Henjana ny toe-draharaha ara-politika, toekarena, jeopolitika,… Ny fampiodinan-draharaha eto amin’ny firenena aza efa tena manahirana, fa manao tohivakana ny olana samihafa. Ny ara-politika miha malemy fa tsy mitombo tanjaka ny fitondrana. Ireo mpanohana ara-politika na ara-bola misy misintaka, betsaka no mety mbola hiala amin’ny ora farany satria fahita eto hatrizay ny tsy mitaingana soavaly maty. Eo anatrehan’ny sehatra iraisam-pirenena dia miharihary fa ratsiratsy toerana, ary mahita ny zava-misy eto ihany koa ireo. Efa miseho ny endrika fanomezan-damosina ataon’ny iraisam-pirenena na mandeha aza ny fomba firesaka diplaomatika anehoana fa manga ny lanitra,… Vao niainga tany amin’ny 2019 no efa tsy dia nipetraka ny fahamarinan-toerana ara-politika, saingy nekena hitantana ny firenena ny Fitondrana Rajoelina mba tsy hisian’ny korontana sy ny savorovoro. Nahiana rahateo ny mety ho fanakorontanana, nampiahiahy ny resaka fampidirana fitaovam-piadiana teto. Asa mbola paikady mitovy amin’izany ve ity resaka fiantsoana miaramila zazavao 4000 mialohan’ny fifidianana ity? Raha miverina amin’ny fifidianana 2019, isam-bato 55% no nahazoan-dRajoelina fandresena, saingy nahazo depiote tamin’ny salan’isa 80% teo ho eo avy eo, nahazo loholona 95%,… Tsy mety mitoetra anefa ny fahamarinan-toerana politika, ary raha ny fijerin’ny mpandinika ara-politika sady mpampianatra mpikaroka Atoa Ignace Randriamamizafy aza tany amin’ny septambra 2022, dia hoe: efa tonga amin’ny antsoina hoe: “point culminant" na toerana manahirana indrindra hampikoa azy ny fitondrana Rajoelina, ary dia tsy maintsy mijotso, hoy izy tamin’izany. Ny iafarany dia na izy miongana, na misy vahoaka midina an-dalambe sy krizy, na izy tsy lany amin’ny fifidianana filoha manaraka eo, hoy ny fanehoan-kevitra tamin’izany. Ny sary miseho ankehitriny aloha, dia toa mizotra amin’izany satria mihevaheva ny fananana maro an’isa ao Tsimbazaza nanomboka tamin’ny sonia 105 nitaky fanonganana governemanta, misy depiote misintaka ao anatin’ny volomboasary, ary lasa niaraka amin’olon-kafa, ary mahasahy miteny mihitsy fa betsaka ireo hitsimbadika hiaraka amin’izy ireo amin’ny fotoana ialan’ny Filoha ankegitriny raha ho kandida. Ny fitantanana miha mivaralila, mitombo ny olana, mihamafy ny krizy,…
TANTARA EFA NANDEHA
Raha ny tantara, sary efa niseho tamin’ny andron’ny Filoha Tsiranana sy ny PSD ny tahaka izao satria 98% ny depioteny, 80% ny loholona, ary efa ho 90% mahery ny ben’ny tanàna ny janoary 1972, saingy ny aprily dia raikitra ny grevy ary niongana ny may 1972. Ny Filoha Ratsiraka sy ny Arema ny 1989, dia voafidy 68% izy, nahazo depiote 90%, ben’ny tanàna 90%, kanefa nigreven’ny vahoaka ny taona 1991. Ny Filoha Ravalomanana sy ny TIM lany tamin’ny 54% ny desambra 2006, nahazo depiote 85%, loholona 95%, ben’ny tanàna 80%, kanefa raikitra ny grevy ny janoary 2009, ary niongana ny martsa 2009. Ny Filoha Rajaonarimampianina (HVM), lany 52% ny desambra 2013, lasa nanana vondrona parlemantera maro an’isa kanefa tsy nisy depiote HVM. Nahazo ben’ny tanàna 80% sy loholona 90%, fa raikitra ny grevy ny aprily 2018, ary zara fa nahazo 8% tamin’ny fifidianana Filoha 2018,... Hahavita fahagagana ahafahana mifikitra amin’io toerany io ve ny volomboasary ? Mafy ve nisy ohatran’ny Amiraly tamin’ny fotoan’androny na koa ny Filoha teo aloha Ravalomanana ?
Toky R
Miantso ny mpomba an’i Tojo Ravalomanana mba hanao fety fa aminay dia efa mandresy
Nisy fisondrotany 30 ka hatramin’ny 100% ny vidin’entana eny an-tsena tato anatin’ny 5 taona. Tena voakasika mivantana amin’io ny sakafo toa ny vary , hena,
Kaominina miisa 427 izany hoe 25,2 %n’ny kaominina eto Madagasikara no nahitana mpifidy nampiasa
Lehiben’ny fokontany mihoatran’ny 20 isa no tratran’ny mpifidy, ny mpanara-maso na «superviseur»
Mandray fitarainana samihafa toy ny tsindrihazolena, fanararaotam-pahefana,…