hakana ny fon’olona fa hanao an’izao sy izao, toy ny « route du soleil » 2000km handalo Faritra 8, raikirtra ny tosika propagandy fampanantenana fa tsy maintsy amboarina avokoa ny lalàna simba eto Antananarivo Renivohitra. Hatramin’izay tsy natao, fa rehefa fantatra fa Rtoa Harilala Ramanantsoa no kandidam-panjakana dia raikitra ny fihetsiketsehana samihafa nilazana fa miasa. Nisy aza ilay fanehoana fomba fiasa nataon’ny kandida Tahina Razafinjoelina hoentina hanaporofoana fa azo atao ny manamboatra ny làlana eto Antananarivo amin’ny sarany mora kanefa tsara, vao nikorapaka ny Fanjakana nanao an’ilay làlana teny Vatobe 67ha izay tsy mazava sy tsy mangarahara. Izany no fomba fiasa vonjy tavanandro rehefa akaiky fifidianana, ary io manomboka miharihary io indray ny tosika "Kandidam-panjakana". Ireny efa nivoaka ireny kabary politika toa fiezahana hanao fandemen-tsaina eto Antananarivo hoe : izaho no kandidam-panjakana, antsika ny tanàna, isika no mafy,… Hatao izay fomba tsy hahazoan’ny mpanohitra an’Antananarivo, raha ny resaka sy ny feo ezahana voizina amin’izao, miampy ny karazana setrasetra politika mivantana na ankolaka, toy ny fandrahonana ireo mpisitraka fanampiana ara-tsosialy avy amin’ny mpamatsy vola fa hotapahana raha tsy mifidy kandidam-panjakana,… Hitokana ny « Gymnase » sy ny Boulevard Ratsimilaho ao Toamasina ihny koa ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina rahampitso sabotsy, raha ny nambarany omaly. Fifandrifian-javatra ? Tsy kisendrasendra mihitsy io fidinany any an-toerana io satria ao amin'io renivohi-paritany io no tsara toerana indrindra ny Kandida avy amin’ny fanoherana dia Atoa Roland Ratsiraka, hoy ny mpandinika. Toa efa nanome fantsy politika ankolaka ho an’Atoa Roland Ratsiraka sy Atoa Hajo Andrianainarivelo izay efa minisitry ny asa vaventy teo aloha aza i Andry Rajoelina omaly na tsy nanonona anarana mivantana aza, ka nilazana fa ny mpanakiana mihitsy no handeha voalohany amin’io, ka nilazany fa raha sahy ny mpanao politika sasany dia mitenena fa tsy handeha amin’ilay « autoroute » izy sy ny taranany. Isan’ireo nitondra tsikera ara-teknika mikasika ny tetikasa io rahateo Atoa Roland Ratsiraka, raha toa ka nanakiana mafy ny amboletra hatao tamin’ireo vahoaka nalaina tany sy fananana kosa i Hajo Andrianainarivelo tamin’ireny vanim-potoanan’ny fifidianana depiote ireny. Midika fa tsy fifandrifian-javatra fa efa kajy politika voaomana ny hirotsahan’Atoa Andry Rajoelina an-tsehatra indray any Toamasina, hikatsaka sy hanao izay hahamontsana an’i Roland Ratsiraka. Ny lojika anefa, dia ho mora ny fandresen’i Roland Ratsiraka ao Toamasina raha ny lojikan’ny fifidianana depiote teo. Hosakanana amin’ny fomba rehetra toy ny efa natao tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna 2019 ? Ny antokom-panjakana, izay saika vizana avokoa tamin’ireo renivohi-paritany 5 tamin’ny 6 nandritra ny fifidianana solombavambahoaka farany teo, ka mandeha indray ny tosika propagandy mivantana na ankolaka. Mbola handaitra eto Antananarivo sy any Toamasina na amin’ireo faritra maro manerana ny Nosy ve ny fandangolangoana na ny setrasetra politika eo anatrehan’izao tsy fahombiazan’ny fitondrana ankehitriny izao ?
Toky R
Efa ela no nitolomantsika, vao tamin’ny herintaona no nisy naratra, nisy nogadraina tamin’ny hetsika,
Tsy hoe zava-baovao no atao ankehitriny fa fanohizana ny tolona natomboka ny taona 2023,
tafa, niavaka, tsy fahita firy, vina sy faharesen-dahatra, hita hoe mila fanovanatokoa ny olona. Maro be no tonga kanefa tsy nisy nosandaina
Eto Antananarivo no fiantombohan’ny fanovana, ary isika tsy hanaiky hataon’ny olona lafika intsony.
Tsy vaky ny Kolekitifa an’ny Malagasy ary manohana an’i Tahina Razafinjoelina avokoa !
Naneho ny heviny sy fijeriny mikasika ny fifidianana ben’ny tanàna eto Antananarivo Renivohitra i Andry Herinjaka