hiady hiaro ny safidim-bahoaka ny kandida Roland Ratsiraka eo anatrehan’ny ambarany fa hosoka sy hala-bato nandritra ny fifidianana natao ny 11 desambra 2024 lasa teo. Hiroso amin’ny filaharana an-dalambe noho izany ity kandida ity sy ny vahoaka miara-dia aminy. « Ho fiarovana ny safidintsika, Roland Ratsiraka dia miantso antsika hanao diabe amin’ny sabotsy 18 janoary amin’ny 3 ora sy sasany eo amin’ny Saint Paul am-pilaminana no hanaovantsika izany », hoy ny fanentanana nataony nanomboka omaly. Hafana araka izany ny diabe hoenti-miaro ny safidim-bahoaka ao Toamasina ny sabotsy izao, raha io zava-mitranga io. Mitongilana ny fitsarana, betsaka ireo lehibena fokontany sy lehibena sampan-draharaha nanao amboletra tamin’ny hala-bato, hoy i Roland Ratsiraka nanamafy ny fahalotoan’ny fifidianana vao andro vitsy izay. Nametraka fitoriana ny lehiben’ny fokontany hatrany amin’ny 20 izay nambarany fa nangala-bato ary nahazoany porofo marobe kanefa tsy mbola nisy famotorana nandeha, tsy nisy fampiantsoana an’ireo sefom-pokontany. Malahelo izahay fa mitongilana ny tribonaly kanefa tokony hiaro ny vahoaka, hiaro ny lalàna, hiaro ny soatoavina Repoblikanina, hoy hatrany i Roland Ratsiraka. Misy ny fitoriana eo anatrehan’ny voka-pifidianana tamin’ny birao fandatsaham-bato vitsivitsy nataon’ny sefom-pokontany niaraka tamin’ny prefektiora, izay nambarany fa tratra ambodiomby izay nitakiana fanafoanana vaton’ny mpifanandrina. Nandiso ny filazana fa efa nandray volabe amina miliara ho fanekeny ny valim-pifidianana ihany koa i Roland Ratsiraka. Ny vokatry ny CENI izay mampandresy ny kandida IRMAR. Tsy maintsy itadiavana fandoana satria fantatr’izy ireo fa tsy mety resy. Tsy resaka vola, fa resaka toe-tsaina, ary mila fifidianana madio. Namnbarany hatrany fa tsy hiala ary tsy mihemotra raha tsy madio ny toe-tsaina ao Toamasina sy eto Madagasikara. Adidy amin’ny firenena no atao, fifidianana madio no tadiavina fa tsy zavatra hafa. Rehefa azonareo ny fitondrana, nadio ve Toamasina, ny làlana tsy misy raha manjary. Na faly na tsy faly ry zareo, dia maintsy hijoro hiady ho an’i Toamasina aho, tsy maintsy hiady hatramin’ny farany fa tsy ekena ny tanàna hiaina anatin’ny lainga sy tsy fanjariana, hoy hatrany i Roland Ratsiraka. Tsara ny mampahatsiahy fa efa nisy ny hetsika fidinana an-dalambe notarihin’i Roland Ratsiraka ny 14 desambra lasa teo, izay vahoaka maro be no namaly ny antso na teo aza ny mpitandro ny filaminana zavon-tany novononina handrava ny hetsika. Nandresy sy laharana voalohany i Roland Ratsiraka tamin’ny fifidianana depiote ary ny mpifaninana tamin’izany aza nisy tsy nirotsaka fa nisafidy ny hanohana azy. Andrasana izay hiseho ny sabotsy izao !
Toky R
Nafotaka ny fifampitorian’ireo samy kandidà ho ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra noraisina
Efa tany amin’ny taona 1913 no nanomboka ny lalàna momba ny fisaharahan’ny
Andrasana tsy ho ela ny voka-pifidianana eto Antananarivo Renivohitra taorian’ny fiakarana fampanoavana mikasika
Anatin’ny kihon-dàlana farany amin’ny fitsarana ny raharaham-pifidianana ireo Tribonaly misahana ny ady
Miantso ny mpitondra fanjakàna izay raiamandreny, hoy ny antoko politika Natiora.
Mitohy ny karazana kabary sy resaka hafahafa ataon’ny mpitondra, ka ny resaka fanonganam-panjakana tsy hisy