airtel

Politique

23-déc-2024

Valim-pifidianana nitsimbadika

Nikorapaka ny CENI, miakatra ny maripana

Sample post image

Mafampana hatrany ny toe-draharaha politika mikasika ny voka-pifidianana teto Antananarivo.

23-déc-2024

Niporitsaka avy tao amin’ny tranonkalan’ny CENI ny sabotsy 21 desambra tokony ho tamin’ny 6ora sy 25 minitra ny voka-pifidianana mampandresy an’i Tojo Ravalomanana, raha ny fizaram-baovao niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera. Nivoitra tao anatin’io fa nandresy tamin’ny salan’isa 42,21% tamin’ny alalan’ny mpifidy 106 643 ity farany, raha toa ka 37,75% na mpifidy 95 374 Rtoa Harilala Ramanantsoa, ary 11,7 0% na 29 568 Atoa Tahina Razafinjoelina. Haingana dia haingana ny fanakatonana ny tranonkalan’ny CENI taorian’io, narahin’ny fanambarana nilaza hoe : « miato vonjimaika ny tranokalan’ny vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana noho ny fisian’ireo tsy mataho-tody « manandrana miditra » amin’izany tranokala izany ary manova ny vokatra izay taratry ny safidim-bahoaka. ». Rehefa nandeha ny kiana samihafa vao nahitsy hoe : « Misy tsy mataho-tody miditra ». Nambara fa fihetsika entina hamiliviliana ny safidim-bahoaka sy hanakorontanana ny firenena izao. Nohamafisina fa ny vokatra navoaka ny 20 desambra mampandresy an’i Harilala Ramanantsoa no tena izy. Nilatsaka avy hatrany ihany koa ny fanambaran’ny zandarimariam-pirenena nilaza hoe : « Manoloana ny famoahana valim-pifidianana diso atao ao anaty tambazotra serasera, ampahatsiahivina ny rehetra fa fandikan-dalana voarara sy faizin'ny fehezan-dalana manan-kery ny famoahana sy fanelezana vaovao tsy marina. Hamafisina fa ny CENI irery ihany no afaka mamoaka ny valim-pifidianana vonjy maika rehetra. Noho izany ny vokatra hafa ivelan'ny avoakan'ny CENI sy izay vokatra hafa natao an-tsokosoko sy nanaovana hosoka dia tsy manan-danja sy tsy manan-kery ary voararan'ny lalana. ». Tao amin’ny tranonkala na Site web an’ny CENI no niainga ny raharaha. Nambara fa nisy nikasa hiditra na nisy niditra saingy mampametra-panontaniana ihany hoe : tranonkalam-panjakana lehibe tahaka ireny izay manana ny rafi-pitantanana manokana amin’ny alalan’ny « Direction de système informatique » ve dia ho mora ny miditra aminy sy hanova ny vokatra ao ? Raha tena tratry ny « piratage » nataon’ireo lazaina fa « Hackers » ve dia ho tafaverina ao anatin’ny fotoana fohy sy afaka nanidy azy avy hatrany ny eo anivon’ny CENI ? Tena hoe : vitan’Atoa Jean Luce Randriamihoatra izay mpikirakira informatika sy mpamoaka antontan’isa amin’ny tambajotran-tserasera ary manao kiana mamely ny fitondrana ve ny hiditra amin’ny tranonkalan’ny CENI ka nisamborana azy sa atao sorona na « bouc émissaire » ? Niteny tamin’ny naimpony ve ny mpitandro ny filaminana sa nampitenenina ary tena efa nahalala sy nahafehy ilay toe-javatra nitranga tao amin’ny CENI ve ?

TSY MISY FIFAMPATOKISANA INTSONY !
Ifandroritana mandrak’androany ny fandresena ka tena vonona hiady amin’ny alalan’ireo dingana samihafa ankoatra ny fitoriana efa natao ve ny TIM ? Vonona hifampitady amin’ny fampitahana ny fitanana an-tsoraka na « PV » ve ? Hiady sy hitolona hatramin’ny farany hitaky ny fandresena ? Ara-politika sy ara-drafitra, miharihary hatrany ny tsy fifampatokisana intsony, tsy azo antoka ny fifidianana, betsaka ny tsy fanarahan-dalàna, tsy azo antoka ny voka-pifidianana, tsy azo antoka ny rafitra mpikirakira ny fifidianana,… fa toa teren-ko masaka sy hatao tian-kano tsy tian-kano. Mafampana ny toe-draharaha saingy mahatoky tena ny mpitondra, kanefa mety ho pitik’afo hiteraka fipoahana goavana ny zava-misy eo anatrehan’ny fahasosorana politika maro, ny olana ara-toekerana, ny krizy ara-tsosialy,…
Toky R

 

Dans la même rubrique

15-janv-2025

Mafampana ny toe-draharaha mikasika ny fifidianana ao Toamasina I. Nanamafy fa hijoro

Card image cap
15-janv-2025

Nafotaka ny fifampitorian’ireo samy kandidà ho ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra noraisina

Card image cap
15-janv-2025

Efa tany amin’ny taona 1913 no nanomboka ny lalàna momba ny fisaharahan’ny

Card image cap
14-janv-2025

Andrasana tsy ho ela ny voka-pifidianana eto Antananarivo Renivohitra taorian’ny fiakarana fampanoavana mikasika

Card image cap
14-janv-2025

Anatin’ny kihon-dàlana farany amin’ny fitsarana ny raharaham-pifidianana ireo Tribonaly misahana ny ady

Card image cap
14-janv-2025

Miantso ny mpitondra fanjakàna izay raiamandreny, hoy ny antoko politika Natiora.

Card image cap