airtel

Politique

04-juil-2024

Tsy levon’i Lalatiana R. ny fahareseny

« Fitsarana politika no nataon’ny HCC…»

Sample post image

Mbola tsy levon'ny vavonin’ny Minisitra teo aloha Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy ilay fahareseny tamin’ny fifidianana

04-juil-2024

solombavambahoaka tao Faratsiho, raha tarafina amin’ny fanehoan-keviny omaly. Nambarany tao amin’ny onjam-peony Free FM omaly, fa manaiky ny didy navoakan’ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana na ny HCC satria efa izay izany no izy, saingy tsy nanakana azy hitsikera mafy io rafitra io ho tsy nitsara araka ny tokony ho izy, ankoatra ny fiampangany hatrany ny mpanohitra ho nampiasa vola nanaovana hala-bato. "Tsy nitsara araka ny lalàna fotsiny ny HCC fa nitsara ara-politika. Ny porofo nitombina tamin'ny 2023 lasa tsy mitombina aty amin'ny 2024. Tsy maranin-tsaina ny mpanohitra, tsy tokony nitodika taty amiko manokana. 80 ny Kandidanay lany vonjimaika lasa 84, ka izao marin-toerana izahay IRMAR, tratra ny tanjona,...", hoy ny ampahan-tenin’i Lalatiana Rakotondrazafy. Nanitrikitrika noho izany ity farany, fa tamin’ny 2023 dia notsaraina araka ny lalàna fotsiny ny fitoriana nataon’ny kandida Rajoelina, ka nandraisan’ny HCC didy nanafoana ny vato azon’ny kandida Siteny Randrianasoloniaiko, fa taty amin’ny 2024 dia tsy toy izany intsony na fitoriana nitovy aza fa fitsarana araka ny politika no natao, kanefa narahina porofo mafonja ny azy raha ny filazany, saingy ny porofo nitombona tamin’izany lasa tsy mitombona intsony amin’izao ary tahaka izany ihany koa ny didy fakan-tahaka na « jurisprudence » tamin’ny 2023 sy tamin’ny 2019. Nambara fa fihetsika mitovy, olona iray no nanao azy satria efa nofoanana ny vatony tamin’ny 2019 saingy tsy mety intsony izany aty amin’ny 2024, hoy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy. Karazana eson-teny kely ihany no nilazany fa tsy maranin-tsaina na tsy « intelligente » ny mpanohitra teo anatrehan’ilay fitsimbadihan’ny 80 lasa 84 ka lasa azonay, hoy izy ny maro an’isa na tsy izay aza teo aloha, ka raha izy no natao sorona tsy olana aminy. Nambarany fa akaiky ny fanovana governemanta dia hamafisina ny fanenjehana azy mba tsy ho tafaverina ao anatin’izany. "Na tianareo na tsy tianareo dia manana lanja ara-politika ao anaty Fitondrana aho matoa enjehinareo sy anaovanareo angaredona. Distrika kely io ny anay any faratsiho fa dia nidina tany daholo ireo olon’ny mpanohitra, eny fa hatramin’i Marc Ravalomanana aza .", hoy hatrany i Lalatiana Rakotondrazafy. « Izaho mihitsy no « bête noire » an'ny manohitra, ataon'i Lalatiana mitapy mihitsy, hoy izy somary nihomehy. Tsy azo hihodivirana aho matoa atao tahaka izao. Na inona na inona ataonareo tsy mampihemotra ahy », hoy ity Minisitra teo aloha ity. Marihina fa efa fanindroany hatreto no nirotsaka hofidiana dia ny tamin’ny fifidianana ben’ny 2014 sy ny fifidianana depiote ny 2024, saingy resy hatrany hatreto. Na ny tao anatin’ny Fanjakana volomboasary aza betsaka no toa nifandramatra na ankolaka na mivantana taminy ary mety misy nively aponga tamin’ny tsy fahalaniany ! Dia tena hoe : ny tenany tokoa ve no atahoran’ny mpanohitra eo amin’ny lafiny politika ?
Toky R

 

 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

fa kosa tsy azo atao ny mangina sy mikipy eo anatrehan’izao fahapotehana maro lafy izao.

Card image cap
22-oct-2024

Tao anatin’ny herinandro latsaka kely nanombohan’ny Asa Maharitra ho an’Antananarivo na AMA

Card image cap
22-oct-2024

Tsy zava-baovao ny fihetsiketsehan’ny mpanao politika mialohan’ny fampielezan-kevitra tahaka izao,

Card image cap
22-oct-2024

Taorian’ny Kaominina Alasora Avaradrano dia fantatra fa efa ahitana ilay lalao maloto momba ny fifidianana

Card image cap
21-oct-2024

Feno herintaona ny nisian’ny vondron-kery manokana vonjy taitra GFSI (Groupement des Forces Spéciales d’Intervention)

Card image cap
21-oct-2024

Tsy fampanantenana sy toky fitaka hatrany no ilaina, asa no ilain’ny vahoaka fa tsy fampanantenana poakaty, hoy ny kandida Tahina Razafinjoelina ny sabotsy teo,

Card image cap