hoy i Marc Ravalomanana omaly. Nambarany fa raha izao zava-misy izao dia tsy misy antenaina intsony ny hisian’ny fifandimbiasam-pahefana amin’ny alalan’ny fifidianana, ka nilazany fa tsy maintsy mijoro ary tsy hanaiky ny fangalaram-bato ny vovonana firaisankina. Miantso ny olom-pirenena rehetra tsy ankanavaka, hoy i Marc Ravalomanana, mba hijoro hiaro ny safidim-bahoaka. Ankoatra an’io anefa, nilaza io Filoha teo aloha io, fa rehefa tsy ho avy ny vahoaka sy ny herivelona malagasy dia samy mieritreritra. « Rehefa tsy mamaly anay ny vahoaka, dia iza no hilanja ny vokatra rehefa avy eo, iza no ho voa mafy. Averiko amin’ny vahoaka malagasy fa tsy manao izany fifanarahana izany aho, ka rehefa tsy ho avy ny vahoaka malagasy, na tsy ho avy ny herivelona malagasy dia samy mieritreritra isika. », hoy i Marc Ravalomanana nanamafy fa tena samy sahirana, tsy misy zavatra azo antenaina intsony. « Izaho anie miantso e, te hampivondrona ny hery rehetra aho handeha amin’ny lalan’ny demokrasia, handeha amin’ny safidin’ny vahoaka marina. Tsy natao ho herim-pamoretana mihitsy ny foloalindahy, aleo ny mpanao politika no hifampiresaka dia mifanazava tsara fa tsy mitsabatsabaka ny foloalindahy fa mijanona any an-dakazerina. Fa raha vao miditra ny miaramila, dia herim-pamoretana foana no mitranga. », hoy i Marc Ravalomanana. Manao filaza roa ve ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana fa miantso ny vahoaka saingy manasa tànana rehefa tsy mamaly ny maro an’isa ? Nisy moa ankoatra izay ny fanambarana niraisan’ny Vondrona Firaisankina izay nanamafy fa zotram-pifidianana feno hosoka tsy fanarahan-dalàna no nisy teto : fanakanana kandida, fitanilan’ny fitantanan-draharaham-panjakana sy volam-panjakana ho an’ny tombotsoa politika, kandida sahy nilaza fa kandidam-panjakana, fanokafana indray ny lisi-pifidianana nampidirana olona an’aliny, fanararaotana ny fahantram-bahoaka ka nividianana ny safidiny, fampiasana bileta efa voamarika sy fitaterana olona hifidy im-betsaka, fandikan-dalàna maro tsy nisiana fandraisan’andraikitry ny CENI,… Tsy mankato sy tsy hanaiky ireo voka-pifidianana azo tamin’ny alalan’ny halatra sy hosoka ireo izahay ary tsy maintsy hijoro sy handray andraikitra ary hitady ny fomba rehetra hamoahana ny tena safidim-bahoaka marina, hoy ny fanambarana. Nilaza fa nametraka ary mbola hametraka fitoriana miaraka amin’ireo porofo eny amin’ny Fitsarana aloha ho fanajana ny voalazan’ny Lalàna manantena fa hitsara araka ny Lalàna sy ny fahamarinana ary ao anatin’ny fahaleovantena tanteraka ny Fitsarana. Niantso ny hery velona rehetra misy eto amin’ny tany sy ny Firenena izahay hitsangana, hifanantona ary hanambatra ny hery hiatrehana sy hamaranana haingana izao famotehana ny Demokrasia sy ny ho avin’ny Firenena izao, hoy ny fanambarana. Hanao ahoana izany ny tohiny ? Ny teto Antananarivo sy ireo misy olana ihany no tsy ho hankatoavina sa ny rehetra mihitsy ka tsy handray ny toerana ireo lany ?
Toky R
Mafampana ny toe-draharaha ao Toliara amin’izao fotoana izao noho ny raharaha voka-pifidianana.
Tsy nitsitsy ny teo anivon’ny Transparency International-Initiative Madagascar (TI-MG) tao anatin’ny fanambarany
Miantso ny CENI mba handala sy hanaja ny fahamarinana ny Pr Joseph manoloana ny famoahana ny voka-pifidianana
Mankasitraka ny fiaraha-miasa amin’ny governoran’ny faritra Atsimo Andrefana,