airtel

Politique

06-juin-2024

Voka-pifidianana isaky ny Birao fandatsaham-bato

Avoahy amin’ny tranonkalan’ny CENI, hoy ny KMF-CNOE

Sample post image

Miantso ny CENI mba hamoaka ny vaovaon’ny valim-pifidianana isaky ny birao fandatsaham-bato,

06-juin-2024

amin’ny alalan’ny tranokalany sy ny tambazotran-tserasera ny KMF-CNOE Fanabeazana olom-pirenena omaly, tao anatin’ny fanambarana Lah. 04/ Fan/ Jona/ 2024/KMF-CNOE nataony. Tanjona ao anatin’io ny mba hisorohana ny resabe mandeha fa fanaronana hala-bato io famoahana ny fironana ankapobeny fotsiny io. Betsaka rahateo ireo ahiahy, ary tsy vao sambany tamin’ny fanairana mikasika ny karazana filalaovana ilay fironam-bokatra avoakan’ny CENI ity nataon’ny KMF-CNOE ity. Raha tena misy ny finiavana hamoaka ny mangarahara dia tsy tokony hisy ny olana amin’ny famoahana an’io, ary ahafahan’ny rehetra indrindra fa ireo kandida mampitaha hoe : tena ny voka-pifidianana tena izy tokoa ve no avoaka sa ny tetika maloto hoentina mampandresy ny kandida sasany.
Toky R
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

fa kosa tsy azo atao ny mangina sy mikipy eo anatrehan’izao fahapotehana maro lafy izao.

Card image cap
22-oct-2024

Tao anatin’ny herinandro latsaka kely nanombohan’ny Asa Maharitra ho an’Antananarivo na AMA

Card image cap
22-oct-2024

Tsy zava-baovao ny fihetsiketsehan’ny mpanao politika mialohan’ny fampielezan-kevitra tahaka izao,

Card image cap
22-oct-2024

Taorian’ny Kaominina Alasora Avaradrano dia fantatra fa efa ahitana ilay lalao maloto momba ny fifidianana

Card image cap
21-oct-2024

Feno herintaona ny nisian’ny vondron-kery manokana vonjy taitra GFSI (Groupement des Forces Spéciales d’Intervention)

Card image cap
21-oct-2024

Tsy fampanantenana sy toky fitaka hatrany no ilaina, asa no ilain’ny vahoaka fa tsy fampanantenana poakaty, hoy ny kandida Tahina Razafinjoelina ny sabotsy teo,

Card image cap