airtel

Politique

04-juin-2024

Tovo Rakotojohary

«Tsy afa-mandeha ila ny fitsinjaram-pahefana»

Sample post image

Ny fitsinjaram-pahefana marina, hoy ny ben’ny tanànan’i Tanjombato sady filohan’ny

04-juin-2024

Fikambanan’ny ben’ny tanàna eto Madagasikara, Tovo Rakotojohary, dia nametraka vina ny filoham-pirenena amin’ny fanatanterahana izany saingy moa ve manana izay finiavana izay ny rantsa-mangaika rehetra isan-tsokajiny any amin’ny ambony indrindra hatramin’ny ambany indrindra? Tsy afa-mandeha ila ny fitsinjaram-pahefana, hoy izy. Ny antenimieram-pirenena ve manaiky izany. Ny loholona ve tena miahy ilay vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana? Tsapan’ny minisitera ve fa tsy afa-manao fitondrana miotrika na «régime centraliste» be isika fa tsy maintsy matoky ireo olona ireo dia ahoana no hampitana izay fahefana izay? Fahefana mahefa ilay izy voalohany indrindra fa any amin’ny fahefana manatanteraka tokony ho tsapan’ny rehetra fa raha tsy izany tsy tanteraka. Mila matoky ilay ben’ny tanàna ianao dia manaiky izay rafitra izay ve isika. Ny mpiasam-panjakana teo efa 30 taona mahery ve efa voavolavola ny sainy hoe tsy iny intsony izao fa omena sehatra sy lanja ireo ben’ny tanàna ireo hampandroso any ifotony satria raha ilay firenena no atao hoe mandroso dia ireo kaominina miisa 1695 izany miara-mandroso fa tsy hoe ny 10 ihany no mandroso be dia ny ambiny mikororoso fahana be. Mety ilay rafitra raha teoria fa any amin’ny fampiharana no miankina amin’ny fandavan-tena ara-politikan’ny olona tsirairay. Mila mahatsapa izany izahay mpiasam-bahoaka sy mpiasam-panjakana dia mitondra ny kely ananany fa ny sasany mety matahotra hoe ho tanteraka ve izany? Tsy mety ilay atao mivangongo be aty afovoany na «centre» aty ilay fahefana mpanatanteraka. Tsy resaka fahaleovantena ilay izy fa fahafaha-miasa malalaka na «autonomie». Omeo fahafaha-miasa malalaka ilau olona dia araho maso fotsiny fa misy rafitra be dia be afa-manara-maso izany. Mila mahazaka izany ny toe-tsaintsika. Izany no atao hoe demokrasia any amin’ny fomba fitantanana. Omeo fahefana mitantana ny ben’ny tanàna mba hahafahana mandrefy azy koa fa tsy ho lazaina foana hoe ben’ny tanàna mpangata-dava na miandry famatsiam-bola foana! Misy finiavana politika takiana koa amin’ny fanovàna lalàna mba tsy hialokalofana foana hoe tsy azo atao izany fa voararan’ny lalàna, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Anisan’ireo fikambanana resy lahatra ny amin'ny vinan'ny Tahiana Razafinjoelina (TR) ny Tanora Miharisoa 67 ha

Card image cap
17-oct-2024

Mihamafy ny tsindry ho an’ny Fitondrana Rajoelina na efa mafy aza ny vesatra eo anatrehan’ny krizy ara-tsosialy

Card image cap
17-oct-2024

Mafampana hatrany ao Tsimbazaza ao anatin’izao fivoriana ara-potoana eo anivon’ny Antenimierampirenena izao.

Card image cap
16-oct-2024

Aok’izay, tsy atao sosety, tsy atao lafika izany intsony , tsy atao tohatra fiakaana izahay ambany tanana fa mila olona tena hitondra ny fanovana,

Card image cap
16-oct-2024

Ny fanotronan’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI

Card image cap
16-oct-2024

Niditra amin'ny fivoriana ara-potoana nanomboka omaly 15 oktobra ny antenimierampirenena.

Card image cap