jiro tapaka, rano ritra, lasa mahafaty ny asa amin’izao fotoana izao.», hoy ny sekretera jeneralin’ity sendika ity, Barson Rakotomanga. Miandry izany isika, hoy izy, hoe inona no mba vahaolana entin’ny fanjakàna? Miha mafy hatrany izao izay fahatapahan-jiro sy rano izay. Tsy eto Antananarivo irery intsony fa any Mahajanga izao dia mampiaka-peo ny solombavambahoaka mikasika ny olan’ny rano. Tsy noheritreretina mihitsy izany hoe amin’izao fotoana izao, amina renivohitra isika, dia hanana olana rano, olana resaka jiro nefa ireo renivohitra misy orinasa no tena avokavoky ny fampandrosoana. Nihevitra, noho izany, izahay teto anivon’ny Randrana sendikaly, nivory niaraka tamin’ireo fiarahamonim-pirenena sy mpiasa ary mpiasa tena hoe andao atambatra ny hery dia izay no nahatonga an’iny KIMM na Komity iombonan’ny mpiasa malagasy iny teraka. Miheritreritra izany isika izao hoe tokony hiazakazaka hamaha olana ny fanjakàna, raha ny tokony ho izy, satria tsy ny mpiasa irery intsony na ny vahoaka fotsiny izany izao no mitabataba fa ny mpianatra eny amin’ny ambaratonga ambony izay minainaina amin’io resaka fahatapahan-jiro sy rano io. Efa tsy resahina intsony ny resaka vatsim-pianarana sy faharatsian’ny taona. Miditra amin’ny tena krizy lalina ara-tsosialy sy ara-toekarena izao ny firenena. Ny vahaolana entin’ny fanjakana dia hoe saziana indray ny mpanjifa raha ohatra ka tsy mahaloa ny jiro sy ranony ara-potoana. Maniraka ny mpiasa sy mpiasa tena izany satria efa manomboka betsaka izao ireo mpiasa toy ny mpanety, mpanefy vy, mpisehatra amin’ny tekinolojia toy ireny Cyber ireny, mpivarotra enta-madinika, mpivarotra amoron-dalana, taxi-moto, taxi-bisikileta sy ny maro izany hanatona anay satria samy minainaina daholo izao fa rehefa tonga any an-trano izy ireo ny hariva, tokony hoe mba fotoana hakàna aina na hanaovan-javatra hikarakana ny ao an-trano no tapaka koa ny jiro. Izany hoe sady tapaka ny atoandro no tapaka ny alina. Sahirana daholo nefa mba efa samy mihetsika hoe mba manao vadin’asa kely satria ny vidim-piainana efa tsy ho voafehin’ny fanjakàna dia vao mainka misy an’ity fa ny vahaolana entin’ny fanjakana ihany nefa no tsy hita. Fampitahorana indray ny azy no mandeha hoe mety hiakatra 5% ary ny zava-doza aza dia hoe mety hiafara amin’ny fanapahana jiro sy rano na fanesorana ny fanisana na «compteur» an’ny JIRAMA mihitsy. Efa tsy miheritreritra fampandrosoana intsony ny fanjakàna no dikan’izany fa miheritreritra ohatran’ny hoe maniraka ny vahoaka hoe mihetseha ianareo vahoaka, atambaro ny herinareo, na faly ianareo na tsy faly dia io no fanapahankevitra. Miheritreritra foana ny fanjakàna hoe fampitahorana amin’ny resaka mpitandro filaminana toy ny natao amin’ny mpianatra ve no andeha ho atao amin’ny mpiasa indray izany amin’izao fotoana izao? Raha manaraka tsinona isika dia ny mpiasa foana izany io tsy mahaloa vidin-jiro ara-potoana io satria hitantsika tsara hoe vao tonga ny faran’ny volana dia efa lany tamin’ny tapa-bolana mialoha iny vola ny faran’ny volana iny. Miandry ny manaraka indray akàna findramana na «avance» hiatrehana ny fivelomana manaraka. Toy izay izany amin’ny ankapobeny ny fiainan’ny mpiasa na miasa tena io na mandray karama isam-bolana. Tsy manana vahaolana intsony ny fanjakàna izany fa kiribiby amin’ny fanaovana famoretana sisa, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Miantso ny mpomba an’i Tojo Ravalomanana mba hanao fety fa aminay dia efa mandresy
Nisy fisondrotany 30 ka hatramin’ny 100% ny vidin’entana eny an-tsena tato anatin’ny 5 taona. Tena voakasika mivantana amin’io ny sakafo toa ny vary , hena,
Kaominina miisa 427 izany hoe 25,2 %n’ny kaominina eto Madagasikara no nahitana mpifidy nampiasa
Lehiben’ny fokontany mihoatran’ny 20 isa no tratran’ny mpifidy, ny mpanara-maso na «superviseur»
Mandray fitarainana samihafa toy ny tsindrihazolena, fanararaotam-pahefana,…