ifanaovana amin’ny Fanjakana na ny « tribunal administratif » izay manana ny rantsany isaky ny faritany. Manana ny fahaleovantenany ny fitsarana, saingy tsy manakana ny ahiahin’ireo mahatsapa ho lasibatra, ka mandeha ohatra ny vaky bantsilana any Antsiranana. Misy ahiahy mikasika trangana kolikoly miseho amin’ny endriny maro ary taratranay avy hatrany izany satria tsapa ny trangana fitongilanan’ireo Mpitsara sasany amin’ireo olona manan-draharaha sasantsasany, amin’ny fanomezana vahana ny mpiady sasany, fametrahana fanontaniana mitanila anodinkodinana na tsy fandraisana ankolaka ny porofo entin’ny mpiady, ka miteraka tsy fanajana ny zon’ny fiarovana sy ny zo hitovy eo anatrehan’ny Fitsarana, izay voalazan’ny lalàmpanorenana, hoy ireo mahatsiaro ho lasibatra. Mety hanana ny ambarany moa ny mpitsara, saingy misy ny miahiahy. Mampiahiahy azy ireo ny fisian’ny kolikoly amin’ity fitsarana ity koa ny ambaran’izy ireo fa tsy fanajana ny paikady amin’ny fanomanana ny antontan-taratasy mialohan’ny fitsarana raharaha, tamin’ny raharaha sasantsasany toy fitoriana avy ao amin’ny distrikan’Ambanja sy Antsiranana II sy ny maro hafa. Tonga hatramin’ny fanamarihana fa misy amin’ireo mpitsara ao an-toerana no efa folo taona mahery no niasa tao Antsiranana, ka lasa manana fifandrasaina akaiky amin’ny olona maro, ary an’isan’izany ireo kandidà sasantsasany. « Tsy takona nafenina, fa mialohan’ny nanombohan’ny raharaham-pitsarana, dia maro tamin’ireo kandidà no mivoaka sy miditra ao amin’ny biraon’ny ireo mpitsara ao Antsiranana ireo. Tsy vitan’izay, fa misy irony mpijirika irony, izay olona niasa tamin’ny Ladoany taloha, isan’ny no manao fanelanelanana amin’ireo mpitsara ireo. Raha ny lalàna manan-kery mahakasika ny asan’ny mpitsara anefa, dia tokony hanaja ireo kasinga maromaro ny mpitsara eo am-panaovana ny asany dia « principe d’impartialité, d’integrité, de compétence, et de diligence ; » ary tsy fanajana ireo dia ahazoana sazy », hoy hatrany ny fanamarihana sy fampitam-baovao. Tsy mibaiko ny Fitsarana fa mampahatsiahy, fa tokony ny mpitsara ho « redevable » na manana tamberiny amin’ny vahoaka amin’ireo didy avoakany, mba ho fanajana ilay atao hoe « legitimité », izay fototra ifaharan’ny fitoniana sy ny filaminan’ny fiarahamonina, ary ny raharaham-pifidianana tahaka itony rahateo dia makasika ilay atao hoe « ordre publique » satria fiainan’ny vahoaka no lalaovina, hoy hatrany ny fanamarihana. Tonga hatramin’ny karazana ampamoaka aza any Antsiranana ankehitriny hoe : ny fivarotana ny fiara « wolswagen » izay an’ity rafi-pitsarana ity aza misy mahavita mainka fa hamilivily ny olona tsotra? « Koa manoloana ireo loharanom-baovao, sy tranga any Antsiranana ireo dia misintona ny sain’ny minisitera tomponandraikitra, sy Bianco izahay, satria tsy tokony handeferana intsony ny resaka kolikoly fa manimba ny fiainam-pirenena ary sakana amin’ny tanjon’ny governemanta malagasy amin’ny fametrahana ny tany tan-dalàna, izay nohamafisin’ny Minisitry ny Fitsarana fony vao nandray ny fa hiasa ho an’ny vahoaka sy hiady amin’ny kolikoly izay isaorana azy, ary manantena sy matoky azy izahay fa tsy hitazam-potsiny izy eto», hoy ny antso avo.
Toky R
Andrasana tsy ho ela ny voka-pifidianana eto Antananarivo Renivohitra taorian’ny fiakarana fampanoavana mikasika
Miantso ny mpitondra fanjakàna izay raiamandreny, hoy ny antoko politika Natiora.
Mitohy ny karazana kabary sy resaka hafahafa ataon’ny mpitondra, ka ny resaka fanonganam-panjakana tsy hisy
Nandeha fampanoavana teo anivon’ny TAF (Tribunal Administratif et Financier) omaly ny raharaha
Ranolava hatrany ny fanambarana ataon’ireo olom-panjakana sy olon’antoko na vondron’antoko mpanohana fitondrana.
Mitohivakana tato ho ato ny fanambaràna sy fanehoan-kevitr’ireo hery politika mpiaradia amin’ny fitondràna