omaly 23 desambra 2024 nilaza lavo ny fangaraharahana sy fahitsiana ara-pifidianana eto Madagasikara. Naka endrika mampivarahontsana, izay efa nisongadin-dratsy tamin'ny tsy fahampian'ny fahitsiana sy ny fangaraharahana rahateo, raha ny fanamarihana. Noho izany, nomelihin’ny TI-MG ireo tsy fanarahan-dalàna lehibe, fangalarana sy ny fanodinkodinana samihafa,… Ho an’Antananarivo Renivohitra, notsiahiviny fa ny vokatra navoakan’ny CENI ny zoma 20 desambra 2024 dia mitazona ny lohalaharana ny kandidà avy amin'ny antoko eo amin'ny Fitondrana. Ny sabotsy anefa dia nisy fiovan-javatra tsy mazava teo amin'ny tranonkalan'ny CENI ka nifamadika indray ny valimpifidianana : ny kandidà avy amin'ny fanoherana no nahazo isa betsaka. Nambaran'ny CENI fa toa « piratage » no antony. Saingy inona ary izany ny vokatra tena marina? Hoy hatrany io rafitra io. Nomelohin’izy ireo ihany koa ny fanampiana isana mpifidy amin'ny alàlan'ny « ordonnance », izay nosokajianiny ho tetika manozongozona manontolo ny fahamarinan-toeran'ny fifidianana. Natao tao anatin'ny manjavozavo ity dia namotika tanteraka ny fahatokisana. Notsikafoniny ireo ambarany fa fomba tsy mazava entin'ny CENI, indrindra eo amin'ny fikirakirana ny voka-pifidianana, sy ny tsy fahaizany miaro ireo voka-pifidianana. Tsy miaro ny fanjakana tan-dalàna sy ny hasin'ny vahoaka masi-mandidy ny CENI, rehefa nanaiky nilefitra manoloana ny tsindry ara-politika izay manamaivana ny asa amandraikiny, hoy ny fanambarana. Niantso fahatongavatsain'ireo mpikatroka rehetra anaty zotram-pifidianana noho izany ny TI-MG, ka notsindriany mafy ireo olompirenea rehetra, ireo naman'i Madagasikara, ireo mpiaro ny zon'olombelona, ireo mpiaro ny demokrasia, na avy aiza na avy aiza, mba handà izao voka-pifidianana teren-ko izy izao, rehefa tsy tafaverina amin'ny laony ny mangaraharaha sy ny fitandroana ny fahitsiana. Niantso ihany koa ireo vondrona iraisam-pirenena sy ireo mpiara-miombon'antoka amin'i Madagasikara izay nandray anjara amin'ny fanantontosana izao zotram-pifidianana izao mba hitaky tamberin’andraikitra araham-panazavana ampahebimaso avy amin'ny CENI sy ny governemanta, manoloana ireo fomba tsivanombanona ireo. Heloka be vava ny fahanginanana manoloana izao tranga izao. Aza manaiky hiray tsikombakomba fa mitenena! Miasà!, hoy hatrany ny antso avo avo. Miantso ireo kandidà enina izay nifanandrina teto Antanananarivo ihany koa ny TI-MG mba hamoaka ny voka-pifidianana isam-birao izay ananànany. Tahaka izany ihany koa ny manerana ny Nosy,…
Toky R
Tsy mankato sy tsy hanaiky ny voka-pifidianana azo tamin’ny halatra sy hosoka izahay ary tsy maintsy hijoro",
Mafampana ny toe-draharaha ao Toliara amin’izao fotoana izao noho ny raharaha voka-pifidianana.
Miantso ny CENI mba handala sy hanaja ny fahamarinana ny Pr Joseph manoloana ny famoahana ny voka-pifidianana
Mankasitraka ny fiaraha-miasa amin’ny governoran’ny faritra Atsimo Andrefana,