airtel

Politique

01-juil-2024

Tsotsorimamba isarahana

Misy depiote tsy lany mety hogadraina…

Sample post image

Tonga amin’ny tsotsorimamba isarahana ireo solombavambahoaka voafidy tamin’ny 2019 !

01-juil-2024

Tapitra tanteraka anio ny taom-piasana ho azy ireo, ka hamarana tanteraka ny fivoriana sy ny taom-piasana tao anatin’ny 5taona izy ireo anio etsy Tsimbazaza. Maro ireo handao tanteraka an’i Tsimbazaza fa misy ihany koa ireo tafaverina.Betsaka ireo zavatra nanamarikaio Antenimierampirenena amin’izao endriny hifarana anio toy ny : fahalanian’ny Filohany Rtoa Christine Razanamahasoa 100% ary naongana nialohan’ny fotoana sady tsy ho filohana andrim-panjakana sy tsy depiote volana vitsy nialohan’ny fahataperan’ny taom-piasana ; ny fisian’ny fitsipaham-pitokisana nisiana fanangonan-tsonia 105, izay nanaovana fitsipaham-pitokisana ny governemanta notarihin’ny Praiminisitra ny herinandro voalohan’ny desambra 2022, saingy natsefotra ka voalaza fa nisy dian-tànan’ny Filoham-pirenena ; ny fisian’ny fanonganana ireo birao maharitra 3 izay nitsefotra dia ny Filoha lefitry ny Faritanin’i Toliara Atoa Rabenirina Jean Jacques, ny Filoha lefitra avy amin’ny Faritanin’i Fianarantsoa Razafitsiandraofa Jean Brunelle, ny Kestora Rabenirina Mamy,… izay tsy nisy voahongotra, ka ny roa amin’izy ireo dia isan’ireo mbola tafaverina ho depiote. Betsaka ireo depiote nanamarika an’iny 5 taona farany iny tsy ho tazana intsony ao Tsimbazaza, toa an’ireo sasany nisintaka tamin’ny IRD ary toa natao izay nanapahan-tenda ara-politika azy toa an-dry Rahasimanana Paul Bert na Rossy, Christine Razanamahasoa, Brunelle Razafitsiandraofa,… Tahaka izany ihany koa ry Keron Idealson, Masy Goulamaly, Doda Andriamiasasoa, Johasy Eleonore, Voninahitsy Jean Eugène izay nisafidy ny tsy hirotsaka,… Misy an’ireo depiote no voatonontonona tamin’ny afera samihafa indrindra fa ireo tsy dia nitovy tadin-dokanga tamin’ny volomboasary ka handeha ve ny fanenjehana ireo voasaringotra satria miongotra ny zo tsy azo henjehina na « immunité » parlementaire? Anisan’izany ny depiote iray tao amin’ny Faritra Atsinanana voatonontonona tamin’ny trafikana volamena, ny filohan’io andrim-panjakana io teo aloha izay mety hisy dosie hipoitra na hamoronana ka hatao izay hahanginany tanteraka rehefa sarotra ny hanagadra azy, ny minisitra roa vavy teo aloha izay mety ho tratry ny famohazana dosie tsy ampoizina, ireo nitsikera mafy ny fitondrana nivadika loko nakany amin’ny mavomavo,… Afaka ny zo tsy azo henjehina, ka mety hihetsika na hohetsehina ny Bianco, ARAI, PAC,… Heverina ho tonga amin’ny tsotsorimamba farany rahateo ny fitondrana, taom-piasana farany ho an’ny volomboasary ity 5 taona farany ity, ka mety handeha ny tsipaky ny miala aina, ary mitady vola rahateo ny Fitondrana.

MISY IREO NODIOVINA TAO ANATY FIFIDIANANA…
Ho tratran’izay ve anefa ireo olon’ny fitondrana voatonontona tamin’ny afera maloto toy ny Kestora iray izay tsy lany intsony, izay ny depiote iray tao amin’ny distrika nahalaniany ihany aza no nanontsana azy tamin’ny resaka fitantanam-bolan’ny Antenimierampirenena tamin’ny vanim-potoanan’ilay fitsipaham-pitokisana ? Hilamina kosa ireo nanana dosie maloto nodiovina tao anatin’ny fifidianana depiote, izay samy nisy raharaha nahasaringotra azy ny Minisitra 4 farafahakeliny, saingy nangina sy nampanginina. Tahaka izany ihany koa ireo depiote voatontonontona tamin’ny afera solika mitapoka, ny nandripaka sy nitatitra hazo arovana,…
Toky R

 

 

 

 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Anisan’ireo fikambanana resy lahatra ny amin'ny vinan'ny Tahiana Razafinjoelina (TR) ny Tanora Miharisoa 67 ha

Card image cap
17-oct-2024

Mihamafy ny tsindry ho an’ny Fitondrana Rajoelina na efa mafy aza ny vesatra eo anatrehan’ny krizy ara-tsosialy

Card image cap
17-oct-2024

Mafampana hatrany ao Tsimbazaza ao anatin’izao fivoriana ara-potoana eo anivon’ny Antenimierampirenena izao.

Card image cap
16-oct-2024

Aok’izay, tsy atao sosety, tsy atao lafika izany intsony , tsy atao tohatra fiakaana izahay ambany tanana fa mila olona tena hitondra ny fanovana,

Card image cap
16-oct-2024

Ny fanotronan’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI

Card image cap
16-oct-2024

Niditra amin'ny fivoriana ara-potoana nanomboka omaly 15 oktobra ny antenimierampirenena.

Card image cap