airtel

Politique

02-oct-2024

Vahaolana ilain’ny firenena

Tsy politika ihany !

Sample post image

Miharihary ankehitriny fa tsy politika ihany na koa hoe ny lafiny politika ihany no

02-oct-2024

vahaolana ilain’ny firenena malagasy. Potika tanteraka amin’izao fotoana izao ny sosialim-bahoaka sy ny toekarem-pirenena manoloana ny olan’ny herinaratra sy ny rano. Ny orinasam-panjakana na «société d’état» niha lany tamingana nanomboka tany amin’ny taona 1991 noho nankaty. JIRAMA sisa izany izao no mitsipozipozy eo. Potika ny kaompaniam-pitaterana ana habakabaka, ny orinasa famokarana siramamy, ny orinasan-tsolika tamin’ny fotoan’andro. Ity orinasa Jiro sy rano malagasy ity izany izao sisa ary efa vaky ambatolampy koa moa tao anatin’ny 2 taona mahery teo izao fa maro ireo orinasa tsy miankina na koa orinasa vahiny miara-miombon’antoka sy mamatsy solika izany orinasa izany. Mbola an’ny malagasy tanteraka ve ny JIRAMA? Ny politika moa miha mankaleo ny maro an’isa satria toa sadasada avokoa fa tsy tena taratra ho te hamaha ny olam-pirenena marina na ny avy amin’ny fanoherana na ny avy amin’ny fanohanana ny fitondrana? Vao tsy ela ihany koa ny tomponandraikitra eo anivon’ny federasionina misahana tontolona fanatanjahantena iray no niaiky fa ny fanatanjahantena manontolo eto Madagasikara mihitsy izao no marary fa tsy ny taranja misy azy ireo fotsiny. ¼-dalana aza, hoy izy izay, eto ankalazaina toy ny fahazoana medaly volamena. Ny lafiny kolontsaina moa dia ireny iaraha-mahita mampiraviravy tanana fotsiny ny tomponandraikitra eraky ny tambazotran-tserasera ireny. Efa tsy kolontsaina intsony fa kolom-pitombenana, hoy ireo raiamandreny, mba tsy ilazana zavatra hafa na koa ivantanana hoe mamoafady mihitsy. Asa hoe iza izany izao no tsy gaga raha sahy niteny ny filoham-pirenena farany teo fa tsy isika intsony izao no mila vahaolana fa ny olona indray no mila antsika hamaha olana? Satria, hono, isika izany hanomboka hitondra ny SADC amin’ny volana aogositra 2025. Ny firenena nefa ity mbola farany mahantra.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Anisan’ireo fikambanana resy lahatra ny amin'ny vinan'ny Tahiana Razafinjoelina (TR) ny Tanora Miharisoa 67 ha

Card image cap
17-oct-2024

Mihamafy ny tsindry ho an’ny Fitondrana Rajoelina na efa mafy aza ny vesatra eo anatrehan’ny krizy ara-tsosialy

Card image cap
17-oct-2024

Mafampana hatrany ao Tsimbazaza ao anatin’izao fivoriana ara-potoana eo anivon’ny Antenimierampirenena izao.

Card image cap
16-oct-2024

Aok’izay, tsy atao sosety, tsy atao lafika izany intsony , tsy atao tohatra fiakaana izahay ambany tanana fa mila olona tena hitondra ny fanovana,

Card image cap
16-oct-2024

Ny fanotronan’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI

Card image cap
16-oct-2024

Niditra amin'ny fivoriana ara-potoana nanomboka omaly 15 oktobra ny antenimierampirenena.

Card image cap