airtel

Politique

11-oct-2023

VONDRONA MOMBA NY ATSY SY NY AROA

Miantso ny hisian’ny fifanantonana hisorohana ny krizy

Sample post image

Nivoaka tamin’ny fahanginana ireo hery politika afovoany na ireo tsy momba ny atsy sy ny aroa

11-oct-2023

ahitana ny antoko politika Fanorolahy, ny peace Mada, ary ny Groupe des jeumes Malagasy pour la démocratie manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena ankehitriny. Nambaran’izy ireo fa misy ny loza manambana ny firaisankinam-pirenena izay mety hitarika fivakisana eo amin’ny fiaraha-monina mihitsy. Hisy fiantraikany mivantana eo amin’ny fiainam-bahoaka izany hoy hatrany izy ireo noho izany manao antso avo ny amin’ny hisian’ny fifanatonana izy ireo. Miantso azy 13 mirahalahy kandida hanome ohatra tsara amin’ny toetra mendrika izy ireo satria iray amin’izy 13 no tsy maintsy ho filohan’ny Malagasy tsy vaky volo ka tsy hifampiantsy ady amin’ny fomba fiteny sy fihetsika fa kosa hiala amin’ny hambom-po diso toerana ka hikatsaka izay zava-drehetra mety hifanatonana hahafahana miresaka sy mandravona izao olana sy savorovoro mialohan’ny fifidianana izao. Manohana tanteraka ireo finiavana sy fandraisan’andraikitra hahatongavana amin’izay fifanatonan’ny kandida 13 lahy izay ny hery politika avokoa na avy amin’ny mpisehatra ara-politika na ireo raiamandreny ara-drazana indrindra moa fa ny FFKM izay isan’ny manana ny maha-izy azy no sady manana traikefa amin’ny fampihavanana ihany koa. Ankoatra izay dia miantso ny governemanta tsy hanao hatsirambina ny fiainam-bahoaka amin’izao fotoan-tsarotra lalovan’ny firenena izao izy ireo toy ny fidangan’ny vidim-piainana, ny delestazy, ny tsy fandriampahalemana izay tena misy fiantraikany amin’ny andavanandrom-piainan’ny mponina tokoa. Foto-kevitra hijoroan’izy ireo moa ny fandalany hatrany ny fihavanana sy ny firaisankina ary ny fisokafana miampy ny fitiavan-tanindrazana sy ny soa toavina ara-politika.
Pati
Legende : Ireo vondrona afovoany nanao ny fanambarana tsy momba ny atsy sy ny aroa !
 

Dans la même rubrique

02-janv-2025

Raha kabary sy fampanantenana aloha no atao maridrefy dia tena "champion" na tompon-daka

Card image cap
02-janv-2025

Nirary soa ny mpiray tanindrazana amin'izao taona vaovao 2025 izao i Tahina Razafinjoelina ,filoha nasionalin'ny Tia Tanindrazana,

Card image cap
02-janv-2025

Madagasikara no mandroso raha mandry fahizay ny tany, hoy i Zaza Ramandimbiarison raha naneho hevitra sy nizara ny fomba

Card image cap
02-janv-2025

Tsy mbola nisy fifidianana nandeha amin’izay laoniny fa dia fifidianana tsy tomombana hatrany aloha izany no

Card image cap
30-déc-2024

Nanamafy ireo tsy fetezan-javatra samihafa mikasika ny fifidianana ny Antoko TIM tamin’ny alalan’ny Sekretera

Card image cap
30-déc-2024

Azo ambara hoe feno izany izay ny ankamaroan’ny an-tanan-tohatra ilàna fifidianana,

Card image cap