ny politika, indrindra fa ny fifidianana. Mitodika etsy Ambohidahy ny mason’ny mpanara-baovao ho an’ny anio satria amin’ity alakamisy 27 jona 2024 ity amin’ny 10 ora maraina no hanambara amin’ny fomba ofisialy ny valim-pifidianana solombavambahoaka natao ny 29 mey lasa teo ny ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na ny HCC. Andrasan’ny rehetra ny valim-pifidianana manoloana ireo raharaha mafana samihafa, toy ny ao Faratsiho, ny any Ambatofinandrahana, ny Morondava, ny etsy amin’ny Boriborintany III eto Antananarivo,… Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ny ao Faratsiho izay mandeha ny feo amin’ny mety ho fanatsimbadihana ny fandresen-dRamilison Nomenjanahary na Mily izay mitarika amin’ny elanelan’isa 2351. Mandeha hatramin’ny feo, fa raha minia manohitra an’izany i Mily dia hogadraina hampanginana azy satria tsy maintsy havotana ny kandidam-panjakana Lalatiana Rakotondrazafy, izay hany tsy lany raha ny voka-pifidianana vonjimaika. Tahaka izany ihanany koa ny tany Ambatofinandrahana, izay nisian’ny fiampangana nataon’ny kandida Christine Razanamahasoa izay naneho fa tena nisy ny fizaram-bola sy fividianana safidim-bahoaka, nandika lalàna ny Filoham-pirenena izay nanao propagandy,… Nisy hatramin’ny fanakatonana ny haino nanohana an-dRtoa Christine Razanamahasoa moa tany an-toerana. Raha ny vokatra vonjimaika, mitarika 55,96% ny kandida Richard Razafindrabary ary 44,04% Rtoa Christine Razanamahasoa. Tsy atoro voanjo hadiana amin’ny resaka lalàna ity Minisitra sy Filohan’ny Antenimierampirenena ity, ary heverina fa manana ireo porofo mavesatra nentiny nanohanana ny fitoriany. Ny vahoakan’Ambatofinandrahana ihany koa nihetsika avy hatrany naneho ny fanohanany ity PAN teo aloha ity. Hanome rariny azy ve anefa ny HCC izay efa nampiasaina nanongana azy tsy ho PAN sy tsy ho depiote tsy nananajana ny dingana samihafa voalazan’ny lalàna ? Isan’ny andrasan’ny maro ihany koa ny voka-pifidianana etsy Antananarivo III izay resy ao anatin’ny vokatra vonjimaika ny kandidam-panjakana, saingy kely ny elanelam-bato na dia 3% aza ny eo aza ny elanelana, raha atao amin’ny isan-jato. Efa mazava ny làlana ho an’ny kandida tsy miankina Gascar Fenosoa nahazo 30,04% fa ny faharoa no asa na ho voatazona amin’io na tsia ? Nahazo vato 6264 ny kandidan’ny IRMAR Raharison Gabrielle, manome 22,80%, laharana fahatelo vonjimaika. Laharana faha-2 kosa ny kandida Feno Ralambomanana avy amin’ny Firaisankina izay nahazo vato 6918 manome 25,18%. Any Mahajanga I sy Mahajanga II ihany koa dia toriana mba hofoanana ny vaton’ny kandida Afakandro Christian avy amin’ny Firaisankina sy ny kandida tsy miankina Orlando Ramananarivo. Roa ny depiote ho an’i Mahajanga I, ka mitarika lavitra be 44,52% ny kandida Afakandro Christian raha 26,45% ny kandidam-panjakana Rahantanirina Lalao. Any Mahajanga II kosa dia resy ilay kandida nilaza fa « Jaolahy » ny tenany, nanao vava be fa izy no hiantoka ny « caution » an’ny kandida Orlando. Nivaly ny fifidianana kinanjo resy amin’ny isan-jato 42,81% ny kandida IRMAR Rasalama Léon na «Jaolahy », ary 57,19% kosa ny kandida Orlando Ramananarivo. Ho voatazona io sa hatsimbadika ? Ampahany ireny, fa betsaka ireo raharaha andrasan’ny maro eo anatrehan’ny fitoriana an’arivony. Tena nojerena ve ireo indrindra fa ny an’ny mpanohitra sa fombafomba ny fitoriana fa ny valiny efa fantatra ? Ny anio no hamaly azy !
Toky R
Tafaresaka tamin’ny gazety Tia Tanindrazana, momba ny raharaham-pirenena sy ireo
Tsy misy andro iray mandalo eto ka tsy andrenesana hoe nisy fivoriana, atrikasa, famelabelaran-kevitra, fiofanana.
Manome vahana ny mpanao didy jadona ny fahanginan’ny vahoaka»
Potika ny fanaovana politika eto Madagasikara, raha ny fihetsika politika na
Nahafahana nitsapa tsara ny alalin’ny rano eo amin’ireo mpitodra fanjakana eto madagasikara sy ny mpomba azy
Tafiditra ao amin’ny sokajy fitondrana "hybride", izay manambatra ny demokrasia amin'ny