airtel

Politique

02-nov-2023

Toe-draharaham-pirenena

Nifandinika lalina ireo kandida sy ny PAN

Sample post image

Nisy ny fihaonana teo amin’ireo Firaisankinan’ny kandida ny Filohan’ny Antenimimierampirenena na ny PAN Rtoa Christine Razanamahasoa

02-nov-2023

ny talata 31 oktobra 2023 teo nentina nifampidinihana sy nifakakalozana hevitra momba ny raharaham-pirenena. Tsy nisy rahateo ny diabe, fa natokan’ny kandida nifampiresahana tamin’ny herivelona samihafa tao anatin’ny roa andro. Ny fihaonana tamin’ireo Firaisankinan’ny kandida izay nanao fangatahana ary amin’ny maha Lapan’ny demokrasia ny antenimierampirenena, dia misokatra ho an’ny rehetra tsy ankanavaka ny varavarana, hoy io Filohana andrim-panjakana io. Nambarany fa efa misy ny fanelanelanana parlemantera karakarain’ny Antenimierampirenena eo anatrehan’ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny. Eo anatrehan’ny mety ho fanozongozonana sy fanonganana eo anatrehan’ny fandraisana sy firesahana tamin’ny Firaisankinan’ny kandida, dia nahitsy Rtoa Christine Razanamahasoa nilaza fa, amin’ny maha mpandala ny demokrasia sy tany tan-dalàna ny tenany, dia nahitsy ny tenany fa tsy manana fanahiana satria ny marina sy ny ara-dalàna ary ny mangarahara no manjaka mba ho fanajana ny demokrasia. Tsy nisy moa ny tatitra tamin’ny antsipirihany momba io fihaonana io. Tsara kosa no mampahatsiahy, fa tapa-bolana teo ho eo izay no efa nitondra fanairana ny ity Filohana andrim-panjakana teo anatrehan’ny herisetra sy fanitsakitsahana ny zo maha olona fa tsy azo ekena ny herisetra, tokony hajaina ny tany tan-dalàna,… Isan’ny nambarany tamin’izany fa tena mafampana ny toe-draharaha ary mikitaontaona ny làlana hizorana any amin’ny fifidianana, izany hoe: tsy milamina sy tsy marin-toerana, ary tsy azo antoka ho fifidianana madio sy mangaraharaha ary eken’ny rehetra raha raisina amin’izany sy io hita taratra amin’ny adihevitra politika io. Taorian’io dia nijoro ireo Filoha lefitry ny antenimierampirenena miisa telo nanao fanambarana nanohitra ny voalazany sy nanenjika azy ary ny fampahalalam-baovaon’ny fitondrana dia nilaza azy ho lasa adala noho ny fahefana. Tsara anefa no manamarika fa ny antenimierampirenena sy ny filohany no andrim-panjakana sy filohana andrim-panjakana tena ara-dalàna sy marin-toerana na “légitime” amin’izao fotoana izao satria ny governemanta efa niaraha-nahalala ny momba azy, ny antenimierandoholona mahabe resaka hatramin’ny nanonganana ny Filohany teo aloha, ny HCC malaza ho mitanila sy tsy azo antoka ary io hisiana tsy fitovian-kevitra anatiny io,… Asa hanao ahoana ny ho tohin’ny raharaha eo anatrehan’ity fanelanelanana parlemantera ity satria tsaroana tsara ihany koa ny fananganam-bovona nataon’ny Praiminisitra, fa ny CENI ihany no rafitra tokony ho afaka manelanelana?
Toky R 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

fa kosa tsy azo atao ny mangina sy mikipy eo anatrehan’izao fahapotehana maro lafy izao.

Card image cap
22-oct-2024

Tao anatin’ny herinandro latsaka kely nanombohan’ny Asa Maharitra ho an’Antananarivo na AMA

Card image cap
22-oct-2024

Tsy zava-baovao ny fihetsiketsehan’ny mpanao politika mialohan’ny fampielezan-kevitra tahaka izao,

Card image cap
22-oct-2024

Taorian’ny Kaominina Alasora Avaradrano dia fantatra fa efa ahitana ilay lalao maloto momba ny fifidianana

Card image cap
21-oct-2024

Feno herintaona ny nisian’ny vondron-kery manokana vonjy taitra GFSI (Groupement des Forces Spéciales d’Intervention)

Card image cap
21-oct-2024

Tsy fampanantenana sy toky fitaka hatrany no ilaina, asa no ilain’ny vahoaka fa tsy fampanantenana poakaty, hoy ny kandida Tahina Razafinjoelina ny sabotsy teo,

Card image cap