airtel

Politique

14-déc-2023

Tolona mitohy amin’ny dinika samihafa

Mamofona fifanarahana politika

Sample post image

Ny taona 2016 no niainga tao amin’ny Panorama Andrainarivo ny atao hoe DFP na

14-déc-2023

Dinika fanavotam-pirenena”, izay notarihana herivelona maro toy ny mpanao politika toy ireo administratera sivily, antoko politika, sendika samihafa tahaka izao hita nanomboka ny fiandohan’ny volana novambra 2023 izao ihany. Nitohy tamina fitarihana fidinana an-dalambe koa izany taorian’io ka isany nitarika izany, ohatra, ny vovonana politika nantsoina hoe HFI na Hetsika fanorenana ifotony sy ny RMTF na Rodoben’ny malagasy tia tanindrazana ho an’ny fanorenana ifotony saingy mbola nangatsiatsiaka toy ireny niseho tamin’ny fiandohan’ny tolon’ireo kandida miisa 11 ireny koa. Niezaka nifehy ny toe-draharaha ny fitondrana nijoro satria efa nanomboka nangotraka koa ireo raharaha goavana nandoto izany fitondrana izany toy ny raharaha Soamahamanina sy ny resaka fanodinana tsenam-barom-panjakana. Nitsangana amin’izay taty aoriana ny Hetsika ho an’ny fahalalahana maneho hevitra na “Mouvement pour la liberté d’expression” izay isan’ireo lohandohan’ny mpisorona nitarika azy ny minisitry ny serasera ankehitriny, Lalatiana Rakotondrazafy, izay mpanao gazety tamin’ny fotoan’androny, sy ny depiote Fetra Rakotondrasoa, izay namana mpanao gazety tamin’ny fotoan’androny daholo. Ny ankamaroan’ireo famakafakana ankehitriny dia mahita fa filoham-pirenena tena niezaka nampanjaka ny demokrasia anefa izany Hery Rajaonarimampianina izany. Nilaza ilay fehezanteny malazany tamin’ireny fotoana ireny ny mpanao gazety Lalatiana Rakotondrazafy fa zo fototra ny midina an-dalambe ary dia ny niafarany moa dia navelan’ny fitondrana tamin’izany nalalaka nidina teo amin’ny kianjan’ny 13 may Analakely tokoa rehefa raikitra amin’izay ny hetsiky ny depiote 73 ny taona 2018. Niverina indray ny fifampidinihina taorian’ny tolona ary dia niafara tamin’ny fifanarahana politika. Nahazo ny minisiteran’ny indostria sy ny mifanakaiky amin’izany rehetra ny elatra Marc Ravalomanana. Nahazo ny minisiteran’ny fitsarana, ny minisiteran’ny atitany sy izay heverina fa azo hifehezana ny tontolom-pifidianana tamin’izany kosa ny elatra Andry Rajoelina ary dia hain’ny rehetra ny tohin’ny tantara. Nivoaka tamin’ny varavarana lehibe tsy toa ireo filoham-pirenena hafa nialoha azy rehetra hatramin’ny taona 1972 ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina ary izy izany no azo ambara fa tsy nampiasa “hery famoretana” indrindra tamin’ireo rehetra nandalo raha toa ka tsikaritra ho saika niafara tamin’ny fitsoahana na fialokalofana politika naharitra avokoa ireo tena nampiasa hery rehetra. Izay tsy naka lesona tamin’ny tantara dia voahozona hiverina hiaina izany, hoy ny filozofa Karl Marx, ary dia io fa mamofompofona fifanarahana politika indray ankehitriny ity tolona mitohy amin’ny dinika samihafa natomboky ny C11 mankaty amin’ny fanelanelanan’ny PAN sy FFKM ary resaka “Cellule de crise” ity.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Anisan’ireo fikambanana resy lahatra ny amin'ny vinan'ny Tahiana Razafinjoelina (TR) ny Tanora Miharisoa 67 ha

Card image cap
17-oct-2024

Mihamafy ny tsindry ho an’ny Fitondrana Rajoelina na efa mafy aza ny vesatra eo anatrehan’ny krizy ara-tsosialy

Card image cap
17-oct-2024

Mafampana hatrany ao Tsimbazaza ao anatin’izao fivoriana ara-potoana eo anivon’ny Antenimierampirenena izao.

Card image cap
16-oct-2024

Aok’izay, tsy atao sosety, tsy atao lafika izany intsony , tsy atao tohatra fiakaana izahay ambany tanana fa mila olona tena hitondra ny fanovana,

Card image cap
16-oct-2024

Ny fanotronan’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI

Card image cap
16-oct-2024

Niditra amin'ny fivoriana ara-potoana nanomboka omaly 15 oktobra ny antenimierampirenena.

Card image cap