airtel

Politique

04-juin-2024

Tsy matotra mihitsy ny politika eto

« Amoron-tevana ny firaisankina sy fihavanam-pirenena»

Sample post image

Ny zava-misy ankehitriny dia ahatsapana fa tsy manao politika mihitsy isika ary tsy miaina intsony ny soatoavintsika,

04-juin-2024

hoy ny mpahaifiarahamonina sady filohan’ny Filankevitry ny fampihavanana malagasy na CFM teo aloha, Gérard Ramamimampionona. Tena miady isika izao, hoy izy, fa tsy mba manao ilay hoe adin’ombalahin’ny mpianakavy, izay maharesy tsy hobiana, izay resy tsy ankoraina. Tsy te hahalala izay hahasoa ilay firenena intsony fa lasa izay handrombahana fahefana fotsiny sisa no heverina hoe politika eto amin’ity firenena ity. Ampitovio ny olona rehetra amin’ny lalàna ary ampiharo amin’ny rehetra ny lalàna. Tsapa koa izao fa tsy matotra mihitsy ny politika eto. Mandeha io ny fifidianana dia vita ihany amin’ny ankapobeny ny mivondrona anatin’ny hoe Firaisankina, Kolekitifa, IRMAR, tsy miankina dia maninona raha tazomina izay fa tsy hoe misy antoko politika efa ho maherin’ny 200 isa eto dia samy hanao ny azy daholo? Tombontsoam-pirenena no katsahina sa toerana? Raha ny fivondronana no mitohy dia izay isika vao tena ho afaka hampandroso firenena fa raha izao ataontsika izao tsy fitiavan-tanindrazana ary tsy mitarika ny tena fahaleovantena ho an’ny firenena fa mahatonga antsika miady misaritaka sy mifampisintona any an-davaka. Efa amoron-tevana ny firaisankina sy fihavanam-pirenena. Mbola izao nefa no politika ataontsika. Efa mahantra ara-toekarena sy sosialy dia mbola mahantra ara-politika koa dia inona izany sisa ananantsika? Miantso ny rehetra aho mba hitandrina tsara tsy hitaran’izao zava-misy izao ho zavatra hafa fa aoka mba hisy ny fifanatonana hampanjakana ny fahamarinana, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Anisan’ireo fikambanana resy lahatra ny amin'ny vinan'ny Tahiana Razafinjoelina (TR) ny Tanora Miharisoa 67 ha

Card image cap
17-oct-2024

Mihamafy ny tsindry ho an’ny Fitondrana Rajoelina na efa mafy aza ny vesatra eo anatrehan’ny krizy ara-tsosialy

Card image cap
17-oct-2024

Mafampana hatrany ao Tsimbazaza ao anatin’izao fivoriana ara-potoana eo anivon’ny Antenimierampirenena izao.

Card image cap
16-oct-2024

Aok’izay, tsy atao sosety, tsy atao lafika izany intsony , tsy atao tohatra fiakaana izahay ambany tanana fa mila olona tena hitondra ny fanovana,

Card image cap
16-oct-2024

Ny fanotronan’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI

Card image cap
16-oct-2024

Niditra amin'ny fivoriana ara-potoana nanomboka omaly 15 oktobra ny antenimierampirenena.

Card image cap