airtel

Politique

28-nov-2024

Tsenambaro-panjakana, fitantanana,…

Manjaka ny kimaizimaizina sy bizina maloto

Sample post image

miaina tatanteraka ao anatin’ny fitantanana tsy mangarahara sy gaboraraka ny fitondrana ankehitriny

28-nov-2024

amin’ny volam-panjakana, harem-pirenena,... Ny mahagaga, toa mitazam-potsiny ireo rafitra samihafa tokony hanara-maso sy hanatsikafona an’izany. Vaky am-batolampy aloha izany iny ny raharaha fiara 16 tao amin’ny Antenimierandoholona izay tsy mbola voaloa vola ka itakian’ny tompony ny andoavana azy na hisintonana ny fiara. Betsaka ireo zavatra tsy milamina eto, toy ireo afera maloto samihafa toa vitavita ho azy, raha tsy hilaza afatsy ny trafikana volamena tany Afrika Atsimo, Kaomoro, Maurice,… Ilay 46kg nivadika korotam-by tao amin’ny Minisiteran’ny harena an-kibon’ny tany moa dia nangina tsy hita intsony izay tena tohiny. Ny tontolon’ny tsenambaro-panjakana moa toa efa lasa bizina avo lanta. Ohatra iray ny resaka làlana amboarina dia herintaona na roa taona dia potika. Izay mihitsy ve ny kalitaon’ny asa sy mifanaraka amin’ny vola sandany sa ny kolikoly no manjaka ? Vitavita ho azy eny ? Iny efa nambaran’i Tahina Razafinjoelina iny, ohatra, fa 60 000Ar na 70 000Ar ny hanaovan’ireo orinasa « prestataires » asa, kanefa mahatratra avo 5 na 10 eny no hamarotan’ireo orinasa tena nahazo ny tsenambaro-panjakana azy. Hatry ny ela no nifamahofaho ny resaka volan’ny FR (Fonds Routiers) hoe : tena nampiasaina tamin’ny tokony hanaovana azy ve ? 288Ar isaky ny litatra no alaina ho an’ny Super carburant na ny lasantsy, 134 Ar isaky ny litatra ho an’ny gazoala. Arakaraka izany ve ny fikojakojana ny làlana eto amintsika sa lasa vonjivonjy tavanandro rehefa fifidianana ? Aiza ireo solombavambahoaka tokony hanao fanadihadiana parlemantera ? Na ireo fotodrafitrasa manara-penitra aza anie dia misy tranga tahaka io resaka làlana io. Nisy ny nirodana, tao ny nitriatra,… raha tsy hilaza afatsy ilay tranon’ny Minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina tao amin’ny Renivohitry ny Faritra Menabe izay rava tanteraka, ny Hopitaly manara-penitra tao Mahajanga nitriatra, ny sekoly manara-penitra tany Amboasary Atsimo vakivaky sy nitriatra,… Vitavita ho azy ve ireny noho ny resaka akamakama kanefa volam-bahoaka no natontona taminy ? Raha miresaka zavatra hafa, dia mampanahy ihany koa ny ambadik’ilay resaka fampidirana vary safiotra sinoa izay voizina any amin’ny hoe : hahafahana manatratra ny fahaleovantena ara-tsakafo satria hahavokatra 8 hatramin’ny 12 taonina. Hamoahana volabe manodidina ny 600 miliara Ar hividianana masomboly ? Tena nisy ve ny fanadihadiana ara-tsiantifika sy teknika nakana ny hevitry ny manam-pahaizana Malagasy mikasika an’io amin’ny mety ho fiantraikany amin’ny nofon-tany ? Ny mety ho fahapotehana simika entiny ? Sa dia entina amin’ny tian-kano tsy tian-kano noho ny bizina avo lenta ? Aiza ny andraikitr’ireo andrim-panjakana tokony ho arofanina amin’izany ? Betsaka ny fanehoan-kevitr’ireo injeniera fa mety hampidi-doza io ? Handefa malalaka an’io antenimierampirenena ? Hodiana tsy hita fotsiny eto fa rehefa mipoitra ny voka-dratsy vao hiainga indray ny hoe : tsy andron’ny fifanomezan-tsiny intsony izao ?
Toky R
Sary fanehoana
 

Dans la même rubrique

26-déc-2024

Nitohy ny 24 desambra iray andro nialohan’ny krismasy ny hetsiky ny vahoaka manohitra ny fitsimbadihan’ny

Card image cap
26-déc-2024

Sarintsarim-pitoniana politika no misy ankehitriny ao anatin’izao vanim-potoanan’ny fety izao fa tsy tena misy ilay « trêve politique».

Card image cap
26-déc-2024

Tsy ny mpisehatra politika ihany no manao fanambaràna izao, hoy ny Randrana sendikaly,

Card image cap
26-déc-2024

Fomba fiady politika nampiasaina tato ho ato indray ny fampiasana horonam-peo sy horonan-tsary atambatambatra

Card image cap
24-déc-2024

Tsy mankato sy tsy hanaiky ny voka-pifidianana azo tamin’ny halatra sy hosoka izahay ary tsy maintsy hijoro",

Card image cap
24-déc-2024

toeran’ny mpanohitra sy ny mpitondra!»

Card image cap