airtel

Politique

17-mai-2024

Vola volamena 50 Ariary

«Misy ifandraisany amin’ny fifandraisantsika amin’ny arabo»

Sample post image

Tsy nisy fitsabatsabahana nataon’ny vondrona eoropeanina loatra tamin’ny zava-nisy

17-mai-2024

voalaza ho antony nandroahana ny masoivohon’izy ireo, Isabelle Délatre, farany teo, hoy ny minisitry ny raharaham-bahiny teo aloha, Paraina Auguste. Zavatra marina, hoy izy, no nambara. Izy manao ny fanamboaran-dalana. Isika manao ny fikojakojana nefa tsy vitantsika ilay izy. Tsy maintsy miteny izy. Toy izay koa ilay resaka famosirana na «castration» iny. Nanao sonia fifanarahana iraisampirenena momba ny zon’olombelona isika dia avy eo anefa manao zavatra manitsaka zon’olombelona toy ireny. Tsy ny ambasadaoro ihany no niteny fa nanaraka koa avy eo ny eveka Katolika. Mihevitra ny fitondrana fa hanilika ny mpamatsy vola mahazatra dia ho moramora ny hahazoana famatsiam-bola amin’ireo firenena arabo. Misy resaka takalo isan-karazany io. Ao anatiny ireny volamenantsika ireny. Misy ireny banky Islamika ireny. Misy koa ny famatsian’ny OPEP. Hafa ihany ny miaraka amin’ny vondrona eoropeanina. Tsy manakana fiaraha-miasa hafa izany. Mila jerena tsara ny resaka diplomasia fa tsy hoe entim-po fotsiny dia andao ity roahina. Na tiana na tsy tiana tsy maintsy misy ifandraisany io resaka vola volamena 50 Ariary sy fifandraisantsika amin’ny firenena arabo io. Mivoaka koa izao ny lahatsoratra samihafa momba ny fananan’ireo mpitondra afrikanina toy ny any Dobay. Io volamena io no mampalaza an’i Dobay. Miditra ao daholo ny volamena dia mampahafantatra fotsiny ianao hoe avy any Madagasikara ity na avy any Mali na avy aiza. Tsy misy iraharahiany izay fihaviany fa rehefa volamena dia ao, hoy hatrany ny fanazavany.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Anisan’ireo fikambanana resy lahatra ny amin'ny vinan'ny Tahiana Razafinjoelina (TR) ny Tanora Miharisoa 67 ha

Card image cap
17-oct-2024

Mihamafy ny tsindry ho an’ny Fitondrana Rajoelina na efa mafy aza ny vesatra eo anatrehan’ny krizy ara-tsosialy

Card image cap
17-oct-2024

Mafampana hatrany ao Tsimbazaza ao anatin’izao fivoriana ara-potoana eo anivon’ny Antenimierampirenena izao.

Card image cap
16-oct-2024

Aok’izay, tsy atao sosety, tsy atao lafika izany intsony , tsy atao tohatra fiakaana izahay ambany tanana fa mila olona tena hitondra ny fanovana,

Card image cap
16-oct-2024

Ny fanotronan’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI

Card image cap
16-oct-2024

Niditra amin'ny fivoriana ara-potoana nanomboka omaly 15 oktobra ny antenimierampirenena.

Card image cap