airtel

Politique

20-août-2024

Valifaty politika

Fofoina an-kolaka ny ain’i Malama…

Sample post image

Niely ny resaka omaly tolakandro fa tratry ny tsy fahasalamana tao am-ponja i Mahery Lanto Manandafy na Malama.

20-août-2024

Samy nametra-panontaniana ny mikasika an’io ny rehetra, ka nohamafisin’ny vadiny Rtoa Doris Rakoto Samuel, ka nambarany fa voan’ny AVC (Accident Vasculaire Cérébral) izany hoe : fahatapahana làlan-drà i Mahery Lanto Manandafy, ka naiditra hopitaly nanomboka ny sabotsy 17 aogositra lasa teo. Raharaha maromaro no nanenjehana sy nanagadrana azy : efa nohelohina 6 volana sazy mihatona sy lamandy 6 tapitrisa Ar ny janoary 2022 noho ilay vaovao mikasika tetezana tany amin’ny RN2, ka nilazany tamin’izany, ka nilazany tamin’izany fa afa-po tamin'ny didim-pitsaràna izy. Naharay lesona izy araka ny voalazany ary nilaza ampahibemaso fa tsy haniratsira ny Filoham-pirenena sy ny fitondram-panjakana intsony. Notorian’ny vazaha antsoina hoe: Olivier Blancard izay nanaovany ampamoaka ho mpamatsy bala ny dahalo ary miaramila eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika no nambarany fa nanatitra izany izy, ka nampidirana am-ponja vonjimaika ny 30 septambra 2022. Nivoaka ny fonja ny fonja ny 31 desambra 2022, nanao fandaharana manokana tamin’ny fahitalavitra vao tafavoaka, ka isan’ny nambarany tamin’ny fandaharana ny 02 janoary 2023, fa efa hitany ny fonja, izay farantapony amin'ny antsonjay, fa tsy ampihemotra azy izany ary hanohy ny tolona. Nosamborina ary naverina am-ponja indray ny 4 janoary 2023, ka noho ny raharaha Dr Benessy izay nanamelohana azy herintaona an-tranomaizina araka ny didy tamin’ny 31 desambra 2020 no voalaza fa antony.

TOKONY HO EFA HIVOAKA ?
Ny 31 janoary 2023, voaheloka telo taona sy tapany sazy mihatra an-tranonomaizina I Mahery Lanto Manandafy. Ny 18 volana dia sazy azony tamin’ny fitorian’ilay Vazaha azy noho ny fiampangana fanalam-baraka ary 2 taona kosa noho ny fitorian’ilay mpitandro ny filaminana azy. Tsy nahazo rariny kosa i Mahery Lanto Manandafy tamin’ny fitoriany an’ilay vazaha ho nandrahona azy ho faty, raha tsiahivina. Raha raisina amin’ny lalàna hoe : izay sazy ambony no raisina, dia ilay 2 taona izany no saziny, izay raha kajiana amin’ilay 30 septambra 2022 nanombohan’ny nitazonana am-ponja azy, dia tokony ho vita ny 30 semptambra 2024 saingy mampametra-panontaniana hoe : izay ve no tena fipetrany sa 36 volana mitohy?

AMPIJALIANA SY AMPANGININA…
Miantraika aman’aina ny fanenjehana ny zanak’Itompokolahy Manandafy Rakotonirina, izay nanana ny tantarany tamin’ny tolona teto amin’ny firenena ity. Anisan’ireo tsy nisorona sy tsy nitsitsy teo anetrah’ny toe-draharaha samihafa indrindra fa ara-politika i Mahery Lanto Manandafy, nanao ampamoaka maro samihafa tamin’ireo afera nivaivay teto amin’ny Firenena, toy ny tsy fahombiazam-pitantana, afera maloto,... Betsaka noho izany no tsy faly taminy, ary tsy vitsy no mieritreritra fa efa nandrasana an-kendritohana izy. Misy endrika valifaty sy antsojay politika ka nampirimina tany am-ponja ho fampanginana azy ? Sanatrian’ny vava ampijaliana sy fofoana ankolaka mihitsy ny ainy matoa tonga amin’izao fahatapahana làlan-dra izay mety hiteraka takaitra mandra-maty ?


Tsara ny mampahatsiahy fa andro iray no nampidirana am-ponja an’i Mahery Lanto Manandafy sy Stan’Ley Ramarivelo izay samy ny 30 septambra 2022 saingy tsy mbola re hatramin’izao ny tohin’ny raharaha mikasika ity farany roa taona aty aoriana.
Toky R

 


 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Anisan’ireo fikambanana resy lahatra ny amin'ny vinan'ny Tahiana Razafinjoelina (TR) ny Tanora Miharisoa 67 ha

Card image cap
17-oct-2024

Mihamafy ny tsindry ho an’ny Fitondrana Rajoelina na efa mafy aza ny vesatra eo anatrehan’ny krizy ara-tsosialy

Card image cap
17-oct-2024

Mafampana hatrany ao Tsimbazaza ao anatin’izao fivoriana ara-potoana eo anivon’ny Antenimierampirenena izao.

Card image cap
16-oct-2024

Aok’izay, tsy atao sosety, tsy atao lafika izany intsony , tsy atao tohatra fiakaana izahay ambany tanana fa mila olona tena hitondra ny fanovana,

Card image cap
16-oct-2024

Ny fanotronan’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI

Card image cap
16-oct-2024

Niditra amin'ny fivoriana ara-potoana nanomboka omaly 15 oktobra ny antenimierampirenena.

Card image cap