airtel

Politique

29-août-2023

Vondrona G5

« Loza ho an’ny firenena io fifidianana io »

Sample post image

Naneho ny alahelony ary naneho fiaraha-miory nanoloana ireo namoy aina sy naratra noho ny fifanosehana hijery ny

29-août-2023

fanokafana ny lalaon’ny nosy teny Mahamasina ny faran’ny herinandro teo omaly ny vondrona politika G5. Manoloana ny raharaham-pirenena kosa dia namoaka fanambarana tetsy 67ha izy ireo fa mazava ny voalazan’ny andininy faha 42 ao amin’ny sata mifehy zom-pirenena malagasy sy ny andininy faha 46 ao amin’ny lalàmpanorenana fa tsy tokony hisy fifandroritana intsony ny amin’ny tokony hampiharana ny lalàna manan-kery. Raha misy mikipy hamoaka zom-pirenena malagasy ho an’i Andry Rajoelina, hoy izy ireo, dia tomponandraikitra amin’ny fikorontanana misy amin’ny firenena izy ireo. Miantso ny olompirenena tia tanindrazana rehetra mba hijoro hatramin’ny farany hiaro sy ho sarotiny amin’ny fiarovana ny fiandrianam-pirenena hametrahana ny tany tan-dalàna eto Madagasikara. Manjavozavo hatreto ny mikasika ny lisi-pifidianana sy ny asan’ny CENI. Takian’ny G5 ny hamoahan’ny CENI ny lisitry ny fokontany nanaovana ny fanisana na “recencement” isaky ny kaominina sy ny anaran’ny olona voasoratra anarana. Misintona ny feon’ny fiheritreretan’ireo kandida milaza hirotsaka fa loza ho an’ny tanindrazana ny firosoana amin’ny fifidianana amin’izao endriny izao. Miantso ny herivelona rehetra mba ho tonga handray anjara mavitrika amin’ny fikaonan-doham-pirenena iaraha-mitady vahaolana sy ny fandaminana ny fiainam-pirenena mba hisorohana amin’ny korontana mety hisy eto amin’ny firenena. Miisa 4 tapitrisa mahery eo ny tanora tsy ampy taona mbola tsy tafiditra anaty lisi-pifidianana. Mangataka fanovana lalàmpanorenana ny G5, ny famoahana ireo gadra politika, fampiharana lalàna eto. Handray anjara amin’ny fampihaonana ataon’ny FFKM rahampitso (TTF: anio) izahay ary heverinay fa zava-dehibe io. Mirary vahaolana sy fandeferana avy amin’ny fitondram-panjakana ankehitriny izahay. Mba tena hijery ny tombontsoam-pirenena jka handray anjara amin’io fikaonandoham-pirenena io, hoy hatrany ny G5.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

fa kosa tsy azo atao ny mangina sy mikipy eo anatrehan’izao fahapotehana maro lafy izao.

Card image cap
22-oct-2024

Tao anatin’ny herinandro latsaka kely nanombohan’ny Asa Maharitra ho an’Antananarivo na AMA

Card image cap
22-oct-2024

Tsy zava-baovao ny fihetsiketsehan’ny mpanao politika mialohan’ny fampielezan-kevitra tahaka izao,

Card image cap
22-oct-2024

Taorian’ny Kaominina Alasora Avaradrano dia fantatra fa efa ahitana ilay lalao maloto momba ny fifidianana

Card image cap
21-oct-2024

Feno herintaona ny nisian’ny vondron-kery manokana vonjy taitra GFSI (Groupement des Forces Spéciales d’Intervention)

Card image cap
21-oct-2024

Tsy fampanantenana sy toky fitaka hatrany no ilaina, asa no ilain’ny vahoaka fa tsy fampanantenana poakaty, hoy ny kandida Tahina Razafinjoelina ny sabotsy teo,

Card image cap