airtel

Politique

01-déc-2023

Valim-pifidianana kirakirain’ny HCC

Mahavariana ihany raha ho tafavoaka anio sahady

Sample post image

Taitra ny ankamaroan’ny mpanara-baovao omaly nahita ny sarin’ny zava-misy teny amin’ny HCC na Fitsarana avo

01-déc-2023

momba ny lalàmpanorenana eny Ambohidahy eny. Rakin-tsoratry ny valim-pifidianana manerana ny nosy, raha ny fahitana azy avy ety ivelany, ary mifono anaty gony maro no misy maka sy mijery tsirairay. Taratasy io dia jerena amin’ny tanana, toy ireny mijery laza adina amin’ny BEPC na Bakalorea ireny. Ireo gony amin’io miparitaka eraky ny efitrano. Izao no fikirakiran’ny HCC ny valim-pifidianana nataonareo lazainy fa manan-danja, hoy ny mpanara-baovao sasany. Mahavariana ihany raha ho tafavoaka anio sahady ny vokatra ofisialy mikasika izany raha ireny tranga hita ho niseho omaly ireny aloha ary dia apetraka ihany koa ny fanontaniana mikasika ny hoe aiza ho aiza ao anatin’ireny izany ny fampiasana ireo lazaina fa tekinolojia avo lenta na rindram-baiko manaraka ny toetr’andro? Inona no antony tena hiazakazahana amin’ny famoahana ity raharaha ity? Isan’ireo fanontaniana heverina fa fototra mila valiny miaraka amina porofo mafonja izany.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Anisan’ireo fikambanana resy lahatra ny amin'ny vinan'ny Tahiana Razafinjoelina (TR) ny Tanora Miharisoa 67 ha

Card image cap
17-oct-2024

Mihamafy ny tsindry ho an’ny Fitondrana Rajoelina na efa mafy aza ny vesatra eo anatrehan’ny krizy ara-tsosialy

Card image cap
17-oct-2024

Mafampana hatrany ao Tsimbazaza ao anatin’izao fivoriana ara-potoana eo anivon’ny Antenimierampirenena izao.

Card image cap
16-oct-2024

Aok’izay, tsy atao sosety, tsy atao lafika izany intsony , tsy atao tohatra fiakaana izahay ambany tanana fa mila olona tena hitondra ny fanovana,

Card image cap
16-oct-2024

Ny fanotronan’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI

Card image cap
16-oct-2024

Niditra amin'ny fivoriana ara-potoana nanomboka omaly 15 oktobra ny antenimierampirenena.

Card image cap