airtel

Politique

05-juil-2024

Tsy fahaiza-mitantana, famotehana ny fampianarana

Niparitaka ny laza adina BEPC, nikorontana eran’ny Nosy

Sample post image

Miha mivaralila hatrany ny fanadinam-panjakana sy ny fampianarana eto amintsika.

05-juil-2024

Raha ny bakalorea hatramin’izay indrindra tao anatin’ny Fanjakana Rajoelina no nisy fivoahana laza adina mialohan’ny fotoana na «fuite de sujet », dia efa nidina aty amin’ny fanadinana BEPC izany. Roa andro nialohan’ny fanadinana no efa nandeha ny serasera samihafa nanakorontana ny sain’ny mpiadina mikasika ny bizina laza adina tany anaty tambajotran-tserasera, saingy toa tsy naharototra firy. Nitohy tamin’ny fahatrarana mpampianatra iray sy mpiadina 18 tany Port-Bergé nandika ny valim-panadinana matematika. Nisy ihany koa ireo mpiadina miisa 4 tratra nanao hosoka tany Anosibe an’Ala,… Dia iny indray omaly, fa saika nanerana ny Nosy no nahitana olana ny laza adina angalais satria efa nisy namoaka nialohan’ny fotoana, niparitaka tamin’ny facebook. Nahitana izany ny teny Nanisana, Soamanandrariny, Antanimena, Andranomena, Ambohimanarina, Ambohimangakely, Itaosy, Andoharanofotsy, hatrany Antsirabe, Andohan’Ilakaka, Mahajanga, Ambanja,… Voatery novaina ny laza adina nanerana ny Nosy, navoaka ny efitrano ny mpianatra, ary nadika tamin’ny fafana (tableau) ny laza adina, hany ka tara fanombohana, efa tany ho any amin’ny tamin’ny 10 ora vao nanomboka ny fanadinana raha tokony ho tamin’ny 7 ora sy sasany. Niantraika hatrany amin’ireo nisafidy ny laza adina Espaniola sy Alema aza ny sasany. Lasa manimba ny sain’ny mpiadina ary mampihena ny herijikan’ny mpianatra ny zava-misy, izay isan’ny nampitaraina ireo mpiadina ny tsy fisian’ny lahatsoratra tamin’io taranja anglais io. Tsara ny mampahatsiahy, fa ahiboka sy hatao andrimaso mialoha ny mpanomana ny laza adina, arahina basy mihitsy aza, ary tsy mivoaka any raha tsy vita tanteraka mihitsy ny fanadinana. Ho an’ny Bakalorea ohatra, dia nanomboka ny 24 jona lasa teo ireo mpanomana ny laza adina no nalefa nihiboka any amin’ny toerana manokana. Nahoana anefa no mbola misy ihany ny laza adina mivoaka mialohan’ny fotoana. Eo ny tsy fahafehezana intsony ny fanadinam-panjakana, fa ny tena zava-doza ny toa endrika famotehana sy fanaovana tsinontsinona ny fanabeazana eto amintsika, izay toa hamaivanina hatrany hatrany ny ambaratonga rehetra mihitsy.
TARATRY NY TSY FAHAIZA-MITANTANA, FAMOTEHANA NY FAMPIANARANA SY NY FIRENENA
Na inona na inona fanazavana sy fialana bala ataon’ny Fanjakana dia taratra sy porofo iray manamafy ny petatoko sy tsy fahaiza-mitantana io. Io izao ny resaka fivoahan’ny laza adina mialohan’ny fotoana tsy mety voafehy sy vao mainka miitatra, fa mbola resaka hafa ny fitsarana ny laza adina, izay lasa olana foana mandavan-taona satria tsy aloa ara-potoana ny tambin-karaman’ny mpampianatra. Tsy misy finiavana hametraka vahaolana maharitra fa miainga amin’ny petatoko sy ny tandrametaka lava. Dia mbola haverina hatrany, fa tsy mbola nisy teo amin’ny tantaran’i Madagasikara angamba izany hoe : ao anatin’ny fotoana hikarakarana sy hiatrehana fanadinam-panjakana mihitsy no banga tsy misy minisitra tompon-toerana ireo minisitera telo tonta miantsoroka ny fampianarana sy fanabeazana. Efa izao no mitranga amin’ny BEPC ka asa na hahay handray lesona indray amin’ny bakalorea. Misy ilay fitenenana hoe : tsy mila baomba atomika raha te hamotika firenena fa ny fampianarana ao aminy no poteho ka izay ve ilay tiana hatao eto mba hanabadoana sy hanambakana ary hampahantrana hatrany ny Malagasy hifitsaka ?
Toky R


 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

fa kosa tsy azo atao ny mangina sy mikipy eo anatrehan’izao fahapotehana maro lafy izao.

Card image cap
22-oct-2024

Tao anatin’ny herinandro latsaka kely nanombohan’ny Asa Maharitra ho an’Antananarivo na AMA

Card image cap
22-oct-2024

Tsy zava-baovao ny fihetsiketsehan’ny mpanao politika mialohan’ny fampielezan-kevitra tahaka izao,

Card image cap
22-oct-2024

Taorian’ny Kaominina Alasora Avaradrano dia fantatra fa efa ahitana ilay lalao maloto momba ny fifidianana

Card image cap
21-oct-2024

Feno herintaona ny nisian’ny vondron-kery manokana vonjy taitra GFSI (Groupement des Forces Spéciales d’Intervention)

Card image cap
21-oct-2024

Tsy fampanantenana sy toky fitaka hatrany no ilaina, asa no ilain’ny vahoaka fa tsy fampanantenana poakaty, hoy ny kandida Tahina Razafinjoelina ny sabotsy teo,

Card image cap