airtel

Politique

21-août-2024

Tiavina Ratsimandresy

Hijoro hampandroso an’Ambohimangakely

Sample post image

Ela ny ela fa hijoro ho an’Ambohimangakely Avaradrano amin’izay Atoa Tiavina Ratsimandresy

21-août-2024

amin’ny fampandrosoana ity kaominina iray ity. Olona mpanetsika ireo tanora tao Ambohimangakely nandritra ny taona maro ny lehilahy. Sekretera jeneralin’ny tanora Tiako I Madagasikara tao Avaradrano ihany koa izy no sady efa mpikatroka TIM nanomboka tamin’ny taona 2013, izany hoe : fony izy vao 21 taona. Tsy nipetra-potsiny izy nandritra izany fa marobe ireo asa sosialy sy hetsika efa notanterahiny nentiny nanasoavana ny mpiara-belona. Anisan’ireny ny fikarakarana ny « cours » maimaim-poana ho an’ireo mpiadina niatrika ny fanadinam-panjakana Bakalorea tao Ambohimangakely, ny fikarakarana lalao ara-panatanjahantena ka nanolorana fanamiana sy omby mifahy ary baolina ho an’ireo nivoaka ho mpandresy. Tsy latsa-danja tamin’ireo ny fanentanana ny olom-pirenena mba handray anjara amin’ny latsa-bato isaky ny misy fifidianana tanterahina eto amin’ny firenena…. Anisan’ny mampiavaka an’i Tiavina Ratsimandresy moa ny fahaizany mikirakira ny lafiny nomerika sy ny fananany traikefa amin’ny fahaiza-mitarika. Tanjony araka izany ny hanatsarana hatrany ny fandraisan’ny olom-pirenena anjara amin’ny fampandrosoana ny firenena. Anisan’ireny ny fanatsarana ny fiainan’ny vahoaka ao Ambohimangakely iray manontolo, araka ny tarigetrany. Hohampivelarany ireo tetikasam-pampandrosoana efa natombony mba samy hisitraka izany avokoa ny isam-batan’olona ao anatin’ity kaominina iray ity.
Pati
Legende : Nandritra ny fanolorany ny loka ho an’ireo mpilalao nivoaka ho mpandresy tamin’ny tournoi izay nokarakarainy !
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Anisan’ireo fikambanana resy lahatra ny amin'ny vinan'ny Tahiana Razafinjoelina (TR) ny Tanora Miharisoa 67 ha

Card image cap
17-oct-2024

Mihamafy ny tsindry ho an’ny Fitondrana Rajoelina na efa mafy aza ny vesatra eo anatrehan’ny krizy ara-tsosialy

Card image cap
17-oct-2024

Mafampana hatrany ao Tsimbazaza ao anatin’izao fivoriana ara-potoana eo anivon’ny Antenimierampirenena izao.

Card image cap
16-oct-2024

Aok’izay, tsy atao sosety, tsy atao lafika izany intsony , tsy atao tohatra fiakaana izahay ambany tanana fa mila olona tena hitondra ny fanovana,

Card image cap
16-oct-2024

Ny fanotronan’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI

Card image cap
16-oct-2024

Niditra amin'ny fivoriana ara-potoana nanomboka omaly 15 oktobra ny antenimierampirenena.

Card image cap