airtel

Politique

07-oct-2024

Vanim-potoanan’ny fifidianana

Raikitra ny filalaovana ny fahoriam-bahoaka

Sample post image

Efa tafiditra ao anatin’ny hazakazaka ara-pifidianana isika amin’izao fotoana izao.

07-oct-2024

Rahampitso no hamoaka ny lisitra ofisialin’ireo kandida ny CENI, arahin’ny antsapaka momba ny filaharana anaty bileta tokana ny alarobia ho avy izao. Samy manana ny heveriny fa paikady mahomby hahazoana fandresena sy hisintonana ny mason’ny mpifidy ny kandida na dia mbola tsy tena tafiditra anatin’ny propagandy izay ny 19 novambara vao hanomboka aza isika. Ny manahirana sy mampalahelo eny fa mety hahatsiakaiky ihany koa anefa, dia raikitra indray ny politiksa sosialista miainga amin’ny kivonjivonjy tavanandro hanehoana fa miasa sy mitsinjo vahoaka, anehoana fa manampy ny Malagasy ao anatin’ny fahasahirana. Tsy fomba fiasa andavanandron’ny kandida na ny mpanao politika io, fa fomba fiady hanjonoana vahoaka amin’ny vanim-potoanan’ny fifidianana. Teo aloha, nandeha ny fampifanarahana ny fandaharam-potoan’ny Filoha nitety faritra nizara jiron’akoho, dia io indray ny fanaovana pimaso amin’ny kizarazara vola, izay fanohana fangorahana avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena. Toe-javatra maneho, fa tena mahantra fadiranovana ny Malagasy noho ny tsy fahaiza-mitantana.

HATAO FITAOVANA NY FAHANTRAM-BAHOAKA
Dia iny ny Filoham-pirenena ny herinandro teo nilaza fa mahatsapa ny fahantrana, ka nametraka ho laharam-pahamehana anatin’ny fohy ezaka nitady vola hozaraina ho an’ny Malagasy amin’ny alalan’ilay « Tetikasa Tsimbina » vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena 10 tapitrisa dolara. Namerina indray fa niady varotra ka raha tokantrano 657 000 dia lasa 820 000 ary raha 50 000 Ar teo aloha dia lasa 200 000 sy 250 000Ar. Nanao pimaso ho an’Antananarivo ka nilaza fa raha tokony ho tokantrano 17 000 dia niady ka lasa 180 0000 hatramin’ny 200 000 tokantrano. Tena izay ve no tadiavin’ny Malagasy sa famoronan’asa, fananan’asa, fahafaha-mamokatra,… Dia lasa fakan-tahaka ny politika sy fomba fiasa tahaka ireny, ka io fa nizara rano sy manao serasera mafy ihany koa ny depiote iray mirotsaka hofidiana ho ben’ny tanàna eto Antananarivo Renivohitra noho ny olan’ny rano eto Antananarivo. Ny jirama irery no manana. Ny jirama anefa milaza fa tsy ampy ny vokariny ary izay no fototry ny olana. Ka nahoana no omeny manokana ilay depiote hozarainy ? hoy ny fanamarihan’ny olona. Etsy andaniny io depiote io milaza fa Tsy nahandry ny fihaonany tamin’ny jirama. Dia Rano avy taiza izany ilay nozarainy ? Satria rehefa tsy ranon’ny jirama dia Rano tsy madio (non-potable) izany, hoy ny fanamarihana.

TENA IZAO VE NO VAHAOLANA ?
Tsy ny fanehoana fa miasa sy manampy ary mitsinjo vahoaka ao anatin’izao fahasahirana izao no olona sao hisy hiteny indray hoe : ny tsy manao ihany no manakiana. Ny olana, dia ny endrika fanararaotana ny fahoriam-bahoaka hoentina hampalazana tena, hakana ny fon’ny olona rehefa fifidianana. Betsaka ny olana fototra, ny fahantrana mandifotr’olona, ny krizy ara-tsosialy, ny tsy fananan’asa,… izay tena mila vahaolana maharitra, mila politika mahomby,… Raha tsy misy ny jiro sy rano, ny fizarana jiron’akoho sy fizarana rano vonjy tavandro rehefa akaiky fifidianana ve no vahaolana sa ny fametrahana politika mazava sy tetikasa mahomby miainga amin’ny fampiasana ny volam-panjakana fa tsy laniana amin’ny kirendrarendra ? Tsy vao izao no ory rano sy mahantra ny vahoaka koa nahoana no efa anaty fifidianana vao mandeha ny fanjonoana olona samihafa ? Mandra-pahoviana ary no hizara vola sy hizara rano amin’ny « bidon jaune » ?
Toky R

 

Dans la même rubrique

20-nov-2024

Efa ela no nitolomantsika, vao tamin’ny herintaona no nisy naratra, nisy nogadraina tamin’ny hetsika,

Card image cap
20-nov-2024

Tsy hoe zava-baovao no atao ankehitriny fa fanohizana ny tolona natomboka ny taona 2023,

Card image cap
20-nov-2024

tafa, niavaka, tsy fahita firy, vina sy faharesen-dahatra, hita hoe mila fanovanatokoa ny olona. Maro be no tonga kanefa tsy nisy nosandaina

Card image cap
20-nov-2024

Eto Antananarivo no fiantombohan’ny fanovana, ary isika tsy hanaiky hataon’ny olona lafika intsony.

Card image cap
20-nov-2024

Tsy vaky ny Kolekitifa an’ny Malagasy ary manohana an’i Tahina Razafinjoelina avokoa !

Card image cap
20-nov-2024

Naneho ny heviny sy fijeriny mikasika ny fifidianana ben’ny tanàna eto Antananarivo Renivohitra i Andry Herinjaka

Card image cap