airtel

Politique

27-nov-2023

Transparency International-IM

"Fidianana feno kolikoly sy fanimbazimbana ny demokrasia iny »

Sample post image

Namoaka fanambarana mahakasika ny fifidianana filohan'ny repoblika natao farany teto Madagasikara ny

27-nov-2023

Transparency Internationaly – Initiative Madagasacar na TI-IM, teo anatrehan’ny namoahan’ny CENI ny valim-pifidianana vonjimaika, izay mitondra fandresena ho an’i Andry Rajoelina amin’ny salan’isa 58,95%. Mampiahiahy, hoy TI-IM ny filazan'ireo mpanara-mason'ny fifidianana iraisam-pirenena hoe tsy dia nisy olana firy ny latsa-bato kanefa maro be ireo tsy fetezana nisy. Nametra-panontaniana noho izany izy ire hoe : hatraiza ny fetran’ny fandeferana an’ireo tsy fetezana hahafahana milaza fa azo antoka sy azo ekena na « crédible » ny fifidianana iray eo anatrehan’ny tsy fanarahan-dalàna, ny tsy fahintsiana, ny kolikolim-pifidianana niainga hatrany am-boalohany izay notsikafonin’ny mpanara-maso samihafa ? Nambaran’ny TI-IM fa halatra efa voaomana no nitranga, maro ireo fikambanana sy olom-pirenena nanaitra mialoha ny amin'ny zava-mitranga sy hitranga saingy nodian-tsy hita izany. Samy nahita sy nahalala ny rehetra fa zava-doza no mitranga kanefa betsaka no nangina, eny fa na ny Evekan’i Mafagasikara aza ninia nikipy, ary namela izany amin’izao, hoy ity fanambarana ity. Nisy rahateo ny herisetra, ny fanitsakitsahana ny zon’olombelona, ny kolikoly, ny tsy fahatombombanana manodidina ny zotram-pifidianana. Ny fanambarana voka-pifidianana farany teo dia tsy amboletra fotsiny avy amin’ny ankolafin’ny milaza fa mpandresy, fa tena endriky ny tsy fisian’ny kolontsaina demokratika, tsy fahampian’ny soatoavina ara-moraly, ary ny maneho ny maha fadiranovana ara-bakiteny. Fehiny, miteraka fahadisoam-panantenana goavana io, izay tsy any amin’ny hoe : fandresen’ny olona iray, fa ny ny fanekena ny voka-pifidianana dia midika fanekena ny tsy fanjariana mamofady maro. Tsy tao anatin’ny fanajana ny tandrohasina na « éthique », fanararaotana sy fanjakajazakana, ny famoretana, fisamborana olona tsy ara-drariny, fampihorohoroana ireo sendikalista, fampihorohoroana ireo rehetra sahy nijoro teo anatrehan’ny tsy fetezana. Ny fanekena ny voka-pifidianana ihany koa, dia midika fankatoavana ny fanararaotana avo lenta sy fanaovana fitaovana ny fahantrana lalina ho teknika hoenti-mandresy amin’ny fifidianana, ka tsy azo ekena, hoy ny ampahan’ny fanambarana. Mety miteraka fahakiviana ihany ny fahitana fa nekena ny vokatry ny fifidianana, izay midika fa ekena izany ilay zotram-pifidianana mampiahiahy sy feno tsy fetezana. Tsy handresy anefa ny fahakiviana satria mendrika zavatra tsara kokoa i Madagasikara sy ny Malagasy, tokony hitohy ny tolona tsy hoe ho fanoherana olona iray fa tsy fanekena ny fanjakazakana rafitra feno fahalovana fehezin'olom-bitsy ka hampitenenana ny vola, hoy ny TI-IM. Nanipika moa io rafitra io, fa manohitra marindrano ny fanaovana kolikoly na ahoana na ahoana fitrangany, ary na iza na iza eo amin'ny fitondrana.
Toky R


 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Anisan’ireo fikambanana resy lahatra ny amin'ny vinan'ny Tahiana Razafinjoelina (TR) ny Tanora Miharisoa 67 ha

Card image cap
17-oct-2024

Mihamafy ny tsindry ho an’ny Fitondrana Rajoelina na efa mafy aza ny vesatra eo anatrehan’ny krizy ara-tsosialy

Card image cap
17-oct-2024

Mafampana hatrany ao Tsimbazaza ao anatin’izao fivoriana ara-potoana eo anivon’ny Antenimierampirenena izao.

Card image cap
16-oct-2024

Aok’izay, tsy atao sosety, tsy atao lafika izany intsony , tsy atao tohatra fiakaana izahay ambany tanana fa mila olona tena hitondra ny fanovana,

Card image cap
16-oct-2024

Ny fanotronan’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI

Card image cap
16-oct-2024

Niditra amin'ny fivoriana ara-potoana nanomboka omaly 15 oktobra ny antenimierampirenena.

Card image cap