida 468 tamin’ny 519 no nambara fa nahafeno fepetra, ka nitotongana efa manakaiky ny antsasa-manila ny afaka nandray anjara raha oharina amin’ny tamin’ny 2019 izay nahatratra 803. Betsaka no nanana olana raha tsy hilaza afatsy ny ara-bola, ka ny antokon’ny fitondrana ihany no tena naharakotra an’i Madagasikara. Tena miteraka vokany tsara amin’ny Firenena ve anefa ny kajikajy maloto sy ny fiezahana hanao ampihimamba politika ? Arakaraka ny fihazakazahana manao be fandroaka ny seza sy fahefana ve ny vokatra ho an’ny mpitondra ankehitriny sa vao mainka milentika ny Firenena ?
Toky R
Sary fanehoana
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Anisan’ireo fikambanana resy lahatra ny amin'ny vinan'ny Tahiana Razafinjoelina (TR) ny Tanora Miharisoa 67 ha

Card image cap
17-oct-2024

Mihamafy ny tsindry ho an’ny Fitondrana Rajoelina na efa mafy aza ny vesatra eo anatrehan’ny krizy ara-tsosialy

Card image cap
17-oct-2024

Mafampana hatrany ao Tsimbazaza ao anatin’izao fivoriana ara-potoana eo anivon’ny Antenimierampirenena izao.

Card image cap
16-oct-2024

Aok’izay, tsy atao sosety, tsy atao lafika izany intsony , tsy atao tohatra fiakaana izahay ambany tanana fa mila olona tena hitondra ny fanovana,

Card image cap
16-oct-2024

Ny fanotronan’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI

Card image cap
16-oct-2024

Niditra amin'ny fivoriana ara-potoana nanomboka omaly 15 oktobra ny antenimierampirenena.

Card image cap