vantany fantatra ofisialy fa kandida izy. Nandeha ny fihantsiana samihafa ny kabary ofisialy nataona mpanao politika nilazana fa mpamadika, tsy mpanohitra, voakarama,… Nisy ny fampitandremana nataony sy nanaovany antso avo amin’ny hampiakarana ny lentan’ny fanaovana politika ka ny vina sy hevitra no tokony hampiadiana fa tsy fanenjehana olona. Vao mainka niakatra ny daozin’ny fanenjehana, ka niafara tamin’ilay ampamoaka nentin’i Tahina Razafinjoelina ny 29 novambra lasa teo nanazava sy niresahany tantara maro mikasika ny fanoherana, ny làlana nodiaviny ara-politika, ny fanohanana nataony tsy nilany tambiny, tsy nisy fanenjehana olona na vondron’olona fa fanazavana politika madiorano, ary nataony am-panajana aza hoe : ny làlana no misaraka fa manaja tanteraka ny filoha teo aloha, tsy manana kakay amin’ny antoko iray. Nitohy hatrany ny fanosoram-potaka sy fampiadiana samihafa namoronana ny tsy misy, tonga hatramin’ny fanaovana horontsary na video namboamboarina. Santionan’ireny ny vaovao diso sy tsy mitombina mihitsy naparitaka ka Tahina Razafinjoelina no lazaina niteny izany toy ny hoe : Voaroaka tao amin’ny St Michel tamin’ny kilasy 4eme i Tojo, mitsindrona rôrô i Tojo kanefa video voamarin’ny teknisiana fa namboarina (nanaovana montage) no nanaparitahana izany tamin’ny facebook tamin’ny alalan’ny kaonty fako. Lazaina fa afa-baraka ny mpianatr’i Tahina noho ny nataony. Resaka tsy mitombina mihitsy ary vao miha aza nisesisesy ireo mpianatra nijoro vavolombelona tamin’ny soa vitan’i Tahina taminy. Lazaina fa rahavavin’ny kandida Harilala ny vadin’i Tahina, kanefa dia tsy misy ifandraisany, tsy misy rohim-pihavanana mihitsy amin’izy ireo. Lazaina fa hoe mandray vola amin-dRavatomanga i Tahina, izay efa nambarany fa tsisy ary tsy mitombina. Rehefa hita izany fa mipetrapetraka tsara ny vina natolotry ny Tia Tanindrazana sy ny kandida Tahina Razafinjoelina, misy asa mandeha, mampisokatra ny sain’ny Malagasy,… dia fanaratsiana sy fanosoram-potaka ny ataon’ireo tsy manana vina sy be fialonana. Fomba fisainana mamohehitra ary manaratsy sy manambany tanteraka ilay fanaovana politika eto Madagasikara. Efa fantatra ireo kaonty fako mpanely tsaho momba an’i Tahina Razafinjoelina. Ary efa nisy ny fepetra noraisina araka ny lalàna momba azy ireny. Mbola karohina kosa ho iza marina no ao ambadik’izy ireny ; azo atao tsara ny mamantatra izany ho an’ireo mahafehy ny informatika sy ny teknolojia. Tsara ho marihina fa maha voasazy 6 volana ka hatramin’ny 5 taona an-tranomaizina. Mety andoavana lamandy : 100 000 ka hatramin’ny 10 tapitrisa ariary ny famoahana vaovao tsy marina sy fanalam-baraka olona amin’ny alalan’ny internet sy ireo tambazotra sosialy. Araka ny lalàna 2016-029 ny 24 aogositra 2016, nahitsin’ny lalàna 2020-006 ny 1 jolay 2020.
Toky R
Tsy maintsy miteny ny tena, hoy ny fanehoan-kevitry ny pastera Roger Randriamisata satria
Lany ho Filohan'ny Vaomiera manokana misahana ny fiampangana manoloana ny Fitsarana Avo na ny HCJ
Mila fanahin’olona matotra, azo itokisana tsara ny fanaovana politika, hoy ny antoko politika FLN na Front de libération nationale.
Teny amin’ny boriboritany faha 4 dia Ankaditoho, Tsimbazaza, Anosibe androany alatsinainy 2 desambra 2024 ny kandida Tahina Razafinjoelina.
Mijoro hampitambatra ny mponina ao Alasora, distrikan’Avaradrano Ravolarimanana Joa Kim.
Niara-niombom-bavaka tamin'ireo mpino eo anivon’ny Fiangonana FPVM ny Filohan’ny Repoblika