iraisam-pirenena taorian’ny fanononan’ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana ny voka-pifidianana ofisialy ny zoma 1 desambra 2023 lasa teo ka nanambarana fa nandresy tamin’ny fiodinana voalohany i andry Rajoelina.
DIPLAOMASIA MODY FANINA
Ny atoandron’ny nahavitan’ny lanonam-pitsarana teny Ambohidahy ihany dia efa namoaka fanambarana iombonana ireo masoivoho vahiny monina sy miasa eto Madagasikara ; izy ireto ilay antsoina hoe mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola amin’i Madagasikara, ireo mpamatsy vola izany raha tsorina ny resaka. Fanambarana diplaomatika no natao, ary zavatra efa fanao maneran-tany. Raha vao nandeha ny propagandy, nisy ny latsa-bato ny 16 desambra, nanatrika eny fa na dia mety tamina toerana vitsivitsy notsongaina ihany aza ireo mpanara-maso iraisam-pirenena dia efa tsy misy resaka be atao intsony fa dia manaiky ilay zotram-pifidianana ireo mpiara-miombon’antoka. Izy ireo ihany koa , tsara ho marihina fa nandrotsa-bola tao anatin’ilay tosika fifidianana na « Basket Fund » nampiasain’ny CENI. Nanaiky nihaona sy nifampiresaka tsara tamin’ireo vondron’ny kandida, ihany koa ny vondrona eoropeanina sy masoivoho vitsvitsy.Nampahafantarina azy ireo ny ahiahy tsy ihavanana sy ny porofo an-taratasy manambara fa misy ny tsy fahatomombanana, saingy raha ny fahitana azy dia efa tapa-kevitra mialoha ry zareo.Tsapa ihany koa fa tsy Madagasikara aloha, amin’izao fotoana no laharampahamehana ho an’ny iraisam-pirenena fa zavatra hafa, toa ny ady any Ukraine, ny adin’i Israel sy ny Palestiniana, ny fiovaovan’ny toetry ny andro, ny krizy ara-toekarena manangasanga, ny fifanakalozana ara-barotra eo amin’ny samy goavana (Chine sy Etazonia), ny resaka Intelligence artificielle, ka tsy handany andro ela be amina resaka fifampiresahana sy fifandaminana eto ny vazaha. Ny naroson’izy ireo foana dia ny hoe tokony mifampiresaka ianareo samy Malagasy. Raha ny mpitondra anefa no andrasana amin’io, raha izao fivoakany izao dia hiandry vasoka eo ny mpanohitra. Maimaika ny amin’ny hahavitan’ny fifidianana ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola amin’i Madagasikara mba hiampitany any amina zavatra hafa indray. Ny tantara nisy hatramin’izay naha tany ny tany ihany koa dia afaka ilazana fa tsy mety loatra amin’ny vazaha mpanjanaka io vahoaka, eny fa na amphany ihany aza, mifoha amin’ny torimasony ka miresaka fiandrianam-pirenena io .Anjaran’ny Malagasy sisa no mieritreritra sy manapa-kevitra.
RTT
Raha kabary sy fampanantenana aloha no atao maridrefy dia tena "champion" na tompon-daka
Nirary soa ny mpiray tanindrazana amin'izao taona vaovao 2025 izao i Tahina Razafinjoelina ,filoha nasionalin'ny Tia Tanindrazana,
Madagasikara no mandroso raha mandry fahizay ny tany, hoy i Zaza Ramandimbiarison raha naneho hevitra sy nizara ny fomba
Tsy mbola nisy fifidianana nandeha amin’izay laoniny fa dia fifidianana tsy tomombana hatrany aloha izany no
Nanamafy ireo tsy fetezan-javatra samihafa mikasika ny fifidianana ny Antoko TIM tamin’ny alalan’ny Sekretera
Azo ambara hoe feno izany izay ny ankamaroan’ny an-tanan-tohatra ilàna fifidianana,