dia ahoana izany ilay diabe am-pilaminana sy ny tolon’ny « Collectif des candidats » ? Mbola hivatsy soflera hitety tanàna ihany ve ? Inona no paikady manaraka ?
HASIN’NY FIANDRIANAM-PIRENENA
Raha ny resaky ny vondron’ny kandida farany teny Andohan’i Mandroseza aloha dia mitovy ny tolona ary efa mivelatra kokoa aza izany satria tsy resaka hoe fanoherana olona iray, na antoko iray izy ity ; tsy resaka hoe fifidianana sy voka-pifidianana fotsiny intsony fa efa tena ady ho amin’ny famerenana ny fiandrianam-pirenena mihitsy. Efa resaka hatrany amin’ny fanombohan’ny tolona notarihan’ny vondron’ny kandida ny hoe : tsy ekena ny vazaha atao filohan’ny repoblika, ilay fiandrianam-pirenena sy hasin’ilay firenena mihitsy no voahosihosy. Tsy resaka hoe taratasy na karatra 8 santimetatra fotsiny io fa tena iankinan’ny ain-dehiben’ny firenena mihitsy. Ilay tompon’andraikitra voalohany ve no nanao fianianana kosa fa hiaro ny tombotsoan’ny firenen-kafa. Izay mantsy ilay fahazoana zom-pirenena Frantsay avy amin’ny alalan’ny « naturalisation », misy takalony fa tsy hoe omena fotsiny dia samy vita.
TSY MISY MAFY TSY LAITRY NY ZOTO
Nanomboka nivoaka ary niparitaka be tato anatin’ny iray volana teo izao ny resaka hoe mpanjanaka, ady ho an’ny taninjanaka, ady ho an’ny tanindrazana, fanohizana ny tolona nataon’ireo mahery fo tia tanindrazana tamin’ny 1947. Tena misy ny Malagasy mahatsiaro marary mahita ny zava-misy, maro ireo manahy fa raha izao no mitohy dia hisy teratany vahiny, ambara fa mizaka ny zom-pirenena Malagasy an-taratasy koa izay mety ho kandida filoham-pirenena eto ary handeha indray ny tosika fampandaniana.Tsy mora ny mitolona, mafy izany manao revolisionina izany, tena tsorina ny resaka fa tsy vita ao anatin’ny enim-bolana izany fa tena mila miady, mitolona ary maharitra hoy ny raim-pianakaviana iray izay efa niaina ny zava-nitranga teto amin’ny firenena ny taona 1991, 2002, 2009, 2018 ary izao 2023 izao. Tsy mora ny maka ny nofon-kena an-tanan-tsaka. Fa rehefa atao kosa dia vita, ny tsirairay no tena mila resy lahatra, tsy maintsy misy mpitarika mahira-tsaina sy mahery ihany koa aloha fa tsy hoe alefalefa fotsiny eny ny tolona. Masiaka ny sakay fa rehefa teny ierana telina ihany ; rehefa matanjaka ara-tsaina mandritra ny fitsaboana dia efa sitrana amin’ny ampahany; tsy misy mafy tsy laitry ny zoto. Fomba fiteny tsy zoviana amin’ny maro ireo, mahafintina ny toe-tsaina mila ananana hiatrehana ny ho avy. Ny Malagasy ihany no manapa-kevitra hanova an’i Madagasikara fa raha miandry ny hafa dia tena ho lasa omby mijery flôra eto fotsiny sisa ; tompony mangatak’atiny. Tsy mandany andro mifanontany sy mifanome tsiny fa rehefa atao dia tena atao. Ny manao ihany no mahavita. Miaraka vao mandresy fa tsy hoe rehefa mandresy vao miaraka.
RTT
Raha kabary sy fampanantenana aloha no atao maridrefy dia tena "champion" na tompon-daka
Nirary soa ny mpiray tanindrazana amin'izao taona vaovao 2025 izao i Tahina Razafinjoelina ,filoha nasionalin'ny Tia Tanindrazana,
Madagasikara no mandroso raha mandry fahizay ny tany, hoy i Zaza Ramandimbiarison raha naneho hevitra sy nizara ny fomba
Tsy mbola nisy fifidianana nandeha amin’izay laoniny fa dia fifidianana tsy tomombana hatrany aloha izany no
Nanamafy ireo tsy fetezan-javatra samihafa mikasika ny fifidianana ny Antoko TIM tamin’ny alalan’ny Sekretera
Azo ambara hoe feno izany izay ny ankamaroan’ny an-tanan-tohatra ilàna fifidianana,